Toko faha 16

1 Tonga ny Fariseo mban'ny Sadoseo de nitsapa an'Azy ka nangataka an'Azy mba hagnano famantarana avy agny an-danitra. 2 De namaly Izy sady nizaka an'iary zareo hoe: "Ndreka alina, de mizaka anareo hoe: 'Ho tsara ny andro, fa mena ny lanitra.' 3 Ndreka mandraigna, de mizaka anareo hoe: 'Ho ratsy ny andro, fa mena sady manjombogna ny lanitra.' Hainareo ny mamantatra ny endrikan'ny lanitra, fa anareo tsy afaka mandika ny famantarana ny fotôna. 4 Ny taranaka ratsy sady mpijangajanga de miaragna famantarana, fa tsy hisy famantarana homena anazy ankoatra ny famantaran'i Jona." Aveo Jesôsy niala an'iary zareo ka dila. 5 Ndreka tonga tagnilany ny mpianatra, de adignon'iary zareo ny nitondra mofo. 6 De nizaka Jesôsy tamin'iary zareo hoe: "Membena de mitandrema amin'ny masirasiran'ny Fariseo sy Sadoseo." 7 Niady hevitra aby ny mpianatra ka nizaka hoe: "Avy amintsika tsy nitondra mofo zany." 8 Jesôsy nafantatra an'izany de nizaka hoe: "Anareo kely finôna , Nagnino anareo samy anareo no miady hevitra kamizaka fa avy amin'ny tsy nitondranareo mofo izany? 9 Mbola tsy fantanareo na tadidinareo ma ny mofo dimy ho an'ny dimy arivo, de sobika firy no naotrikareo? 10 Na ny mofo fito ho an'ny efatr'arivo, de sobika firy no nalainareo? 11 De ino zany ny tsy ahazoanareo fa tsy momban'igny mofo igny mihitsy ny raha nizakaiko anareo? Membena sady mitandrema amin'ny masirasirany Fariseo mban'ny Sadoseo." 12 Aveo de azon'iary zareo my fa tsy hitandrina masiraran'ny mofo no nozakainy an'iary zareo, fa hitandrina ny amin'ny fampenaran'ny Fariseo sy Sadoseo. 13 Ka ndreka tonga tagny amin'ny faritra akekin'ny kaisaria-filipo Jesôsy, de nagnotany ny mpianatrany Izy, magnano hoe: "Ataon'olona ho iza ma Zanak'Olona?" 14 Nizaka iary zareo hoe: "Ny sanagny mizaka fa i Jaona mpagnano batisa; ny sanagny, Elia; de ny hafa ndreka, Jeremia, na raika amin'ny mpaminany." 15 De nizaka Izy tamin'iary zareo hoe: "Anareo koza magnano Anaha ho iza?" 16 De namaly, Simôna Petera nagnano hoe: "Anao no Kristy , Zanak'Andriamanitra velona." 17 Namaly Jesôsy ka nizaka tamin'azy hoe: "Sambatra anao, a Simôna Bar-Jona, fa tsy ny nofo na ny rà nagnatoro an'izany taminao, fa Iabako zay agny an-danitra. 18 Zakaiko aminao my koa fa anao no Petera, ka ambonin'ity vatolampy ity no hagnorenako ny fengonako. Ny vavahadin'ny fasagna de tsy haharesy an'izany. 19 Homeko anareo ny lakilen'ny fanjakan'ny lanitra. Na ino na ino fehezinao ambonin'ny tany de ho fehezina agny an-danitra, de na ino na ino vahanao ambonin'ny tany de ho vahana agny an-danitra." 20 Aveo de nadidin'ny mpianatra Jesôsy fa iary zareo de tsy tokony hizaka na amin'iza na amin'iza fa Izy Kristy zany. 21 Tamin'izany fotôna zany Jesôsy nanomboka nizaka tamin'ny mpianatrany fa tsy mentsy ho any Jerosalema Izy, hizaka fijalena maro eo an-tagnan'ny loholona sy ny lohan'ny mpisorona mban'ny mpanora-dalàna, ho vonina, hatsangana ndreka amin'ny andro fahatelo. 22 Aveo Petera nangala an'Azy ka nizaka mafy an'Azy, magnano hoe: "Ho lavitra anao anie zany, ry Tompo; tsy hitranga aminao mihitsy anie zany." 23 De nitodika Jesôsy ka nizaka tamin'i Petera hoe: "Mengà agny afarako, anao satana! Anao de fanafintohinana ho Anaha, avy aminao tsy miaraharaha ny rahan'Andriamanitra, fa ny rahan'olona." 24 Aveo Jesôsy nizaka tamin'ny mpaminany hoe: "Na misy te-hagnaraka Anaha, de tsy mandà ny tegnany izy, hitondra ny hazofijalena, sady magnaraka Anaha. 25 Fa n'iza n'iza te-hamonjy ny aignany de hahavery an'azy, ka n'iza n'iza no hahavery ny aignany avy Aminaha, de hahazo an'zany 26 Fa ino ma no soa ho azon'olona na de mahazo an'izao tontolo izao kanefa very ny aignany? De ino ataon'ny olona ho takalon'ny aignany? 27 Fa ny Zanak'olona de ho avy amin'ny voninahitran'Iabany miaraka amin'ny anjeliny. Aveo Izy hamaly soa ny olona tsiraidraika araka zegny vitany. 28 Zakaiko marina aminareo, fa misy sanagny aminareo mitsangana eto io tsy hatsapa fahafatesana mandrapahitan'iary zareo ny Zanak'Olona tonga amin'ny fanajakany."