Toko faha 15

1 Avieo de nisy Fariseo sy mpanora-dalàna sanasanagny avy agny Jerosalema nagnantogna an'i Jesôsy. De nagnano iary zareo hoe: 2 "Nagnino ny mpianatranao no mandika ny fomban-drazagna ny zoky olona? Fa tsy manasa tagnana iary zareo alohan'ny hihinagna." 3 Namaly Izy de nizaka tamin'iary zareo hoe: "Ka nagnino arika anareo no mandika ny lalàn'Andriamanitra avy amin'ny fomban-drazagnanareo? 4 Fa Andriamanitra nizaka hoe: "Hajay ny Abanao amban'ny endrinao', de zegny mizaka ratsy, ny abanao sy endrinao, de ho faty.' 5 Fa anareo mizaka hoe: ' Na zovy na zovy mizaka amin'ny abany na amin'ny endriny hoe: "Ndre ino ndre ino fagnampena zegny azonareo avy aminaha de fagnomezana ho an'Andriamanitra amin'izao, "' 6 ny olona zany de tsy mila magnaja ny abany. Amin'izany fomba izany de nofoagnanareo ny zakan'Andriamanitra avy amin'ny tombotsoan'ny fomban-drazagnanareo. 7 Anareo mpetsaravelatsihy! Marina ny faminanian'Isaia mikasika anareo ndreka nizaka izy hoe: 8 'Ity fokonolona ity de magnaja Anaha amin'ny molotrany iary zareo; fa ny fon'iary zareo koza de magnalavitra Anaha. 9 Tsisy antony ny fiderany Anaha, satria iary zareo mampianatra ny didin'olombelona kara ny fampenaran'iary zareo.'" 10 Aveo nagnantso ny fokonolona ho Amin'Azy Izy de nizaka tamin'iary zareo hoe: " Mitenoa ka mazahoa - 11 Tsy ny miditra agny ambavan'ny olona no mandoto ny olona. Fa koza, zegny avôkan'ny vava, no mandoto ny olona." 12 Aveo nagnantogna ny mpianatra sady nizaka tamin'i Jesôsy hoe: "Fantanareo ma vignitra ny Fariseo ndreka naregny ny zaka izany?" 13 Jesôsy namaly de nizaka hoe: "Ndregny raha maniry zay tsy nambolen' Iabako agny an-danitra de ho foagnana aby. 14 Avelay iary zareo ho eo, iary zareo de mpitarika ny jamba. Ndreka misy olona jamba raika mitarika jamba raika de samby hivarigna an-kady izy roy." 15 Petera namaly ka nizaka tamin'i Jesôsy hoe: " Azavay aminay ny fagnoharana zany." 16 Nizaka Jesôsy hoe: Tsy manam-pahalalana my koa anareo?" 17 Tsy hitanao ma fa zay miditra amin'ny vavahady de mandeha an-kibo de aveo avôka agny amin'ny kabone? 18 Fa ndregny raha avôkany vava de avy amin'ny fo. Zany raha zany no mandoto ny olona raika. 19 Fa avy amin'ny fo no ivoahan'ny sain-dratsy, ny famonôna olona, ny fijangajangana, ny mangala-badin'olona, ny halatra ny fitsanganana vavolombelona tsy marina de ny fizakan-dratsy. 20 Io raha io no mampaloto ny olona raika. Fa ny mihinagna amin'ny tagnana tsy misasa de tsy mampaloto ny olona raika." 21 Aveo Jesôsy nenga teo de nierigna tagny am faritanin'ny Tyro sy Sidôna. 22 Igny, nisy viavy Kananita raika avy agny amin'ny faritra zany. Nagnantso mafy izy de nizaka hoe: "Mamindrà fo aminaha, Anao Tompo, Zanak'i Davida! Ny zanako viavy de ampijalen'ny devoly mafy." 23 Fa Jesôsy tsy namaly anazy. Nagnatogna Anazy mpianatra ka nengavy Anazy, nagnano hoe: " Roahy izy, fa maresaka be amintsena." 24 Fa Jesôsy namaly sady nizaka hoe: "Tsy nirahina ho an'iza n' iza Aho afa-tsy ho an'ny ondry very agny amin'ny ankohonanan'Israely ." 25 Fa tonga nangataka sady nandondogna tagnatrehany izy , nagnano hoe: " Tompo, vonjeo zaho." 26 Namaly Izy ka nagnano hoe: "Tsy rariny raha alaina ny mofon-jaza ka atipy amin'amboa" 27 Nizaka izy hoe: "Aika, Tompo, ndregny ny amboa aza mba mihinagna zegny ambikambiny latsaka avy amin'ny latabatran'ny tompony." 28 De namaly Jesôsy sady nizaka tamin'azy hoe : "Raviavy, lebe ny finônao; ho tanteraka aminao anie zany araka ny fagnirinao." De sitragna zanagny viavy tamin'io lera io. 29 Nenga teo Jesôsy ka nandea akekin'ny ranomasinan'ny Galilia. Aveo de niakatra tegny an-tendrombohitra raika Izy ka nipetraka teo. 30 Fokonolona maro no nagnatogna an'Azy. Nandosin'iary zareo niaraka tamin'iary zareo ny mitongaitra, ny jamba, ny môgna, ny manatakaitra, mban'ny marary maro hafa koa. Navelan'iary zareo tamin'ny tongotran'i Jesôsy; ka de nositragniny. 31 Ka de gaga ny Fokonolona ndreka nahita ny môgna mizaka, ny manatakaitra sitrana, ny malemy afaka mandea, ny jamba mahita. Nankalaza ny Andriamanitran'Israely iary zareo. 32 Nagnantso ny mpianatrany mba hagnantogna an'Azy Jesôsy de nizaka hoe: "Malahelo ny Fokonolona zaho, satria efa telo andro sahady iary zareo nitometra niaraka taminaha nefa tsy managna k'oanina. Tsy te hagnandefa an'iary zareo tsy mihinagna Aho, sô de toragna an-dalagna egny." 33 De nizaka mpianatra tamin'Azy hoe: " Aza ahitanay mofo ampy ny fokonolona maro be aty amin'ny tany tsisy olona? 34 Nizaka Jesôsy tamin'iary zareo hoe:" Mofo firy aminareo agny? De nizaka iary zareo hoe: "Fito de laoka madinika vitsivitsy." 35 Aveo Jesôsy nandidy ny Fokonolona mba hitometra amin'ny tany. 36 Nalainy ny mofo fito mban'ny laoka, ka ndreka nisaotra, de nivakiny ny mofo ka nameny an'ny mpianatra. Namen'ny mpianatra ny Fokonolona. 37 Nihinagna de afa-po ny Fokonolona marobe. Aveo iary zareo nangorigna tanty fito feno ambikambiny zegny tsy lany. 38 Efatra arivo lahy nihinagna tsy tagnatin'ny zaza mbany viavy. 39 Aveo de nampoden'ny Jesôsy Fokonolona ka niditra agnaty lakana de nandeha amin'ny faritra Magadana