Kolosiana Toko Faha 4

1 Ry tompo, omeo an'ny andevo ndregny marina mban'ny rariny. Fantanareo fa anareo my koa de managna tompo raika an-danitra agny. 2 Managna faharetana amin'ny fivavahana. Membena amin'ny fagnomezana fisaorana. 3 Meresa mivavaka aminay my koa, mba hamoahan'Andriamanitra varangaragna ho an'ny zakany, mba hizakana ny fahamarinana mivony ao amin'ny Kristy. Avy amin'izany, de vafatotra aho. 4 Mivavaha mba ahafahako magnazava an'izany, na tokony hizaka aho. 5 Mikantia ndreka amin'olona ambelagny agny, de magnararaota amin'ny fotoana. De ampereso amin'ny fahasoavana fezay ny raha zakainareo. 6 Avelay ny fizakanareo ho amina hankatena, amin'izay anareo mba hahalala ny fomba tokony hamaliana ny olona tsitokantokana. 7 Na ny raha momba anaha, de i Tykyko no hamafantatra an'io aminareo. Izy de rahalahy tena teko, mpanompo atokisana, sady mpiara-manompo amin'ny Tompo. 8 Nampandianiko aminareo agny izy tratrin'ny, mba hafantaranareo ny raha momba anay, sady mba ankaherezanay ny fonareo. [Fagnamarihana ambanin'ny pejy: ny dikan-teny sanagny taloha mivaky hoe: "Nampandianiko aminareo agny izy tratrin'ny, mba hafantaranareo ny raha momba anay, sady mba ankaherezanay ny fonareo." ] 9 Nampandianiko niaraka tamin'i Onesimosy izy , ny rahalahy atokisana sady malala, sady raika aminareo. Iary zareo no hizaka aminareo ny raha marobe niseho taty. 10 Aristarko, ny miara-migadra aminaha, de magnotsafa anareo, karan'izany koa i Marka, havan'ny Barnabasy (zay nazahoanareo beko; ka ndreka mandeha aminareo izy, de reso), 11 sady Jesôsy my koa nagnantso an'ay hoe: Josto. zegny avy amin'ny voafora io my no mpiara-miasa aminaha ho an'ny fanjakan'Andriamanitra. Fampiognonana ho anaha io. 12 Epafra de magnotsafa anareo. raika aminareo sady mpanompon'i Kristy Jesôsy. Mitoogna am-bavaka aho anreo fezay izy, mba hatonga lafatra anareo, sady hazahoana antoka tanteraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra marobe. 13 Fa izaho de mijoro vavolombelona ho an'azy, fa miasa mafy ho anareo izy, de ho an'ny Laodika, mban'ny zegny agny Hierapolia. 14 Lioka ny mpitsabo malala mairaka amin'i Demasy de magnotsafa anareo. 15 Agnotsafay ny rahalahy any Laodika, de Nymfa, mban'ny fengonana an-dragnony. 16 Ndreka voavaky agnivonareo taratasy ity, de vakio am-pengonan'ny Laodika my koa, de ataovy voavakinareo my koa ny taratasy avy agny Laodika. 17 Zakay i Arikipo hoe: "Tandremo tsara ny asa fanompoanazay niresinareo tamin'ny Tompo, fa tokony vitainareo izany." 18 Ity fagnamboaram-beloma ity de nisoratan'ny tagnako manokana -Paoly. Tadidio ny fifatorako. Enga anie ka ho aminareo ny fahasoavana.