Kolosiana Toko Faha 3

1 Ka na Andriamanitra nampitsangana anareo niaraka tamin'ny Kristy, Eragno ny raha ambony agny, zegny ipetrahan'i Kristy eo an-tanagn'ankavanan'Andrimanitra. 2 Eritrereto ny raha ambony agny, fa tsy ny raha eto an-tany. 3 Fa efa aty anareo, sady fiaignanareo de mivony miaraka amin'i Kristy amin'Andriamanitra. 4 Ndreka miseho Kristy, zay fiaignanareo, de anareo koa hiaraka hiseho amin'Azy amim-boninahitra. [Fagnamarihana ambanin'ny pejy: ny dikan-teny taloha sanagny mizaka hoe: " Ndreka miseho Kristy, izay fiaignanareo, de anareo my koa de hiaraka miseho amim-boninahitra.] 5 Vonio, aveo, ny mpikambana eto an-tany-ny filan-dratsy, fahalotoana, firehetan'ny filana, fagniriana ratsy sady fahatendana, ny fanompoan-tsampy. 6 Avy amin'ny raha io no nahatongavan'ny havigniranan'Andriamanitra amin'ny zanaka ny tsy fankatoavana. [Fagnamarihana ambanin'ny pejy: Ny dikan-teny taloha sanagny mivaky hoe: " Avy amin'io no mahatonga ny havigniran'Andriamanitra."] 7 Tamin'ny raha nandehananareo io taloha my koa ndreka mbola niaigna tamin'io anareo. 8 Fa amin'izao anareo de tsy maintsy magnary an'ny raha marobe io - fahasorenana, , havignirana, ny fiakasan-dratsy, ny fanevatevana, mban'ny ny fahavetavetana avy amin'ny vavanareo. 9 Aza mifametsy, fa efa narenareo ny toetra taloha miaraka amin'ny fampiharana an'izany, 10 sady namboarinareo ny toetra vaovao navaozina amin'ny fahalalana magnaraka ny endrika an'ny zegny namorogna an'izany. 11 Amin'izany de tsisy Grika miaraka amin'ny Jiosy, voafora mban'ny tsy voafora, barbarian, Sktyana, andevo, olon'afaka, fa i Kristy no maro, sady amin'ny maro. 12 Ka, misikina, magnaraka ny maha-olom-boafidin'Andriamanitra, masina sady malala, famindram-po, hatsaram-panahy, fanetren-tegna, fahalem-pagnahy, mban'ny faharetana. 13 Mifampitondrà tsara. Mifamelà. Ndreka misy olona managna fitaregnana amina olona hafa, mamelà karan'ny namelan'ny Tompo anareo. 14 Ambonin'ny raha marobe io, managnà fitiavana, zegny mamatotra antsena amin'ny fahantanterahana. 15 Avelay ny fiadanan'i Kristy hanapaka amin'ny fonareo. Amin'ny fiadanana izany no nagnatsavana anareo ho vatagna raika. Sady misaora. 16 Avelay ny tenin'i Kristy hipetraka maro aminareo. Aamin'ny hakantena maro mifampenara de mifagnanara amin'ny salamo mban'ny fihira de hira ara- pagnahy. Mihira amin'ny fisaorana am-ponareo ho an'Andriamanitra. 17 Ndre ino ndre ino ataonareo, na amin'ny zaka ndre amin'ny asa, ataovy amin'ny agnaran'ny Tompo Jesôsy ny raha maro be. Magnomeza fisaorana an'Andriamanitra ny Ray avy amin'Azy. 18 Ho an'ny viavy, magneke ny vadinareo, fa mety amin'ny Tompo izany. 19 Ho an'ny lilahy, tiavo vadinareo, sady aza maseka amin'iary zareo. 20 Ho an'ny zanaka, magnaja ny ray aman-dreninareo amin'ny raha marobe, fa mety amin'ny Tompo izany. 21 Ho an'ny ray, aza magnano zay raha mampalahelo ny zanakareo, mba tsy ho ketraka iary zareo. 22 Ho an'ny andevo, magneka ny tomponareo magnaraka ny nofo amin'ny raha marobe, tsy amin'ny asa amasony eo, fa amin'ny fo tsotra. Matahora an'ny Tompo. 23 Ndre ino ndre ino ataonareo, miasà avy amin'ny fagnahinareo kara hoe an'ny Tompo fa tsy an'olon. 24 Fantanareo fa anareo de handray valisoan'ny lova agny amin'ny Tompo. Izy no Tompo Kristy zay tompoinareo. 25 Fa zegny magnano ny tsy fahamarinana de handray ny sazy amin'ny tsy fahamarinana nataony, sady tsisy fagnavakavahana.