Toko 1

1 Taminigny volana fahavalo taminigny taona faharo nazakan'i Dariosa, dra avy tamin'i Zakaria zanadahin'i Berekia zanadahin'Indo, mpaminany, gny zakan'i Yaveh, manao ho: 2 ''Hory fatrasy tamin'ereo razambenao i Yaveh! 3 Zakao izy reo ho:' Zao gny zakan'i Yaveh tpmpony gny maro: Mitolia aminahy!- zay gny fagnambaran'i Yaveh tompony gny maro - dra hitoliky amindrareo zaho, ho Yaveh tompony gny maro. 4 Ao iandrareo sy ho tahaky gny razambendrareo ze nitokan'ereo paminany teo aloha, manao ho:''Zao gny zakan'i Yaveh tomponigny maro: Miala amy lalan-drasindrareo vo gny fampiharan-drasindrareo!'' Fa sy nahare izy reo dra sy niraharaha anzhy- zay gny fagnambaran'i Yaveh.' 5 Reo razambenandrareo, eza reo paminany, eto mandrakizay seky izy reo? 6 Fa reo zakako vo reo lalako zay nandidiko an'ereo paminany mpanompoko, sy fa nahatrasy reo razambendrareo seky reo? Koa nibebaky izy reo dra nanao ho:' Araky ze fa nalahat'i Yaveh tomponigny maro hatao aminay ze mendriky reo lalanay vo reo asanay, gny nataony taminay.'''' 7 Taminigny andro fahefasy amby ropolo taminigny fahiraiky aminigny fologny volana, ze volagny Sebata, taminigny taona faharo nazakan'i Dariosa, dra avy tamin'i Zakaria, zanadahin'i Berekia zanadahin'Ido, gny paminany, gny zakan'i Yaveh, manao ho: 8 ''Nahita taminigny hariva zaho, dra, indro! nisy lelahy raiky nitikisy sovala mena, dra teo amy hazo rotra ze teo amy lohasaha izy; dra teo afarany dra nisy sovala mena, volotany manopy mena,dra sovaly fosy.'' 9 Ho zaho ho:''Ino tahoky raha tahoky, ry Tompo?'' Avy eo dra nisy azely raiky niresaky taminahy nanao taminahy ho:'' Ho asehoko anao ho ino reo raha reo.'' 10 Dra gny lelahy ze nisanga teo amy hazo rotra namaly dra nizaka ho:''Reo gny nalefan'i Yaveh ba hirenireny manera gny Tany.'' 11 Namaly gny azelin'i Yaveh ze nisanga teo amy hazo rotra izy reo; ho izy reo taminazy ho: ''Fa nirenireny nanera gny tany izahay; indro, gny tany aby dra mbo mipetraky vo mizano.'' 12 Dra namaly gny azelin'i Yaveh dra nizaka ho:''Ry Yaveh tomponigny maro, mandram-pahombia gny hanehianao sy fangoraham-po amin'i Jerosalema vo amin'ereo tanan'i Joda zay fa niharisy fahoria zay fitopolo taona zay?'' 13 Namaly gny azely zay niresaky taminahy, taminigny zaka soa, tegny fampahereza i Yaveh. 14 Dra nizaka taminahy gny azeky zay niresaky taminahy ho:''Mitoka fatrasy dra mizaka ho:'Zao gny zakan'i Yaveh tomponigny maro:Saro-piaro tamim-pitiava lahibe tamin'i Jerosalema vo tamin'i Ziona zaho! Hory fatrasy amin'ereo firenena zay ao agnatinigny fitonia reo. 15 Raha ba hory tamin'ereo zaho, dra vao meky nampaharasy gny fahoria izy reo. 16 Noho zay dra zao gny zakan'i Yaveh tomponigny maro: Fa nihery tamin'i Jerosalema taminm-pamindram-po Zaho. Ho voaory ao agnatiny gny tragnoko- zay gny fagnambaran'i Yaveh tompony maro-dra gny famolany dra ho hezaniny anin'i Jerosalema!' 17 Mitoka fatrasy draiky, manao ho;'Zao gny zakan'i Yaveh tomponigny maro: Hotondraky soa draiky reo tananko, dra hampahery an'i Ziona draiky Yaveh, dra hifily an'i Jerosalema draiky Izy.'' 18 Dra nanandrasy gny zasoko zaho dra nahita tandroky efasy! 19 Niresaky taminigny azely ze niresaky taminahy zaho ho:''Ino reo?''Namaly anahy izy ho:''Reo gny tandroky ze fa nagnaparitaky an'i joda, Israely, dra Jerosalema.'' 20 Avy eo dra nampiseho panao asa tana efasy taminahy i Yaveh. 21 Ho zaho ho:''Ino gny aton-dian'ereo olo reo?''Namaly Izy , dra nizaka ho:''reo gny tandroky ze nanaparitaraky an'i Joda ba sy hisy olo afaky hanandrasy gny lohany. Fa reo olo reo dra avy ba handroaky anazy reo, ba handrava reo tandrok'ereo firenana ze nanandrasy tandroky manohisy gny tanin'i Joda ba hanaparitaky anazy.''