Toko faha 3

1 Ampaherezo ereo haneky reo mpanapaky vo reo manam-pahefa,hakato anazy reo,ho vono amin'gny asa soa aby. 2 Ampasiahivo ereo sy hikizaky na iza na iza, hiala amin'gny alihevisy,hamela gny hafa hagnaraky gny lalany,dra hapiseho fanetre-tegna amin'olo iaby. 3 Fa teo aloha gny vatasika dra sy nanasigny dra sy tia. Voatariky tamin'gny lala-diso isika dra nandevosin'gny fitaliava vo gny fahafinareta samihafa. Niay tao amin'gny faharasia vo gny fialogna isika.Niala zahay dra nifakalaiky isika. 4 Fa gny niboaky gny hasoam-pagnahin'Agnahary mpamozy asika vo gny fitiavany gny olombelo, 5 dra sy tamin'gny asa gny fahamarigna nataosika zay,fa tamin'gny famindram-pony gny namozeny asika. Izy dra namozy asika tamin'gny alalan'gny fanaliovan'gny fahateraham-baovao vo gny fanavaoza tamin'gny Fanahy Masy. 6 Zagnahary nandrosaky maro tamisika gny Fanahy Masy tamin'gny alaln'i Jesosy Kristy Mpamozy asika. 7 Nataony zay ba,ho voamary tamin'gny fahasoava,dra ho avy mpandova isika amin'gny alalany fahatokisa gny fiaigna mandrakizay. 8 Ze hafasy zay dra mendri-pitokisa .Tiako hizaka momba anizay raha zay am-pahatokisa andrareo, ba reo ze mahatoky an'Agnahary dra hikasa hanao reo asa soa ze fa napetrany teo alohan'ereo.Zay raha zay dra sady soa gny mahasoa ho agny olo iaby. 9 Fa hialao gny alihevisy sy mazary vo gny tataram-pirazagna dra gny fifagnakania vo gny aly momban'gny lalana.Reo raha reo dra rava-fahatany vo sy mahasoa. 10 Manda ze olo miteraky fizarazara eo agnevondrareo aby,tafarany fampitandrema draiky na ro, 11 dra fataro gny olo ohasin'izay dra niala tamin'gny lala mary dra manota vo magnameloky gny vatany. 12 Gny fa magniraky an'i Artema na Tykiko agny amindrareo zaho,dra malakia dra mandehana agny aminahy agny Nikopolia, ze nanapahako hevisy andania gny ririna. 13 Malakia dra alefaso Zena,gny mpahay lalana,vo Apolosy, ba sy hana-raha mahory ereo. 14 Gny olosika dra sy maisy mianasy manao asa soa ze taliavy meky ba sy ahavy anazy reo sy hamokasy. 15 Reo aby miaraky aminahy dra manao veloma andrareo. Manova veloma reo ze tia asika amin'gny finoa . HO amindrareo aby seky gny fahasoava.