Toko faha 2

1 Fa anao dra,mizaka ze mifagnaraky amin'gny Fapianara mary. 2 Reo lelahy fa nahazo tao dra sy maisy mahay minday vata,motina,mahono-tena,matazaky amin'gny finoa, amin'gny fitiava, dra amin'gny fahareta. 3 Manahaky anizay gny ampela fa nahazo tao dra tokony hapiseho hatrany gny vatan'ereo ho soa fandesa,fa sy pifosa. Sy tokony ho andevozin'gny divay be ereo.Tokony hampianasy ze soa ereo 4 ba hampiofa reo ampela tanora ho tena tia gny valy vo gny zanany manoka. 5 Tokony hampianasy anazy reo hahono-tena, halio hikarakara tokatrano soa,dra hakato gny valiny ereo.Tokony hanao anizay raha iaby zay ereo ba sy ho voaheso gny zakan'Agnahary. 6 Tahaky anizay,ampaherezo reo lelahy bo tanora ba hahono-tegna. 7 Amin'gny fomba aby dra asehoy gny vatanao ho modelin'ereo asa soa; dra gny fa mapianasy anao,dra manehoa fahisia vo fahamendreha. 8 Mizaka hafasy salama vo sy misy signy,ba ho megnasy ze manohisy dre iza dre iza, satria sy mana dre ino dre ino rasy ho zaka momba asika izy. 9 Reo mpanompo dra tokony hakato gny topony amin'gny raha-iaby. Hanao ze sitrapony fa sy hifamaly aminazy. 10 Sy tokony hangalangalasy ereo. Fa dra,tokony haneho gny finoa soa iaby ereo,ba hampahamendriky gny fampianarasika momba an'Agnahary pamozy asika amin'gny lafiny aby. 11 Fa niboaky tamin'gny olo-iaby gny fahasoavan'Agnahary. 12 Mampianasy asika handa gny toesy st araky aAgnahary vo gny filan'izao totolo zao .Mampianasy asika hiay am-pihonogna, ampahamarigna,dra araky gny lalan'Agnahary amin'izao vanim-potoa zao zay 13 eo am-pembenasika gny fanatena mahafinarisy,gny fisehoan'gny voninahisy gny Zagnaharisika lahibe vo Mpamozy Jesosy Kristy. 14 Jesosy dra nanolosy gny vatany ho asika ba hagnavosy asika hiala amin'gny sy fagnarahan-dala iaby vo hagnaliova,ho agny vatany,olo raiky manoka ze tena mazoto hanao asa soa. 15 Ambarao dra andeso ampaherezina reo raha reo. Magnomeza fagnisia amin'gny fahefa iaby.Ka anga hisy olo hanao sinosino anao.