Toko Faha 31

1 Ireo zakan'i Lemoela pazaka__anasy napianarin'ny reniny anazy. 2 Ino, ry zanako? Ino izay, ry zanaky gny kiboko? Ino gny taliavinao, ry zanaky gny voadiko? 3 Ka ame gny vehivavy gny herinao, na gny lalanao ho an'ireo izay mamotiky gny pazaka. 4 Izay dra sy ho an'ny pazaka, dra Lemoela, sy ho an'ireo pazaka gny fisotrana divay, na koa ho an'ny panapaky ba hagnotany ho: ''Eza gny zava-pisotro mahery?'' 5 Fadrao halignon'izy ireo izay fa voadidy, dra hamadiky gny marina izay amigny fahoriana rehetra. 6 Omeo zava-pisotro mahery gny olo izay fa ho maty dra divay hi an'ireo agnaty fahoria mangily. 7 Hino izy dra hagnaligno gny fahatrany dra sy hahasiaro gny fahoriany izy. 8 Mizaka ho an'ireo izay sy afaky mizaka, ho an'ny adin'izay rehetra fa ho maty. 9 Mizaka matrasy dra misara araky gny rariny dra misoloa vava ho an'ny olo mahatra vo ory. 10 Iza gny afaky mahita vehivavy mahavita anazy? Gny lazany dra mihoasy lavisy noho gny firavaky. 11 Gny fon'ny valiny mitoky aminazy, dra sy hahatra mihisy izy. 12 Manao zava-soa hon'azy izy dra sy manao rasy amigny andro-piaignany rehetra. 13 Misafidy volon'agnondry vo rongony izy, dra miasa an-kafaliana amigny tagnany. 14 Manahaky ireo sambon'ny panao raharaham-barosy izy; avy lavisy gny andesany gny sakafony. 15 Mifoha izy gny bo hariva dra magnome hany ho an'ny ankohonany, dra mizara gny asa ho an'ireo panopo vaviny. 16 Izy gny mandiniky gny saka dra mivily izay, amigny vokasy gny tagnany gny amboleny voaloboky. 17 Mapitafy hery gny vatany dra mapatazaky gny sandrny. 18 Mahafatasy izay mety ho tombony nsoa hon'azy izy; mandrisy gny alina tontolony gny zirony dra sy maty. 19 Apetrany eo amigny ampela gny tagnany, dra tanany gny fihazognam-bohavona. 20 Magnasotra gny tagnany amigny olo ory izy. 21 Sy matahosy amigny oram-panala ho amigny ankohonany rehetra dra mignisy volona-gnondry mena. 22 Magnamboasy firakosy ho an'ny fandriany izy, dra miakazo fitafy rongony matify voloparasy. 23 Gny avaliny gny fatasy ao amigny vavahady, rehefa mitoboky midray amigny loholon'ny tany izy. 24 Magnamboasy akazo rongony fosy izy dra mamarosy ireo, dra namasy samboady ho an'ireo pamarosy izy. 25 Mitafy gny hery vo gny voninahisay izy, dra mohomehy amigny fotoana ho avy izy. 26 Manokaky gny vavany amigny fahedrena izy dra eo amigny lelany gny lalan'ny hasara-pagnahy. 27 Mihobia gny lalan'ny ankohonany izy dra sy mihinana gny mofon'ny fahalainana. 28 Manokaky gny zanany dra mitoka anazy ho voatahy, dra midera anazy gny valiny, manao ho: 29 ''Maro gny vehivavy fa nanao gny soa, saingy mihoasy anazy rehetra hanao.'' 30 Fitaky gny fahasarana, zava-poana gny hasaran-tarehy, fa gny vehivavy matahosy an'i Yaveh, dra ho deraina izy. 31 Omeo anazy gny vokasy gny tagnany dra aoka gny asany hidera anazy amigny vavahady.