Toko faha 7

1 Tamy andro nahavitan'i Mosesy gny tabernakely, dra nosorany anizay dra natokany ho an'i yaveh, niaraky tamy fanaky aby. Nataony tahaky anizay koa gny alitara vo gny fanaky aby. Nosorany anizay dra natokany ho an'i Yaveh. 2 Taminzay andro zay dra nanolosy soro reo mpitarik'Israely, vo reo lohany fianakaviany razambeny. Reoa lelahy reo gny nitariky gny foko. Izy reo gny nanara-maso gny fagnisa gny olo taminigny fagnisampbahoaky . 3 Nandesin'ereo teo anatrehan'i Yaveh gny fagnatin'ereo. Ninday sarety misaro anina vo agn'omby ro ambiny folo izy reo, dra gny mpitariky kirairaiky dra ninday agn'omby raiky .Ninday sarety raiky isaky gny mpitariky ro avy izy reo, dra gny mpitaroky kirairaiky dra ninday agn'omby raiky aby. Naterin'ereo teo anatrehany tabernakely reo raha aby reo. 4 Dra niresaky tamin'i Mosesy i Yaveh. Ho Izy ho:'' 5 Ekeo gny fagnatisy avy amin'ereo dra ampiasao ho amy asa ao amy tragno-lay fihaogna gny fagnatisy. Omeo an'ereo Levita reo fagnatisy, dra amy kirairaiky araky gny taliavin'ereo amy asany aby.'' 6 Nalan'i Mosesy reo sarety vo reo agn'omby dra nomeny an'ereo Levita. 7 Nanome sarety ro vo agn'omby efasy ho agny taranak'i Gersona izy, noho gny filan'ereo amy asany. 8 Nagnome sarety efasy vo agn'omby valo ho agny taranak'i Merary izy, ho ro amy fiahian'i Itamara znak'i Arona mpisoro. Nataony anizay noho ze notakiany asan'ereo. 9 Fa sy nagnome na ino na ino tamin'ereo raha reo ho agny taranak'i Kehata izy, satria gny anazy reo dra sa mifandraiky amy raha ze an'i Yaveh ze ho lazany eo asorony. 10 Nanolosy reo fagnomeza reo mpitariky ba ho agny fanokana gny alitara taminigny andro ze nagnosoran'i Mosesy gny alitara. Nanolosy gny sorony teo anoloany alitara reo mpitariky. 11 Ho Yaveh tamin'i Mosesy ho:''Ao gny mpitariky kirairaiky hanolosy gny sorony amy androny avy ho agny fanokana gny alitara.'' 12 Tamy andro volohany, dra Nasona zanak'i Aminadaba, avy amy fokon'i Joda, gny nanolosy gny sorony. 13 Gny sorony dra finga volafosy raiky milaza sekely 130 vo finga jobo raiky milaza sekely fitopolo, araky gny sandany lazany sekely toera masy. REo raha reo dra samy feno divay vo lafariny soa lisa miharo menaky hatao fagnatisy hohany. 14 Nagnome finga volamena raiky milaza sekely folo sady feno litin-kazo nagnsy izy. 15 Nagnome vantonagn'ombilahy raiky, agn'ondry raiky, dra zanak'andry lahy heritao, ho fagnatisy dora izy,. 16 Nagnome osilahy ho fagnatisy noho gny ota izy. 17 Nagnome agn'omby ro, agn'ondry dimy, osilahy dimy, dra zanak'ondry lahy dimy ze heritao izy. Zay soro hatao fagnati-pihavana izy . Zay gny soron'i Nasona zanak'i Aminadaba. 18 Tamy andro faharo, Netanela zanak'i Zoara, mpitarik'i Isakara, gny nanolosy gny sorony. 19 Nanolosy finga volofosy milaza sekely 130 vo finga gobo milaza sekely fitopolo izy ho sorony, araky gny sandany lazany sekeliny toera masy. Samy feno lafariny soa lisa miharo menaky ho fagnatisy hohany reo raha reo. 20 Nagnome finga volamela milaza sekely folo, feno litin-kazo magnisy avo koa izy. 21 Nagnome vantonagn'ombilahy raiky, agn'ondry raiky, dra zanakagn'ondry lahy heritao, ho fagnatisy dora avo koa izy . 22 Nagnome osilahy raiky ho fagnatisy noho gny ota izy. 23 Nagnome agn'omby ro, agn'ondry dimy, osilahy dimy, dra zanakagn'ondry lahy ze heritao, ho soro hatao fagnati-pihavana izy. Zay gny soron'i Natenela zanak'i Zora. 24 Ramy andro fahatelo, Eliaba zanak'i Helona, mpitariky reo taranak'i Zebolona, gny nanolosy soro. 25 Gny sorony dra finga volafosy raiky milaza sekely 130, dra finga gobo raiky milaza sekely fitopolo araky gny sandany lazany sekeliny toera masy. Samy feno lafariny soa lisa miharo menaky ho agny fagnatisy hohany reo raha reo. 26 Nagnome finga volomena milaza sekely folo, feno litin-kazo magnisy avo koa izy. 27 Nagnome vatonagn'ombilahy raiky , agn'ondry raiky, dra zanakagn'ondry lahy heritao ho fagnatisy dora izy. 28 Nagnome osilahy raiky ho fagnatisy noho gny ota izy. 29 Nagnome agn'omby ro , agn'ondry dimy, osilahy dimy, dra zanakagn'ondry lahy dimy ze fa tao raiky . Zay gny soron'i Eliaba zanak'i Helona. 30 Tamy andro fahefasy, Elizora zanak'i Sedeora, mpitariky reo taranak'i Robena, gny nanolosy gny sorony. 31 Gny sorony dra finga volafosy milaza sekely 130 vo finga gobo raiky milaza sekely fitopolo, araky gny sandany lazany sekeliny toera masy. Samy feno lafariny soa lisa miharo menaky ho fagnatisy hohany reo raha reo. 32 Nagnome finga volamena raiky milaza sekely folo, feno litin-kazo magnisy avo koa izy. 33 Nagnome vantonagn'ondry raiky,agn'ondry raiky, dra zanakagn'ondry lahy heritao ho fagnatisy noho gny ota izy. 35 Nagnome agn'omby ro, agn'ondry dimy, asilahy dimy, dra zanakagn'ondrilahy dimy ze heritao, ho soro ho agny fagnati-pihavana izy. Zay gny soron'i Elizora zanak'i Sedora. 36 Tamy andro fahadimy, Selomiela zanak'i zorisaday,mpitariky gny taranak'i Simeona, gny nanolosy gny sorony. 37 Gny sorony dra finga volafosy milaza sekeky 130 vo finga gobo milaza sekely fitopolo, araky gny sandany lazany sekely toera masy. Samy feno lafariny soa lisa miharo menaky ho fagnatisy hohany reo raha reo. 38 Nagnome finga volamena milaza sekely folo, feno litin-kazo magnisy avo ko izy. 39 Nagnome vantonagn'ombilahy raiky , agn'ondry raiky, dra zanakagn'ondrilahy heritao ho fagnatisy dora izy. 40 Nagnome osilahy raiky ho fagnatisy noho ota izy. 41 Nagnome agn'ondry dimy, osilahy dimy , dra zanakagn'ondry lahy zay heritao, ho soro ho agny fagnati-pihavana izy. Zay gny soron'i Selomiela zanak'i Zorisaday. 43 Gny sorony dra finga volafosy raiky milaza sekely 130 vo finga gobo raiky milaza sekely fitopolo, araky gny sandany lazany sekeliny toera masy. Samy feno lafariny soa lisa miharo menaky ho fagnatisy hohany reo raha reo. 44 Nagnome finga volamena raiky milaza sekely folo, feno litin-kazo magnisy avo koa izy. 45 Nagnome vantonagn'ombilahy raiky, agn'ondry raiky, dra zanakagn'ondry lahy heritao ho fagnatisy dora izy. 46 Nagnome osilahy raiky fagnatisy noho gny ota izy. 47 Nagnome agn'omby ro, agn'ondry dimy , osilahy dimy, dra zanakagn'ondry lahy ze heritao, ho soro ho agny fagnati-pihavana izy.zay gny agny fagnati-pihavana izy. Zay gni soron'i Eliasafa zanak'i doela. 48 tamy andro fahafito, Elisama zanak'i Amihoda, mpitariky gny taranak'i Efraima, gny nanolosy gny sorony. 49 Gny sorony dra finga volafosy sekely milaza 130 vo finga gobo raiky milaza sekely fitopolo, araky gny sandany lazany sekeliny toera masy. Samy feno lafariny soa lisa miharo menaky ho fagnatisy hohany reo raha reo. 50 Nagnome finga volamena milaza sekely folo, feno litin-kazo magnisy avo koa izy. 51 Nagnome vantonagn'ombilahy raiky, agn'ondry raiky, dra zanakagn'ondry lahy heritao ho fagnatisy dora izy. 52 Nagnome osilahy raiky ho fagnatisy noho gny ota izy. 53 Nagnome agn'omby ro. agn'ondry ro, agn'ondry dimy, osilahy dimy, dra zanakagn'ondry lahy ze heritao, ho soro ho agny fagnati-pihavana izy. Zay gny soron'i Elisama zanak'i Amihoda. 54 Tamy andro fahavalo, Gamaliela zanak'i Pedazora, mpitariky gny taranak'i Manase, gny nanolosy gny sorony. 55 Gny sorony dra finga volafosy milaza sekely 130 vo finga gobo milaza sekely telopolo araky gny sandany lazany sekeliny toera masy. Smy feno lafariny soa lisa miharo menaky ho fagnatisy hohany reo raha reo. 56 Nagnome finga volamena milaza sekely folo, feno litin-kazo magnisy avo koa izy. 57 Nagnome vantonagn'ombilahy raiky, agn'ondry raiky, dra zanakagn'ondry lahy heritao ho fagnatisy dora izy. 58 Nagnome osilahy raiky ho fagnatisy noho gny ota izy. 59 Nagnome agn'omby ro, agn'ondry dimy, osilahy dimy , dra zanakagn'ondry lahy ze heritao, ho soro ho agny fagnati-pihavana izy. Zay gny soron'i Gamaliela zanak'i Pedazora. 60 Tamy andro fahasivy, Abidana zanak'i Gideony , mpitariky gny taranak'i Benjamina, gny nanolosy gny sorony. 61 Gny sorony dra finga volafosy milaza sekely 130 vo finga gobo milaza sekely fitopolo, araky gny sandany lazany sekeliny gny toera masy. Samy feno lafariny soa lisa miharo menaky ho fagnatisy hohany reo raha reo. 62 Nagnome finga volamena milaza sekely folo, feno litin-kazo magnisy avo koa izy. 63 Nagnome vantonagn'ombilahy raiky, agn'ondry raiky, dra zanakagn'ondry lahy heritao ho fagnatisy dora izy. 64 Nagnome osilahy raiky ho fagnatisy noho gny ota izy . 65 Nagnome agn'ombilahy ro . agn'ondry dimy, osilahy dimy, dra zanakagn'ondry lahy ze heritao,ho soro ho sgny fagnati-pihavana izy. Zay gny soron'i Abidana zanak'i Gideony. 66 Tamy andro fahafolo, Ahiezera zanak'i amisaday, mpitariky gny taranak'i Dana, gny nanolosy gny sorony . 67 Gny sorony dra finga volafosy milaza sekely 130 vo finga gobo milaza sekely fitopolo, araky gny sandany lazany sekeliny toera masy. Samy feno lafariny soa lisa miharo menaky ho fagnatisy hohany reo raha reo. 68 Nagnome finga volamena milaza sekely folo, feno litin-kazo magnisy avo koa izy. 69 Nagnome vantonagn'ombilahy raiky, agn'ondry raiky, dra zanakagn'ondry lahy heritao ho fagnatisy dora izy. 70 Nagnome osilahy raiky ho fagnatisy noho gny ota izy. 71 Nagnome agn'omby ro, agn'andry dimy, osilahy dimy, dra zanakagn'ondry lahy ze heritao, ho soro ho agny fagnati-pihavana izy. Zay gny soron'i Ahiezera zanak'i amisaday. 72 Tamy andro faharaiky ambiny folo, Pagiela zanak'i Okranam mpitariky gny taranak'i asera, gny nanolosy gny sorony. 73 Gny sorony dra finga volafpsy milaza sekely 130 vo finga gobo milaza sekely fitopolo, araky gny sandany lazany sekeliny toera masy. Samy deno lafariny soa lisa miharo menaky ho fagnatisy hohany reo raha reo. 74 Nagnome finga volamena milaza sekely folo, feno litin-kazo magnisy avo koa izy. 75 nagnome vantonagn'ombilahy raiky , agn'ondry raiky, dra zanak'ondry lahy herotao ho fagnatisy doro izy. 76 Nagnome osilahy raiky ho fagnatisy noho gny ota izy. 77 Nagnome agn'omby ro, agn'ondry dimy , osilahy dimy , dra zanakagn'ondry lahy ze heritao, ho sorona ho agny fagnati-pihavana izy. Zay gny soro n'i Pagiela zanak'i Okrana. 78 Tamy andro faharo ambiny folo, Ahira zanak'i Enana, mpitariky gny taranak'i Naftaly, gny nanolosy gny sorony. 79 Gny sorony dra finga volafosy milaza sekely 130 vo finga gobo milaza sekely fitopolo, araky gny sandany lazany sekeliny toera masy. Samy feno lafariny soa lisa miharo menaky ho fagnatisy hohany reo raha reo. 80 Nagnome finga volamena milaza sekely folo, feno litin-kazo magnisy avo koa izy. 81 Nagnome vantonagn'ombilahy raiky, agn'ondry raiky, dra zanakagn'ondrilahy heritao ho fagnatisy dora izy. 82 Nagnome osilahy raiky ho fagnatisy noho gny ota izy. 83 Nagnome agn'omby ro, agn'ondry dimy, osilahy dimy, dra zanakagn'ondry lahy ze heritao, ho soro ho agny fagnati-pihavana izy. Zay gny soron'i ahira zanak'i Enana. 84 Natokan'ereo mpitariky gny Israely tamy andro nanosoran'i Mosesy gny alitara reo raha reo. Natokan'ereo gny finga volafosy ro ambiny folo, reo finga gobo ro ambiny folo, dra reo finga volamena ro ambiny folo. 85 Gny finga volafosy kirairaiky dra samy nitarazo sekely 130 aby dra finga gobo dra nilaza sekely fitopolo aby. Reo fanaky volafosy aby dra nitarazo sekely 2.400, araky gny sandany lazany sekeliny toera masy. 86 Gny kirairaiky amin'ereo finga volamena ro ambiny folo, feno litin-kazo magnisy, dra nitarazo sekely folo araky gny sandany lazany sekeliny toera masy.Gny finga volamena aby dra nitarazo sekely 120. 87 Natokan'ereo avo koa reo biby ho fagnatisy dora, dra agn'ombilahy ro ambiny folo, agn'ondry ro ambiny folo, dra zanakagn'ondry lahy heritao ro ambiny folo.Nomen'ereo gny fagnatisy hohany. Nagnome osilahy ro ambiny folo ho fagnatisy noho gny ota izy reo. 88 Nagnome agn'ombilahy efasy amby ropolo, agn'ondry enimpolo, dra zanakagn'ondry lahy heritao enipolo avy tamy biby fitezany izy reo, ho soro ho agny fagnati-pihavana. Zay dra ho agny fanokana gny alitara tafarany nanosorany anazy. 89 Raha nilisy tao amy tragno-lay fihaogna ba hiresaky tamin'i Yaveh i Mosersy, dra nahare feony nizaka taminazy izy. Nizaka taminazy aby teo agnabony saronam-pagnavota teo amy fiarany vavolombelo, avy teo agnelagnelany kerobina faharo Yaveh. Niresaky taminazy Izy.