Toko faha 6

1 Yaveh nizaka tamin'i Mosesy. Ho Izy ho: 2 ''Mizaka amy vahoakan'i Israely. Zakao amin'ereo ho:'Raha mizy lelahy na ampela mitokan-tena ho agn'i Yaveh amy voady manoka ny Nazirita, 3 dra ao hifaly divay na raha-pinomy mahery izy. Ao sy hino vanaingitra natao taminigny divay na tamy raha-nomy mahery izy. Ao sy hino ranom-boloboky izy na hihina voloboly soa na voaloboky maiky. 4 Amy andro aby ze hitokanany ho anahy, dra ao sy hihina na ino na ino ze vita amy voloboky izy, agnisan'izay gny raha aby vita hatraminigny tegnany ka hatramy gny holiny. 5 Mandrisy gny fotoa voadim-pitokanany aby, dra sy hisy hareza hampiasa amy lohany mandra-pahatapisy gny androny fitokanany ho agn'i Yaveh. Ao hatoka ho an'i Yaveh izy. Ao hamela gny volony hihalava amy lohany izy. 6 Mandrisy gny fotoa aby ze hitokanany ho an'i Yaveh, dra ao sy haneky faty izy . 7 ao sy handoto gny vatany izy egny fa na dra ho agny rany, reniny, rahalahiny, na anabaviny aza, raha maty reo. Zay dra satria fa nitoka ho an'Agnahary izy, zay hitany gny olo amy halavany gny volony. 8 Mandrisy gny fotoany fitokanany aby dra masy izy , voatoka ho an'i Yaveh. 9 Raha misy olo maty tapoky eo agnilany dra mandoto gny lohany voamasy, dra aoka hanarasy gny lohany izy amigny andron'ny fagnadiova anazy __amigny andro fahafito vo sy mahisy hagnaratany izany. 10 Amy andro fahavalo dra ao handay voromailala ro na zana-boromailala ro ho agny mpisoro eo amy filira manggnao amy tragno-lay fihaogna izy. 11 Ao hanolosy voro raiky ho fagnatisy noho gny ota dra raiky hafa ho fagnatisy dora gny mpisoto. Reo dra hanonisy anazy satria nanota taminigny laha-teo mariny gny maty anazy izy. Ao hagnamasy gny lohany draiky izy aminizay andro zay. 12 Ao hanoka-tena ho an'i Yaveh mandrisy gny androny fagnamasina anazy izy. Ao hinday zanakagn'ondry lahy heritao ho fagntisy noho gny helony izy. Gny andro nialoha gny nandotoany gny vatany dra ao sy hisay , satria nolotony gny fahamasinany. 13 Izay gny lalana momba gny Nazirita aby feno gny fotoan'ny fitokanany. Aoka ho andesinao amigny tragno-lay fihogna izay. 14 Aoka hanolosy gny fagnatisy ho an'i Yaveh izy. Aoka hanolosy zanak'gnodry lahy heritaona sady sy misy kilema ho fagnatisy dorana izy. Aoka hanolosy zanak'agnodry vavy heritaona sady dy midy kilema ho fagnatisy ho fagnatisy noho gny ota izy. Aoka hinday agnondry lahy izay sy misy kilema ho fagnati-pihavana izy. 15 Aoka hiday mofo sy misy lalivay eran'ny harona, mofo vita amigny kobam-bary soa toto moharo menaky, mofo matify si misy lalivay nasoboky ao amigny menaky,midray amigny fagnatisy hohany vo fagnatisy nomy avo koa izy. 16 Ao hanolosy reo eo anatrehan'i Yaveh gny mpisro. Ao hanolosy gny fagnatisy noho gny otany vo gny fagnatisy dorany izy. 17 Miaraky amy mofo sy misy masirasira erany harona, gny ao hanolorany gny agn'ondrilahy ho sorona, dra gny fanati-pihavana ho an'i Yaveh. Ao hanolosy gny fagnatisy hohany vo gny fagnatisy nomy avo koa gny mpisoro. 18 Ao hanarasy gny lohany gny Nazirita ho fanehoa gny fitokanany ho an'Agnahary eo amy filirana mangnao amy tragno-lay fihaona. ao hangalaky gny volo ao an-dohany izy ka handefa anizay ao agnatiny afo ze ao ambaniny soro ho fagnati-pihavana. 19 Ao hangalaky gny soroky gny agn'andrilahy mangotraky, sila-mofo sy misy lalivay ao amy harona, dra mofo manify sy misy lalivay raiky gny mpisoro. Ao hametraky reo eo an-tagnany Nazirita izy raha avy nanarasy gny lohany hanehoa gny fitokanany izy. 20 Gny mpisoro dra ao hanevaheva reo ho fagnatisy eo anatrehan'i Yaveh, azara masy gny mpisoro, misrsky amy tratra ze nahevaheva vo gny fe ze natolosy ho gny mpisoro. Tafarnizay, dra afaky mino divay gny Nazirita. 21 Zay gny lalana ho agny Nazirita ze mivoady hinday gny fagnatiny ho an'i Yaveh ho agny fitokanany. Na ino na ino mety omeny, dra ao hitandry reo adidiny voady nataony izy, ba hita gny fampanatena zakany lalana ho agny Nazirita.'''' 22 Nizaka tamin'i Mosesy draiky Yaveh. Ho Izy: 23 ''Mizaka amin'i Arona vo reo zanadahiny. zakao ho:'Sofindrareo rano amin'izao fomba zao gny vahoakan'i Israely. Zakaonao amin'ereo ho: 24 ''Hitahy anao vo hiaro anao seky Yaveh. 25 Hampamirapirasy gny vatany aminao vo hamindra fo aminao anie Yaveh. 26 Hagnety anao amim-pankasitraha vo hagnome fiadana anao anie Yaveh.''' 27 Aminizay fomba zay gny sy maisy hametrahan'ereo gny agnarako eo amy vahoakan'Israely. Dra hitahy anazy reo Zaho.''