Toko fah 4

1 Niresaky tamin'i Mosesy vo i Arona i Yaveh. Ho Izy ho: 2 ''Manova fagnisaha an'ereo lelahy gny taranak'i Kehata eo amin'ereo Levita, araky gny fokon'ereo vo gny razambeny ankohonan'ereo. 3 Ihao reo lelahy aby ze telopolo hatraminigny dimampolo tao. Reo lelahy reo dra sy maisy magnatevin-dahara gny antoko ba hanompo ao amy tragno-lay fihaigna. 4 Reo taranak'i Kehata dra sy maisy mikarakara reo raha masy indrindra nataka ho anahy ao amy trano-lay fihaogna. 5 Raha mioma hifindra toera gny toby , dra sy maisy milisy ao amy lay i Arona vo reo zanadahiny, mampizoso gny lamba fanakona ze magnsaraky gny toera masina dra manafosy gny fiarany gny vavolombelo miaraky aminizay. 6 Sy maisy mafosy gny fiara amy holi-takasy izy reo. Sy maisy mamelasy lamba manga eo ambon'ereo. Sy maisy apetany reo bao ba hilazana anizay. 7 Sy maisy mamelasy lamba manga eo agnabonigny latabasy gny mofony fanatreha izy reo. Izy reo dra sy maisy mametraky reo finga, reo sotro, reo finga boribory, dra siny fandrahana eo agnabony zay. Sy maisy misy mofo avo eo agnabony gny latabasy. 8 Sy maisy sarognan'ereo amy lamba jaky vo amy holi-takasy reo. Sy maisy apetrak'ereo ba hilaza gny latabasy. 9 Sy maisy mangalaky lamba manga izy reo dra manaro gny fipetrara-ziro, miaraky amy fanilo, reo hety , reo fipetraran-daveniky, dra reo fipetran=dililo aby ho an'ereo fanilo. 10 Sy maisy apetrak'ereo ao agnatiny fanarona vita amy holi-takasy gny fanova-jiro vo reo fitaova aby miaraky aminizay, dra sy maisy apetrak'ereo eo agnabony gny rafisy fitarazoa anizay. 11 Sy maisy mamelasy lamba manga eo agnabonigny alitara volame izy reo. Sy maisy manaoro ze amy fanarona vita amy holi-takasy izy reo, dra avy eo mametaky reo bao fitarazoa. 12 Sy maisy mangalaky reo fitaova hiasa aby agny amy toera masy izy reo mamono ze ao agnatiny lamba manga. Sy maisy manafosy lamba manga. Sy maisy manafosy ze amy holi-takasy izy reo dra mametraky reo fitavam-piasa eo any rafisy filaza. 13 Sy maisy magnalaky reo laveniky amy alitara izy reo dra mamelasy lamba voloparasy eo aminigny alitara. 14 Sy maisy apetrak'ereo gny rafisy fizala reo fitovam-piasa aby ze ampiasan'ereo amy asany alitara. Reo fitaova reo dra gny fandesa afo, fizaisy, lapelina, finga famafaza, dra reo fitava-piasa hafa aby ho agny alitara. Sy maisy manaro gny alitara amy holi-takasy izy reo avy eo mametraky reo fizala. No fa avy nanaro vatany gny toera masy vo reo fitavam-piasa aby niaraky taminigny i Arona vo reo zanadahiny, dra raha mifindra toera gny toby, dra sy maisy magnato ba hilaza gny toera masy reo taranak'i Kehata. Raha mikasiky reo fitva masy izy reo, dra sy maisy maty. Zao gny asan'ereo taranak'i kehata, dra gny milaza reo fanaky ao amy tragno-lay fihaogna. 16 Eleazara zanadahin'i Arona mpisoro gny manara-maso gny fikarakara gny soliky ho agny fanilo, gny litin-kazo magnisy , gny fagnatisy tegnany mahazasy, dra gny dililo fagnosora. Magnara-maso gny fikarakara gny tabernakely manotolo vo ze ao agnatinizay izy , dra gny toera masy vo reo fitavam-piasa aby miaraky aminizay.'' 17 Niresaky tamin'i Mosesy vo Arona i Yaveh. Ho izy ho: 18 ''Ka anga ho alany eo amin'ereo Levita gny fokony fianakaviambrny Kehatita. 19 Arovy izy reo , ba ho velo fa sy ho maty, amy alalany fanova anizao. Raha magnato reo raha masy indrindra izy reo 20 dra sy tokony hilisy ba hagnety gny toera masy na dra fotoa masaky aza, so ho maty izy reo. Arona vo reo zanadahiny gny sy maisy milisy ao , dra avy eo Arpna vo reo zanadahiny dra sy maisy manendry gny kirairaiky amin'ereo Kehatita amy asany aby, amy andraikiny manoka.'' 21 Niresaky tamin'i Mosesy draiky i Yaveh. Ho Izy ho: 22 ''Manova avo koa fagnisaha an'ereo taranak'i Gersona, araky gny ankohonany razamben'ereo, araky gny fokon'ereo. 23 Isao reo ze telopolo hatraminigny dimapolo tao. Isao aby ze hagnatevin-dahara gny antoko ba hanompo ao amy tragno-lay fihangna. 24 Zao gny asan'ereo fokony Gersonita, raha manompo izy reo dra minday enta. 25 Sy maisy minday reo lamba fanakona gny tabernakely, gny tragno-lay fihaogna, gny fanarona anizay, gny fanarona vita amy holi-takasy ze ao aminizay, dra reo lamba fanakona izy reo. 26 sy maisy minday reo lamba fanakona gny fisara izy reo, gny lamba fanakona gny fisarana izy reo, gny lamba fanakona gny gny vavahadiny fisara, ze mariny eo tabernakely vo mariny eo amy alitara, gny talin'ereo, dra reo fitova aby ho agny fanompon'ereo. Zay aby tokony ho vita amin'ereo raha reo, dra sy maisy ataon'ereo. 27 Arona vo gny zanadahiny dra sy maisy manoro reo asany taranak'ereo Gersonita aby, aminizay aby andesin'ereo, dra amy fanompoan'ereo aby. Sy maisy tandremondrareo amy andraikiny aby izy. 28 Zay gny fanompoan'ereo fokon'ereo taranaky gny Gersonita ho agny trano-lay fihaogna. Itamara zanadahin'i Arona mpisoro dra sy maisy mitariky anazy reo amy fanompoany. 29 Sy maisy magnisa reo taranak'i Merary araky gny fokon'ereo iandrareo, dra mandahasy anazy reo araky gny ankohonagny razamben'ereo, 30 manomboly amy telopolo tao gny ho mihoasy ka hatraminigny dimapolo tao. Isao aby reo ze handeha hagnatevin-dahara gny antoko vo hanompo ao amy tragno-lay fihaogna. 31 Zao gny andraikisin'ereo vo gny asan'ereo amy fanompon'ereo aby ho agny tragno-lay fihaogna. Sy maisy mikarakara gny entany tabernakaely, gny hilin'izay, reo andry , dra reo fagnoriky hisaky, 32 miaraky amin'ereo andriny fisara magnodidy gny tabernakely, gny faladian'ereo amin'ereo, reo sotokany , dra reo taliny, miaraky amin'ereo fitovany aby izy reo. Soraty araky gny agnara reo fanaky ze sy maisy andesin'ereo. 33 Zao gny asan'ereo fokony taranak'i Marary, zer ataon'ereoho agny tragno-lay fihaogna, eo ambany fitarihan'Iramara zanadahin'i Arona mpisoro.'' 34 Mosesy vo Arona dra reo mpitariky gny fivondrona gny nagnisa reo taranak'i Kehatita araky gny fokony razamben'ereo. 35 Niahin'ereo manomboky amy telopolo ka hatramy dimapolo tao izy reo. Nagnisa aby ze hagnatevin-dahara gny antoko ba hanompo ao amy tragno-lay fihaogna izy reo. 36 Olo 2. 750 gny voaisan'ereo araky gny fokony. 37 Mosesy vo i Arona dra nagnisa reo olo aby tao amin'ereo foko vo reo fianakavian'ereo Kehatita ze manompolo ao amy tragno-lay fihaogna. Taminigny fanova anizay, dra nitiany ze nodidin'i Yaveh ho ataon'ereo taminigny alalan'i Mosesy izy reo. 38 Reo taranak'i Gersona dra nisay tao aminigny fokon'ereo, araky gny ankohona gny fianakavian'ereo, 39 manombokyu amy telopolo ka hatraminigny dimapolo tao, ze hilisy ao amy antoko ba hanompo ao amy tragno-lay fihaogna. 40 Gny olo aby , dra nisay araky gny fokon'ereo vo gny ankohonany razamben'ereo avy, 2. 630 isa. 41 Mosesy vo Arona dra nagnisa reo fokony taranak'i Gersona ze hanompo ao amy tragno-lay fihaogna. Taminigny fanova anizay, dra nitiany ze nodidin'i Yaveh ho ataon'ereo amy talalan'i Mosesy izy reo. 42 REo taranak'i Merary dra nisay tao amy fojkon'ereo araky gny ankohognny razamben'ereo, 43 manomboky amy telopolo ka hatramy dimapolo tao, ze hilisy ao amy antoko ba hanompo ao amy tragno-lay fihaogna. 44 Gny olo aby, dra nisay araky gny fokon'ereo vo gny ankohonagny razamben'ereo aby, 3.200 isa. 45 Niahy reo olo aby reo i Arona vo Mosesy , dra reo taranak'i Merary. Taminigny fanova anizay, dra nitiany ze nodidin'i8 Yaveh ho ataon'ereo taminigny alalan'i Mosesy izy reo. 46 Koa naihy reo LEvita aby araky gny fokon'ereo tao amy fianakaviany razambeny 47 nanomboky tamy telopolo ka hatraminigny dimampolo tao i Mosesy , Arona, dra reo mpitarik Israely. Niahin'ereo aby ze hiasa ao amy tabernakely, vo ze hinday dra hikarakara reo fanaky ao amy tragno-lay fihaogna. 48 Olo 8.580 gny voaisan'ereo. 49 Araky gny didin'i Yaveh, dra nagnisa gny olo kirairaiky i Mosesy , araky gny karazagbn'asa ze nanendrea anazy by. Niahy gny olo kirairaiky araky gny karazan'andraikisy nosahay aby ziy. Taminigny fanova anizay, dra nitiany ze nodidin'i Yaveh ho ataon'ereo taminigny alalan'i Mosesy izy reo.