Toko faha 3

1 Azy izao gny tataran'ny taranak'i Arona vo Mosesy gnifa nizaka tamin'i Mosesy tagny amigny tendrimbohitra Sinay i Yaveh. 2 Gny agnaran'ereo zanaky lahin'i Arona dra i Nadaba lahimatoa, vo Abiho Eleazara, ary Itamara. 3 Ereo gny gnagnaran'erero zanaky lahiny Arona, ereo mpisoro ze voahososy sy voatoka hanopo ho hopisoro. 4 Fa Nadaba sy abiho koa lova maty teo agnatrehan'i Yaveh aby nagnome anazy afo sy azo eke tagny amy efis'i Sanay izy ereo. Sy nanagnanaky i Nadaba sy Abiho, dra Eleazara sy Itamara zay gny nanompo ho mpisoro niaraky tamin'i Arona baban'ereo. 5 Nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh. hoizy: 6 ''Ento gny fokon'i Levy dra ampisehoy amin'i Arona mpisoro izihoky ba hagnampy anazy. 7 Aoka hanao ereo adidy amy azaran'i Arona sy gny fivodranany izy aby eo anoloan'ny tragno fihogna ereo. Aoka ereo hanopo ao aminy tebernakely. 8 Aoka hikarakara ereo fanaky aby ao amy tragno fihogna ereo hoky, dra hagnapy ereo fokon'Israely hagnatateraky gny asa fanopoa gny tambernakily. 9 Aoka hagnome an'i Arona sy ereo zana-dahiny ereo Levita. Ame aby ereo ba hagnampy anazy hanopo gny vahoakin'Israely. 10 Sy maisy tendrenao ho mpisoro i Arona sy ereo zana-dahiny, fa zay olo hafa firenena avy marikisy dra sy maisy vono ho maty. 11 Nizaka tamin'i Mosesy i Yaveh. Hoizy ho: 12 ''Indro, fa nangalaky ereo Levita avy tamin'ereo vahoak'i Israely zaho. izy gny nataoko raha tokony nangalaky gny lelahibe kirakiraiky ze teraky tamy vahoak'i Israely. Anahy ereo Levita. 13 Anahy gny voloha-teraky aby. Tamy andro namelezako gny lelahibe abigny tagny amy tany Egypta, gny nanokanako hognanahy gny volohaterak'Israely aby, na gny vahoaky na gny biby fiteza. Anahy io. Zaho gny Yaveh.'' 14 Nizaka tamin'i Mosesy tagny agn'efis'i Sinay i Yaveh. Hoizy ho: 15''Isaho isaky gny ankohona gny taranak'i Levy, isaky gny ankohonany razamben'ereo. Isaho gny lelahy aby ze babany volana gny ho niakasy.'' 16Nanisa an'ereo i Mosesy, araky gny tenin'i Yaveh, araka gny nandidiany anazy ho atao. 17 Gny agnaran'ereo zana-dahin'i Levy dra Gersona, Kohata, dra Mirary. 18 Gny fianakaviam-be avy amin'ereo zana-dahin'i Gersona dra Libny sy Simey. 19 Gny fianakaviam-be avy amin'ereo zana-dahin'i Kohata dra Amrama, Zara, Hebrona, dra Oziela. 20 Gny fianakavim-be avy amin'ereo zana-dahin' Merary dra Maly sy Mosy. Ereo gny fianakaviam-ben'ereo Levita, zay nalahasy araky gny fianakaviany avy. 21 Ereo fianakaviam-ben'ereo Libnita sy ereo Simeita dra avy amin'i Gersana. ereo avy gny fianakaviam-ben'ereo Gersonita. 22 Gny lelahy aby manomboky vola raiky gny miakasy dra nandiniky, miisaky 7.500. 23 Gny fianakaviam-ben'ereo Gersonita dra hitoby eo amy gny andrefany tambernakely. 24 Eliafasa zanak'i lahin'i Laela gny sy maisy hitariky ireo fianakavyam-ben'ny taranaky gny Gersonita. 25 Gny fianakavian'i Hersona dra sy maisy midray gny tragno-lay fihogna dra ao agnatin'izay gny tabernakely. Hikarakara gny tragno-lay izy ireo, gny firakony, vo ireo lamba apiasa amigny filira ao amigny tragno-lay fohogna. 26 Sy maisy mikarakara gny lamba-kiaza izy ireo, gny lamba eo amigny fidiran'ny kiaza__gny kiaza vo gny alitara. Aoka hikarakara ireo talin'ny tragno-lay fihogna vo izay aby ao aminy izy ireo. 27 Avy amin'i Kohata ireo fianakaviam-be ireo: fianakavian'ny Amramita, gny fianakavian'ny Izarita, gny fianakavian'ny Hebdronita, dra gny fianakavian'ny Ozielita. 28 An'ireo Kohatita ireo fianakaviam-be ireo. 8. 600 lahy volaniraiky gny ho miakasy gny fa voaisaky ba hikarakara ireo fanagnan'i Yaveh. 29 Ireo fianakavian'ny taranak'i Kohata dra sy maisy mitoboky magnasimon'ny tabernakely. 30 Elifaza zanaky lahin'i Oziela gny sy maisy hitariky gny fianakaviam-ben'ireo Kohatita. 31 Izy ireo gny sy maisy mikarakara gny fiara, gny latabasy, gny fitoboha-ziro, ireo alitara, ireo zava-masina izay apiasa amigny fanopoana, gny lamba, dra izay asa aby mahakasiky izay. 32 Eleazara zanaky lahin'i Arona pisoro gny sy maisy hitariky ireo lelahy izay mitariky ireo Levita. Tokony hagnara-maso ireo lelahy izay mikarakara gny fitoerana masina izy. 33 Fianakaviam-be ro gny avy amin'i Merary: Gny fianakavian'ny Malita vo gny fianakavian'ny Mosita. Ireo fianakaviam-be ireo dra avy amin'i Merary. 34 6. 200 lahy raky volana gny ho miakasy gny fa voaisaky. 35 Zoriela zanaky lahin'i Abihaila gny sy maisy hitariky ireo fianakaviamben'i Merary. Sy maisy mitoboky magnavarasy gny tabernakely izy ireo. 36 Gny taranak'i Merary dra tokony hikarakara gny rafisy gny tabernakely, ireo barany, sanganana, faladiany, gny fitova aby, vo izay aby mahakasiky ireo, ao agnatin'izay. 37 Ireo andry vo sanganan'ny kiaza izay mihodidy gny tabernakely, midray amigny faladian'ireo, fihatogna-raha, vo taly. 38 Mosesy vo Arona dra ireo zanaky lahin'i ireo dra sy maisy hitoboky magnasignanan'ny tabernakely, eo alohan'ny tragno-lay fihogna, tadrifin'ny fiposahan'ny masoandro. Izy ireo gny tompon'andraikisy ho an'ny fagnataterahana ireo adidy amigny fitoerana masina vo ireo adidy amigny vahoakin'Israely. Na iza na iza olo hafa firenena magnato gny fitoera masina dra sy maisy ho maty. 39 Mosesy vo Arona nagnisaky gny lelahy aby tamigny fianakaviam-ben'i Levy izay volaniraiky gny ho miakasy, araky izay nadidian'i Yaveh. Niisaky ro arivo vo roaly izy ireo. Hoy Yaveh tamin'i Mosesy: ''Isaho gny voloha-teraky gny vahoakin'Israely aby izay raiky volana gny ho miakasy. Alao gny agnaran'izay ireo. 41 Aoka halanao hon'ahy ireo Levita___Izaho Yaveh___ho solon'ny voloha-teraky gny vahoakin'Israely, vo gny biby fiopin'ireo Levita ho solon'ny voloha-teraky gny didy fiopin'ny taranakIsraely.'' 42 Mosesy nagnisaky gny voloha-teraky gny vahoakin'Israely aby araky izay fa nandidian'i Yaveh anazy hatao. 43 Nagnisaky gny lahimatoa aby araky gny agnara izy volaniraiky gny ho miakasy. Nahavoaisaky 22.273 lahy izy. 44 Nizaka tamin'i Mosesy draiky i Yaveh. Hoy izy ho: 45 ''Alao ireo Levita ho solon'ny voloha-teraky amigny vahoakin'Israely, dra alao gny biby fiopin'ny vahoaky. Anahy ireo Levita__Izaho gny Yaveh. 46 Magnoro Sekely dimy ho an'ny Fagnavota isan'olo amin'ireo voloha-teraky gny vahoakin'Israely izay mihoasy gny isan'ireo Levita. 47 Apesao araky gny fegnisy gny lazanao gny sekelin'ny fitoerana masina. Gera ropolo gny sekely. 48 Homenao an'i Arona vo ireo zanany lahy gny vili-pagnavota izay naloanao.'' 49 Dra nanangona gny vilin'ny fagnavota avy tamin'ireo izay nihoasy isaky tamin'ireo navotan'ireo Levita i Mosesy. 50 Nanangona gny vola avy tamin'ny viloha-teraky gny vahoakin'Israely i Mosesy. Nahavoavory sekely 1. 365 izy, nilaza tamin'ny sekelin'ny fitoerana masina. 51 Mosesy nagnome gny gny vola-pagnavota ho an'i Arona vo ireo zanany lahy. Mosesy nanao izay nasain'ny zakan'i Yaveh nataony, araky izay fa nandidian'i yaveh anazy.