Toko faha 23

1 Dra Jesosy nizaka tamin'ereo vahoaky vo reo mpianany. 2 Ho Izy ho:''Reo mpanora-dalana vo fariseo dra mipetraky eo amy fipetranan'i Mosesy.' 3 Noho zay dre ino dre ino handidian'ereo andrareo ho atao,dra atovy avo dra mitandrema anazy rewo.Fa ka ala tahaky gny asan'ereo,satria ereo dra mizaka raha nefa laha teo sy manao anizay. 4 Egny ,fehezin'ereo gny eta-mavesasy ze sarosy andesy,dra laha teo dra apetrakin'ereo eo amy soroky gny olo.Fa sy hagnesiky gny rasa-tagna raiky avo gny vatan'ereo ba hinaday anazy reo. 5 Manao gny asany ereo aby ba ho hitan'olo.Fa ataon'ereo malalaky gny filakiterany,dra itarin'ereo gny moron'ankazony. 6 Tian'ereo gny toerany mana-kaza agny amy fanasa vo gny toera gny lahibe ao amy Synagoga, 7 vo gny fiarahaba miavaky egny an-tsena,dra ba ho tokavin'olo ho;'Raby'. 8 Fa andrareo sy azo tokovy hô:'Raby', fa raiky avo gny mpampianasindrareo,dra pirahalahy andrareo aby. 9 Dra ka mitoka gny olo etyho an-tany ho randrareo,fa raiky avo gny Randrareo,dra Izy dra agny an-dagnisy. 10 Andranreo ka mety tokavy ho:'Papianasy',fa raiky avo gny papianasindrareo,fra i Krsity. 11 Fa ze lahibe indrindra amindrareo gny ho panopondrareo. 12 Dre iza dre iza manandra-tegna dra ahetry (atao ambany) dre iza dre iza manolo-vata dra hasandrasy. 13 Fa loza hô andrareo ,ry mapora-dalana vo fariseo,pihasaravelasihy!Fa arindrindrareo amy olo gny fazaja gny lagnisy.Fa andrareo sy mapilisy gny vatandrareomdra sy hangandrareo reo ze mitalia hilisy. 14 [ Fanamariha:Gny atota-taratasy taloha dra sy ahita gny fehezateny hô:'Fa loza ho andrareo,ry panoran-dalana vo gny fariseo,pihasaravelasihy! Fa mandany gny tragnony pinday vata,dra manao vavaky lava andrareo.Noho zay dra hahazo fagnahia lahibe andrareo.'] 15 Loza ho andrareo,ry panoran-dalana vo fariseo,phasaravelahisy! Fa nandeha mitety gny ranomasy vo gny tany andrareo ba hapiova fo gny olo raiky,dra gny fa miova izy,dra ataondrareo gny zanaky gny helo agn'abo ro heny mihoasy noho andrareo izy. 16 Loza hô andrareo ,ry pitariky poaky,andrareo ze mizaka hô:'Dre iza dre iza miania amy fengona,dra sy misy dikany zay. Fa dre iza dre iza mianiana amy volamenany fengona,dra voafehy gny fiaignany izy.' 17 Andrareo ry poaky mola! Iza gny lahibe ,gny volamena sa gny fengona ze manao gny volamena masy? 18 Dre iza dre iza mianiana amy alitara,dra sy misy dikany zay.Fa dre iza dre iza agn'abonin'izay,dra voafehy gny fiaignany.' 19 Andrareo ry olo poaky! iza gny lahibe ,gny fagnatisy sa gny alitara ze manao gny fagnatisy ho masy? 20 Noho zay,ze miania amy alitara ,dra miania amin'izay vo amy raha eo agn'abony aby. 21 Gny raiky ze miania amy fengona,dra miania amin'izay vo amin'izay mony ao aminazy, 22 dra gny raiky ze miania amy lagnisy ,dra miania seza fiandrianan'Agnahary vo aminazy ze mipetraky eo agn'abonin'izay. 23 Loza hô andrareo,ry mpanora-dalana vo fariseo,pihasaravelasihy! Fa mandoa gny fahafolony solika vô gny aneta dra gny komina andrareo,fa andrareo dra sy nakato gny raharaha mavesa-daza igny amy lala-dra gny rariny vo gny famindram-po dra gny finoa.Fa reo gny tokony nataodrareo dra sy tokony nanganadrareo ho sy vita gny raiky hafa. 24 Andrareo ry pitariky poaky,andrareo ze maniva gny lagnisy nefa mitely rameva! 25 Laza hô andrareo,ry panora-dalana vo fariseo,pihasaravelasihy! Fa liovindrareo gny ao ambalikiny Kapoaky vo gny finga ,nefa gny ao agnatiny dra feno fisiririta vo gny fila. 26 Andrareo ry fariseo poaky!Liovy aloha gny ao agnatiny Kapoaky vo gny finga,ba ho lasa malio avo gny ao ambaliky. 27 Loza hô andrareo,ry panora-dalana vo fariseo,pihasaravelasihy! Fa andrareo dra tahaky gny lolo voalalosy fosy; ze soa ambaliky,fa gny ao agnatiny koa dra feno gny tolam-paty vo gny loto aby. 28 Manahaky anizay avo koa,etiho ambaliky drareo miboaky ho mary eo amy olo,nefa gny ao agnatindrareo dra feno fihasam-belasihy vo heloky. 29 Loza ho andrareo,ry panora-dalana vo fariseo,pihasaravelasihy! Fa magnory gny lolony paminany andrareo dra mampipozy gny lolon'olo-mary. 30 Ho andrareo hô:'Raha niay tamy androny razambesika isika,dra sy ho nandray azara niaraky tamin'ereo tamy fandasaha gny liony paminay isika'. 31 Noho zay dra misanga vavolombelo amy vatandrareo andrareo fa zanak'ereo ze namono gny paminany. 32 Andrareo avo koa dra nahafeno gny fahotan'ereo razambendrareo 33 Andrareo ry bibilava,andrareo ry taranaky gny menarana,nanao akory gny handosirandrareo gny fagnahia ho agny amy devoly? 34 Noho zay,indro,magniraky paminany vo olo-kendry dra panora-dalana ho andrareo Zaho.Gn'ilany amin'ereo dra ho vonondrareo; dra gn'ilany ho zerandrareo ao amy Synagogandrareo dra handroaky anazy hiala ao an-tana. 35 Gny vokasin'izay dra hahazo andrareo gny lio mary aby ze nalasaky teto an-tany,nanomboky tamy lion'i Zakaria zanak'i Barakia,ze nivonodrareo teo agnelagnelany fitoera masy vo gny Alitara. 36 Zakako mary amindrareo,fa gny raha dra ho avy amin'itoho taranaky itiho. 37 Ry Jerosalema,ry Jerosalema,anao ze mamono gny mpaminany vo mitora-bato ze irahy ho aminao! Ipiry Zaho gny magniry gny hamory gny zanakao miaraky,tahaky gny akoho vavy raiky mamory gny akoho kely ao ambany elany,nefa sy mety andrareo! 38 Indr,gny tragnondrareo gny nanga ho lao ho andrareo. 39 Fa zakako amindrareo,hatram'izao,sy hahita Anazy tokoa andrareo mandra-pizakandrareo hô:'Isaora seky ze laha tamy agnarany Topo.'''