Toko faha 14

1 Tamin'izay fotoa zay, Heroda pazaka nahare gny vaovao momba an'i Jesosy. 2 Ho izy tamin'ereo mpanompony ho:'' I Jaona mpanao batisa zay; nisanga tamy gny maty izy.Noho zay dra miasa ao aminazy reo hery reo.'' 3 Fa Heroda nanambosy an'i Jaona,namehy anazy ,dra nandefa anazy tagny an-tragno mezy noho i Herodiasy,valin'i Filipo rahalahiny. 4 Fa hoy Jaona taminazy ho:''Sy ara-dala ho anao gny mana anazy ho valinao.'' 5 Nagniry gny hamono anazy Heroda,saiky natahosy gny vahoaky izy,satria nirambesin'ereo manahaky gny mpaminany izy. 6 Fa gny avy gny andro nahaterahany'i Heroda,dra nasizaky teo agnevon'ereo vahiny nasany gny zanakapelan'i Herodiasy dra nahafinarisy an'i Heroda. 7 Ho setrin'izay,dra nampanatena taminigny fianiana izy gny hagnome ze hangatahiny dre ino dre ino. 8 Gny fa avy natorony reniny mariky,dra ho izy ho:''Omeo anahy eto, agn'abony ampondra, gny lohan'i Jaona mpanao Batisa.'' 9 Nalahelo fatrasy noho gny fangatahany gny pzaka,saiky noho gny voadiny vo noho reo nisakafo niaraky tanminazy aby,dra nagnome baiko izy fa tokony ho vita zay. 10 Nagniraky dra nanapaky gny lohan'i Jaona tao an-tragnomezy izy. 11 Laha teo nandesiny tamy finga gny lohany dra nomeny gny zazapela dra nandesiny teo aminy gny reniny zay. 12 Laha teo dra avy gny mpianany,nangalaky gny faty,dra nandevy anizay. Tafaran'izay,dra nandeha ereo dra nizaka tamin'i Jesosy. 13 Dra gny fa nahare anizay Jesoy,dra niala laha teo tamy zambokely raiky izy hagnagny amy toera mitoka raiky.Gny fa nahare anizay reo vahoaky,dra nagnaraky anazy an-tombony laha tagny amin'ereo tana-dehibe. 14 Laha teo Jesosy nagneo anoloan'ereo dra nahita gny vahoaky maro be.Niferignay anazy reo Izy dra nagnasitrany gny aretin'ereo. 15 Gny fa avy gny hariva,dra nagneo aminazy reo mpianasy dra nizaka ho: ''Itiho dra toera rava,dra fa tapisy sahady gny andro. Alefao gny vahoaky,ba hahafahan'ereo mandeha agny amin'ereo tana dra hivily hany ho ay vatan'ereo.'' 16 Fa Jesosy nizaka anazy reo ho:''Sy mila mandeha lavisy ereo.Omeondrareo raha hany ereo.'' 17 Hoy ereo taminazy ho:''Mofo dimy vo hazandrano ro avo hanagnanay eto.'' 18 Hoy Jesosy ho:''Andeso atiho aminahy zay.'' 19 Laha teo Jesosy nibaiko gny vahoaky ba hipetraky eo amy zeky (bozaky). Nalany gny mofo dimy vo hazandrano ro. Niandrandra tagny an-dagnisy,dra nisaotra Izy dra nanapaky gny mofo dra nomeny gny mpianany,dra mpianasy nagnome anizay ho an'ereo vahoaky. 20 Nihina avo koa izy aby dra visy.Laha teo dra navorin'ereo gny sisan'ereo poti-sakafo dra nahafeno dimy arivo lahy teo gny nihina,hafasy gny zaza amam-pela. 22 Avy dra nasainy nagnao amy sambokely dra handeha hialoha anazy ho egny ampita gny mpianany, raha bo nandefa gny vahoaky Izy. 23 Tafarany nandefasany gny vahoaky,dra nandeha niakasy tegny an-tendrombohisy raiky Izy ba hivavaky. Gny fa avy gny harivamdra izy raiky teo. 24 Dra gny sambo dra fa lasa lavisy gnytanety,nakopakopany oza.satria nitsoka nanohisy anazy gny rivosy. 25 Taminigny fiambena fahefasy gny hariva dra nagnato anazy reo Jesosy,nandeha tegny agn'abony ranomasy. 26 Gny fa nahita anazy nandeha tegny agn'abony ranomasy gny mpianasy,dra lasa natahosy dra nizaka ho:''Biby io,''dra nihiakiaky tami-tahosy ereo. 27 Fa Jesosy nizaka tamin'ereo avy hatrany ho: ''Mahereza! Izaho itiho! Ka matahosy.'' 28 Namaly Anazy Petera dra nanao ho:''Topo,raha anao io,dra zakao magnato anao egny agn'abonygny rano zaho.'' 29 Hoy Jesosy ho:''Magnato''dra niala laha tao amy sambokely Petera dra nandeha teo agn'abony rano ba hagnato an'i Jesosy. 30 Fa gny nahita gny sioky Petera,dra llasa natahosy. Raha igny izy nanomboky niletiky igny,dra nikoraky fatrasy izy sady nizaka ho:''Topo vozeo Zaho!'' 31 Avy hatrany Jesosy dra nanondrosy gny tagnany, nita an'i Petera,dra nizaka taminazy ho:''Ianao ry masaiky finoa,fa magnino anao gny misalasala?'' 32 Laha teo Jesesy vo i Petera nandeha nita gny sambokely,nizano nitsioky gny sioky. 33 Laha teo gny mpianasy tao agnaty sambokely nidera an'i Jesosy dra nizaka ho:''Anao mary gny Zanak'Agnahary.'' 34 Gny fa avy nisaky ereo,dra avy tegny an-tanety tao Genesareta. 35 Gny fa nahafatasy an'i Jesosy gny lelahy tao amin'izay toera zay,dra nandefa hafasy tegny amy farisy magnodidy iaby,dra nandesin'ereo teo aminazy ze olo narary aby. 36 Nandohaliky taminazy ereo ba hahafahan'ereo mikasiky gny sisin'akazony avo, dra maro gny nikasiky anizay dra sitrany.