Toko faha 1

1 Gny boky gny razan'i Jesosy kristy zanak'i Davida zanak'i Abrahama. 2 Abrahama gny ran'Isaka, dra Isaka gny ran'i Jakoba, dra Jakoba gny ran'i Joda vo reo rahalahiny. 3 Joda gny rain'i Fareza vo i Zara laha tamy Tamara, Fareza gny rain'i Herzona, dra Herzona gny rain'i Rama. 4 Raha gny ran'i Amidaba , dra Aminadaba gny ran'i Nasona, dra Nasona gny ran'i Salmona. Salmona gny ran'i Boaza tamy 5 Rahaba, Boaza gny ran'i Obeda tamigny Rota, Obeda gny ran'i Jese. 6 Dra Jese gny ran'i Davida panjaka, Davida gny ran'i Solomona tamy alalagny valiny Oria. 7 Solomona gny ran'i Rehoboama, Rehoboama gny ran'i Abia, dra Abia gny ran'i Asa. 8 Asa gny ran'i Jaosafata, dra Jaosafata gny ran'i Jorama, dra Jorama gny razan'i Ozia. 9 Ozia gny ran'i Jotama, Jotama gny ran'i Ahaza, Ahaza gny ran'i Hezekia. 10 Hezekia gny ran'i Manase, manase gny ran'i Amona, dra Amona gny ran'i Josia. 11 Josia gny ran'i Jekonia vo reo rahalahiny tamy fotoa gny fandroaha ho agny Babylona. 12 Tafarany fandroaha ho agny Babylona, dra Jekonia gny ran'i Sealtiela, dra Sealtiela gny ran'i Zerobabela. 13 Zerobabela gny ran'i Abihoda, Abihoda gny ran'i Eliakima, dra Eliakima gny ran'i Azora. 14 Azora gny ran'i Zadoka, Zadoka gny ran'i Akima, dra Akima gny ran'i Elihoda. 15 Elihoda gny ran'i Eliazara, Eliazara gny ran'i Matana, dra Matana gny ran'i Jakoba. 16 Jakoba gny ran'i Josefa zay valin'i Maria, gny niteraky an'i Jesosy, zay nitokavy ho Kristy. 17 Gny taranaky aby manomboky amin'i Abrahama dra hatra amin'i Davida dra taranaky efasy amby folo, manomboky amin'i Davida dra hatra amy fandroaha ho agny Babylona dra taranaky efasy amby folo, dra manomboky amy fandroaha ho agny Babylona dra hatra amin'i Kristy dra taranaky efasy amby folo. 18 Manahaky anizao gny nisehoany fahaterahan'i Jesosy Kristy. Gny reniny, Maria, dra fa natokja hanambaly an'i Josefa, fa saiky taloha gny niarahan'ereo , dra hita fa nibevoka izy laha tamy fagnahy Masy. 19 Josefa, valiny, dra lelahy mary, sady sy te-hagnala baraka anazy ampihibemaso. Ka nanapa-kevisy izy gny hamara mangingiky gny fifanekeny taminazy. 20 Dra raha izy bo nieritseritsy mahakasiky reo raha reo igny, dra niseho taminazy tamy nofy gny azelign'i Topo, manao ho:''Josefa, zanadahin'i Davida, ka matahosy gny hangalaky an'i Maria ho valinao, satria gny ray ze notorotoro ao agnatiny dra gny Fagnahy Masy gny nampitoesy anazy. 21 Hiteraky zaza lahy izy, dra ianao hitoka gny agnarany ho Jesosy, fa izy gny hamozy gny olony hiala amy fahotan'ereo.'' 22 Izay iaby zay dra niseho ba hahatateraky ze nambarany Topo tamy alalagny mpaminany, manao ho: 23 ''Indro, gny viriziny ho bevoka ka hiteraky zanadahy, dra izy reo hitoka gny agnarany ho Imanoela'' zay midika ho: ''Amisika Zagnahary.'' 24 Nifoha tamy torimasony Josefa dra nanao arak'izay nandidiagny azeliny gny Topo anazy dra nangalaky anazy ho valiny. 25 Saiky sy niray taminazy izy mandram-piterany zazalahy. Dra nitokaviny ho Jesosy gny Agnarany.