Toko volohany 1

1 Maro gny niezaky nanorasy tatara mahakasiky gny raha-nisanga ze tateraky teto amisika, 2 araky ze fa nanoloran'ereo anazy tamisika, ze fa vavolombelo nanatri-maso vo mpanompon'gny tegny hatragny am-piandoha. 3 Dra aminahy avo koa dra mety-gny fa nanadihady soa gny fandehan'gny raha aby hatramin'gny volohany gny hanorasy tatisy araky gny filaharany ho anao,ry Teofilo mendriky indrindra. 4 Zay dra hahalalanao gny mary momba gny raha ze nampianary anao. 5 Tamin'gny andron'i Heroda, Mpazakan'gny Jodia, dra nisy raiky tamy mpisoro tokavy ho Zakaria, laha tamin'gny antokon'i Abia. Gny valiny dra laha tamin'gny zanakapelan'i Arona, dra gny agnarany dra Elizabeta. 6 Samy mary teo anatrehan'Agnahary ereo,dra nakato gny didy aby vô gny fisipiky gny Topo. 7 fa sy nana-zanaky seky ereo,satria momba Elizabeta, dra samy fa tena atisy avo koa izy rô reo tamin'izay fotoa zay. 8 Dra zay dra mahakasiky an'i Zakaria teo fanatrehan'Agnahary, nagnatateraky gny asan'gny fisorona araky gny fofandimbiasan'gny isan-tokony. 9 Araky gny fomba fanaon'ereo gny amy fisafiliana mpisoro ze tokony hanompo, dra voafilin'gny kodia masaiky hilisy hagnoro gny emboky magnisy ao am-fiangona gny Topo izy. 10 Tamin'gny lera nagnoroa gny emboky magnisy dra nivavaky tegny ambaliky gny vahoaky aby. 11 Dra nisy azely gny Topo niseho taminazy dra nisanga teo ankavanan'gny alitara nisy gny amboky magnisy. 12 Gny fa nahita anazy i Zakaria, dra natahosy vo heniky gny tahosy izy. 13 Fa hoy gny azely taminazy:''Ka matahosy , ry Zakaria, fa nitenoanao gny vavakao. Hitoe-zaza lahy aminao Elizabeta valinao. Jaona gny ataonadrareo agnarany. 14 Hanam-pifalia vo haravoa anao, dra maro koa gny ho faly amy fahaterahany. 15 Satria ho lahibe izy eo amason'gny Topo. Sy hino divay dre raha-pinomy mahary mihisy izy, dra ho feno gny Fanahy Masy hatragny an-tron-dreniny izy. 16 Maro amy vahoakin'Israely gny hitoliky amy Topo Zagnaharin'ereo. 17 Handeha eo alohan'gny tavan'gny Topo amy fanahy vo gny herin'Elia izy. Zay gny ataony dra gny ba hitolihan'gny fon'gny ray amin'gny zanaky, ba handehanan'ereo ze sy magneky amy lalan'gny fhendren'gny mary ba hagnoma vahoaky fa vonona ho an'gny Topo nohomany ho Anazy.'' 18 Dra Zakaria nizaka tamin'gny azely ho:''Nanao akory gny ahalalako anizay? Fa zaho fa anti-dahy dra gny valiko dra tena fa atisy.'' 19 Dra hoy gny azely namaly vo nizaka taminazy:'Izaho gny Gabriela, gny misanga eo anatrehan'Agnahary. Dra voairaky zaho ba hizaka aminao, hinday anizao vaovao soa zao aminao. 20 Koa indro! Ho moa anao, dra sy afaky hizaka, mandra-piavin'gny andro hisehoan'ereo raha reo. Satria sy nino gny zakako anao, zay ho tateraky amy fotoa voafarisy.'' 21 Dra gny vahoaky sasa-niamby an'i Zakaria. Gaga nohon'gny fizanognany maharisy tao anm-piangona ereo. 22 Fa gny niboaky izy , dra sy afaky niresaky tamin'ereo . Dra fatasin'ereo fa nahita fahita izy tamy tao am-piangona. Nanao baiko moana tamin'ereo izy dra nizano ho moana. 23 Dra gny fa avy gny andro ahataperan'gny fanompoany, dra lasa noly tagny an-tragnony izy. 24 Tafaran'ereo andro reo,dra nitoe-zaza Elizabeta dra nivony nandrisy gny dimy vola. Ho izy ho: 25 ''Zao gny nataon'gny Topo ho anahy gny fa nisizo anahy Izy ba hangalaky gny hegnasiko eo anatrehan'gny olo.'' 26 Teo amy faha enim-bola, dra nirahin'Agnahary gny azely Gabriela nagnagny amy tana raiky tao Galilia tokavy hô Nazareta, 27 ho agny amy veriziny raiky ze fofom-baliny lelahy tokavy hô Josefa. Agnisan'gny taranak'i Davida izy, dra gny agnaran'gny veriziny dra Maria. 28 Nagneo aminazy izy dra nizaka hô:''Arahaba , gny nohasoavina indrindra! Gny Topo ho ao aminao.'' 29 Fa tegna very hevisy tamin'gny zaka izy nagnotany vata hô karaza fiarahaba ino se zay. 30 Ho gny azely taminazy:''Ka matahosy, ry Maria, fa nahita sitraky tamin'Agnahary anao. 31 Indro, hitoe-zaza anao dra hiteraky zazalahy . Dra gny agnarany ho tokavy hô Jesosy.' 32 Ho lahibe Izy dra ho tokavy hô Zanaky gny Avo Indrindra. Gny Topo Zagnahary hagnome Anazy gny seza fiandrianan'i Davida razambeny. 33 Dra hazaka mandrakizay amy taranak'i Jakoba izy,dra sy hanam-pahatapera gny fakazany.'' 34 Hoy Maria tamin'gny azely :''Nanao akory gny hisehoan'izay ,fa bo sy niara-nandry tamy lelahy zaho?'' 35 Gny azely namaly vo nizaka taminazy hô:''Hirosaky aminao gny Fanahy Masy , dra gny herin'gny Avo indrindra gny ho avy aminao. Ka gny masy ho teraky dra ho tokavy hô Zanak'Agnahary. 36 Indro, Elizabeta havanao dra nitoe-zaza lahy avo koa dre dra tamy fahaterany avo. Fa faha enim-bola gny anazy zao, izy gny nitokavy hô momba. 37 Satria sy misy raha sy ho azo taterahy amin'Agnahary.'' 38 Ho i Maria:''Tihôky izaho gny mpanompovavin'gny Topo. ao ho tateraky aminahy zay araky gny hafasinao.'' Dra niala teo aminazy gny azely. 39 Dra tamin'izay andro zay i Maria dra niala dra nandeha malaky nagnagny amy tany abo, agny amy tanan'i Jodia. 40 Nangnangny amy tragnon'i Zakaria izy dra niarahaba an'i Elizabeta. 41 Dra nony gny nahare gny fiarahaban'i Maria i Elizabeta,dra nibitaky gny zaza tao an-trony, dra feno gny Fagnahy Masy Elizabeta. 42 Nampiakam-peo vo nizaka fatrasy izy ho:''Nosoavy noho gny ampela aby anao, dra nosoavy gny nateraky gny kibonao. 43 Nanao akory zay gny misy aminahy fa gny renin'gny Topoko gny avy hagnato anahy? 44 Fa ingo, gny fa avy teo asofiko gny fiarahabanao, dra nietan-kafalia gny zaza ato an-troko. 45 Sambasy izy ze nino fa ho tateraky reo raha ze nizakan'gny Topo taminazy.'' 46 Ho i maria: "midera gny tompo gny fagnahiko, 47 Vo gny fagnahiko nifaly tao amin' andriamanitra mpamoziko. 48 Fa nagnety gny fahanran' ny mpagnampiny apela Izy.Vo iho, manombokamizaho gny taranakiziaby nitoka anahy ho sambasy. 49 satria nanao raha lahibe taminahy i mahefa gny raha aby vo masina gny agnarany. 50 Fa maharisy ho agny taranaky faramandimby ze matahosy vo gny famindram-pony. 51 Nampiseho gny heriny tamigny sandriny izy; dra namparitaky ereo ze nirehareha tamigny eriseriny gny fon' ereo. 52 Naongany tamigny seza fiandrianany gny zzanaky lahin' ny mpazaka vo ereo ambany nakalazany. 53 Nataony visy rahasoa ereo resy, fa gny mpanakarena nampiheregniny sy nanagna ino na ino. 54 Nagnome fagnampia gnan'Israely mpagnampiny Izy, ba hahatriarovany haneho famindram-po 55 (araky gny nizakany tamindrareo rasika) tamign' i abrahama vo gny taranany mandrakizay.'' 56 Nizano nitoesy tao amin'i Elizabeta tokony ho telo vola i Maria dra avy eo nihery noly tagny an-tragnony. 57 Dra avy gny fotoa hiterahan'i Elizabeta izy. 58 Nahare gny famindram-po lahibe nataon'gny Topo taminazy gny mpiara-mony aminazy vo reo havany , dra niara-paly taminazy ereo. 59 Dra tamin'gny andro fahavalo dra avy hamora gny zaza ereo. Saiky ho tokan'ereo hô''Zakaria,'' araky gny agnaran-drany izy. 60 Fa gny reniny koa namaly dra nizaka hô:''aha. Jaona gny hitokava anazy.'' 61 Dra ho ereo taminazy: ''Sy misy amy havanao tokavy amin'izay agnara zay.'' 62 Nanao baiko moa tamy rany ereo gny amy tiany ho atao agnarany. 63 Nangataky solaisy fanorata gny rany dra nanorasy hô:''Jaona gny agnarany.'' Dra gaga tamin'izay aby izy. 64 Dra niaraky tamin'izay dra nisokaky gny vavany dra nala gny lelany. Nizaka izy dra nidera an'Agnahary. 65 avy teo amin'ereo aby nagnodidy anazy gny tahosy. Dra niely eraky gny tana agnevon'i Jodia gny raha-niseho teo aby. 66 Dra reo aby nahare gny dra mandray anio tao am-pony , dra nizaka ho:''Hazary ino itiho zaza itiho ity?''Fa momba anazy gny tagnan'gny Topo. 67 Dra feno gny Fanahy masin'i Zakaria rany dra naminany, dra nizaka ho: 68 ''Deray seky gny Topo, Zagnaharin'Israely, fa avy nagnapy vo nagnatateraky gny fagnafaha ho agny vahoaky Izy. 69 Nanandrasy agn'abo gny tandrom-pagnavota ho asika ao an-tragnon'i Davida mpanompony Izy, 70 tahaky ze nizakany tamy vavan'ereo mpaminany masy tamy andro taloha tagny. 71 Hinday famoze amy fahavalosika vo amy tagnan'ereo aby malaiky asika Izy. 72 Zay gny hataony dra gny ba hampisehoa gny famindram-po amin'ereo rasika vo hampasiahiva gny fanekem-pihavanany Masy, 73 dra gny fianiana nizakany tamin'i Abrahama rasika. 74 Niania gny hahazoasika , fa gny afaky tamy tagnan'gny fahavalosika, manompo Anazy sy ami-tahosy , 75 am-pahamasina vo am-pahamarigna eo anatrehany amy androsika aby. 76 Egny , dra anao , ry zaza, dra ho tokavy ho mpaminanign'abo Indrindra, fa handeha hialoha gny tavan'gny Topo anao dra hagnamboasy gny lalany, ba hagnoma dra olo gny amy fiaviany, 77 ba hagnome fahalalam-pamoze ho agny olony amy alalan'gny famela gny helok'ereo. 78 Zay gny hiseho dra nohon'gny famindram-po masin'gny Zagnaharisika, nohon'gny amin'izay gny hiposahan'gny masoandro baka amy avo ba ho avy hagnapy asika, 79 hagnazava an'ereo ze mipetraky ao agnatin'gny hezy vp reo ao agnatin'gny aloky gny fahafatesa. Hataony zay ba hitariha gny tombosika amy lalam-piadagna.'' 80 Dra gny zaza dra nitombo dra avy nahery amy fagnahy,dra tagny agn'efisy izy mandra-piavin'gny andro hisehoany ankarihary amin'Israely.