Toko 1

1 Tamigny volohany gny zaka, dra gny zaka tao amin'Agnahary, dra gny zaka dra Zagnahary. 2 Izay dra tao amin'Agnahary tamigny volohany. 3 Gny raha aby dra avy Aminyzay avokoa, dra gny sy Izy dra sy nisy na ino na ino. 4 Noho izy gny nisia-piegna, dra io fiegna io gny fahazavanigny olon'aby. Gny hazava dra mamirapirasy ao agnatinigny mezy, dra gny mezy sy nandresy anizay. 6 Nisy lelahy raiky nirahin'Agnahary, Jaona gny agnarany. 7 Avy izy ba ho vavolombelo hitalily gny mombanigny fahazava, ba hinoanigny olon'aby amigny alalany. 8 Sy Jaona gny fahazava, fakoa avy ba hitalily gny momba gny fahazava izy. 9 Gny fahazava mary, ze magnome hazava gny olon'aby, dra avy eto amizao totolo izao. 10 Teto amizao totolo izao Izy, dra izy gny naharia an'izao totolo izao, dra izao totolo izao sy nahay anazy. 11 Avy tagny amigny olony Izy, dra gny olo sy nitakasy anazy. 12 Fa reo maro nitakasy anazy, ze nino gny agnarany, dra nagnome fahefa ho lasa zanan'Agnahary. 13 Reo dra sy nateraky tamigny lio, na gny sitraponigny nofo, na gny sitraponigny olo, fa gny an'Agnahary. 14 Dra gny zaka lasa nofo dra nagnino teo amisika. Hitanay gny voninahiny, voninahisy manahaky gny raiky ze avy tamigny Ray, feno fahasoava vo fahamarigna. 15 Jaona nitalily gny momba anazy dra nihiaky fatrasy, manao anizahoky ho: "Izy raiky ze fa nizakako ho: 'Izy ze avy afarako dra lahibe noho izao, akory talohako Izy."' 16 Fa boaky amigny fahafenoany gny nandresasika aby fahasoava hagnapy fahasoava. 17 Fa gny lala dra name tamigny alalan'i Mosesy. Gny fahasoava vo gny fahamarigna dra avy tamigny alalan'i Jesosy Kristy. 18 Sy nisy nahita an'Agnahary na ombia na ombia. Fa gny Zagnahary raiky vo toka avo, izao eo atratranigny Ray, gny napahafatasy Anazy. 19 Dra izao fagnambaran'i Jaona gny fa nagniraky reo pisoro vo Levita boaky a Jerosalema agny hagneo aminazy reo Jiosy ba hagnotany anazy ho: "Iza moa hanao?" 20 Nizaka sotra izy, dra sy nanda, fa namaly ho: "Sy Kristy zaho." 21 Dra nagnotany anazy ereo ho: "Ino hanao za? Elia ra hanao io?" Nizaka izy ho gny paminahy?" Namaly izy ho: "Sy izy zaho." 22 Boak'eo reo nizaka taminazy ho: "Iza hanao, ba afahanay magnome vati-teny anireo ze nagniraky anay? Ino gny hozakandrareo mombanigny vatanao?" 23 hoy izy ho: "Izao gny feo, mitoka fatrasy gny agnefisy zaho: 'Atovy mahisy gny lalanigny Topo,' araky gny voazakan'Isaia paminany. 24 Dra nisy iraky ilany boaky amireo fariseho nalefa, 25 dra nagnotany anazy ereo dra nizaka taminazy ho: "Nagnino seky hanao manao batisa raha sy Kristy hanao gny sady sy Elia bo sy paminany koa?" 26 Dra i Jaona namaly anereo, manao anizahoky ho: "Manao batisa amigny rano zaho. Fa eo agnevondrareo eo dra misy olo raiky msanga sy haindrareo. 27 Izy gnyraiky ze avy boaky afarako, ze sy mendriky anahy gny hamaha gny fehi-kapany." 28 Reo raha aby reo dra natao ta Betania agny andafin'i Jordana, ze nanovan'i Jaona batisa. 29 Gny mairaindray Jaona nahita an'i Jesosy nagnato anazy dra nizaka ho: "Atio, ingo gny zanak'Agnondrin'Agnahary ze nangalaky gny fahotan'izao totolo izao! 30 Tihoky gny raiky nizakako ho: 'Gny raiky ze avy afarako dra lahibe noho izaho, akory talohako Izy,' 31 Dra izaho sy nahay anazy, fa ba ho voazaka amin'Israely izy gny nihaviako hanao batisa amigny rano." 32 Jaona nitalily, manao anizahoky ho: "Nahita gny Fagnahy nizoso boak'agny andagnisy manahaky gny voromailala zaho, dra nitoby teo agnaboniny zay. 33 Sy nahafatasy anazy zaho, fa izy ze nagniraky anahy hanao batisa amigny rano nizaka taminahy ho: 'Eo ambonize hitanao hizosoanigny Fagnahy vo hitobohany eo aminazy, izy gny raiky manao batisa amigny Fagnahy masy." 34 Sadynahita zaho gny nitalilia fa izy gny zanan'Agnahary." 35 Gny maraindray, ndraiky, raha nizoro niaraky tamigny to amireo pianany Jaona, 36 dra nahita an'i Jesosy nandeha ereo, dra hoy Jaona ho: "Atio, gny zanak'agnondrin'Agnahary!" 37 nahare anazy nizaka anizay reo piananay ro dra nagnaraky an'i Jesosy ereo. 38 Boak'eo Jesosy nitoliky dra nahita anereo nagnaraky anazy dra nizaka anereo ho: "Ino gny taliavindrareo?" Namaly reo ho: "Raby (ze midika ho papianasy), eza hanao gny mitoby?" 39 Namaly anereo izy ho: "Magnatogna dra atio." Dra nagnato ereo dra nahita gny toera ze nonegnany; nitoby niaraky taminazy tao ereo tamin'io andro io, fa tokony fa ho ora fahafolo tamizay. 40 Raiky tamireo pianasy ro nahare an'i Jaona nizaka dra nagnaraky an'i Jesosy boak'eo i Andrea, rahalahin'i Simona, Petera. 41 Nitalia an'i Simona rahalaniny aloha izy dra nizaka taminazy ho: "Hitanay gny Mesia" (Adika ho i Kristy) 42 Ninday anazy tagny amin'i Jesosy izy, dra nagnety anazy Jesosy dra nizaka ho: "Hanao dra Simona zanak'i Jaona, hanao dra hatao ho i Kefasy" (ze midika ho: i Petera). 43 Gny maraindray, raha te0hiala ho a Galilia agny Jesosy, dra nahita an'i Filipo Izy dra nizaka taminazy ho: "Magnaraha anahy." 44 Filipo dra boaky a Betsahida agny, tanan'i Andrea vo i Petera. 45 Nahita an'i Natanaela i Filipo dra nizaka taminazy ho: "Izy nisoratin'i Mosesy tao amigny lalana, vo reo paminany, hitanay izy, dra Jesosy zanak'i Josefa, boaky a Nazareta ao. 46 Natanaela nizaka taminazy ho: "Moa hisy raha soa boaky a Nazareta ao?" Filipo nizaka taminazy ho: "Magnatogna dra atio." 47 Jesosy nahita an'i Natanaela nagnato anazy dra nizaka reo mombamomba anazy ho: "Atio, zay gny tena isiraelita, ze sy misy fitaky ao aminazy!" 48 Natanaela nizaka taminazy ho: "Ino gny fahafatarandrareo anahy?" Jesosy namaly dra nizaka ho: "Talohanigny nitokavan'i Filipo anao, raha teo ambaninigny hazon'aviavy haano, dra hitako. 49 Natanaela namaly ho: "Raby, Hanao gny zanan'Agnahary! Hanao gny pazakan'Israely!" 50 Jesosy namaly dra nizaka taminazy ho: "Akory ra zaho nizaka taminao ho: 'Nahita anao teo ambaninigny hazon'Aviavy zaho,' gny hinoanao? Hahita raha soa mihoasy noho izay zaho." 51 Boak'eo Izy nizaka ho: "Zakako amindrareo, mary dra marina vatany, fa hahita gny lagnisy hisikaky handrareo, dra reo azelin'Agnahary hiakasy vo hizoso amboninigny zanak'olo."