Toko faha 2

1 Telo andro taty afara, dra nisy fangala valy tao Kana ao Galilia, dra teo gny renin'i Jesosy. 2 Jesosy vo reo pianany dra nasa tamigny fangala valy. 3 Gny fa lany gny divay, dra nizaka taminazy gny renin'i Jesosy ho: "Sy mana divay ereo." 4 Dra hoy Jesosy taminazy ho: "Rapela, nagnino hanao magnaminahy atiky io? Bo sy avy gny fotoako." 5 Dra hoy gny reniny tamireo panopo ho: "Na ino na ino zakany amindrareo, dra atovy zay." 6 Dra nisy siny vato andesy teo ze piasa amigny andro fisasanigny Jiosy, mahazaka ro hatramigny telo metasy aby. 7 Hoy Jesosy tamin'ereo ho: "Fenoy rano gny siny." Dra nifenon'ereo hatramigny sognony zay. 8 Nony boak'eo hoy Izy tamireo panopo ho: "Manovoza amizay dra andeso agny amigny topon'andrekisy gny fikaraka." Dra nitaterahin'ereo zay. 9 Zinakanigny Topon'andrekisigny fikarakara gny rano lasa divay, kanefa sy nahay ze niavian'izay izy (reo panopo ze nanovo gny rano koa nahafatasy). Boak'eo dra nitoka gny pazaka Izy 10 dra nizaka taminazy ho: "Gny olon'aby dra mandroso gny divay soa aloha ze vo gny divay moramora gny fa mamo ereo. Fa Handrareo koa nitahiny gny divay soa mandrak'Androany." 11 Izay gny famatara volohany nataon'i Jesosy tao Kana agny Galilia, dra naneho gny voninahiny Izy, dra nino anazy reo pianany. 12 Tafaranizay dra nizoso ho a Kapernaony agny Jesosy, gny reniny, reo rahalahiny vo reo pianany dra nizano tao andro visivisy ereo. 13 Dra fa mariny gny Paska gny Jiosy, dra niakasy ta Jerosalema agny Jesosy. 14 Nahita pivarosy agnomby, agnondry vo voromailala tao atepoly izy, nisy panakalo vola koa. 15 Noho izay dra namboasy karavasy izy dra nandroaky anazy aby hiboaky gny tepoly, na gny agnondry na gny agnomby. Nandraraky gny volan'ireo panakalo vola izy dra nandrobaky gny latabas'ereo. 16 Dra hoy izy tamireo pivarosy voromailala ho: "Andeso miboaky lavisy ty toera tihoky reo raha reo. Aoky zay gny fanova gny tragnon-dRako ho tragno fama rota." 17 Dra saroan'ireo pianany fa voasorasy ho: "Gny firehetako gny amigny tragnonao gny handevo anahy." 18 Boak'eo namaly reo lohandohanigny pisoro Jiosy dra nanao taminazy ho: "Ino gny famatara hasehonao anay, mahavy anao manao anireo raha reo?" 19 Jesosy namaly ho: "ravao ty tepoly tihoky, fa hasangako agnatinigny telo andro moza zay." 20 Dra hoy reo panapaky Jiosy ho: "Enina amby efapolo tao gny nagnoregna ty tepoly tihoky, dra hanao ra hahasanga anazy ao agnatinigny telo andro?" 21 Kanefa, mombanigny tepolinigny vatany gny nizakany. 22 Tafaranigny nisanganany tamigny maty, dra saroan'ireo pianany fa nizaka anizay izy, dra nino gny Sorasy Masy vo ze zaka nizakan'i Jesosy zay ereo. 23 Dra gny fa ta Jerosalema ao Izy tamigny andro firavoravoanigny Paska, dra maro gny nino gny agnarany gny fa nahita reo famatara ze nataony. 24 Fa Jesosy koa sy natoky anereo noho Izy nahafatasy soa anazy aby, 25 aokory sy nitalia na iza na iza hitalily aminazy gny mombanigny olo Izy, noho izy nahafatasy gny ao agnatinigny olo.