Toko 1

1 Tafaranigny nahafatesan'i Josoa, nagnotany an'i Yaveh gny vahoakin'Israely, nanao anizahoky ho: "Iza gny hanafiky volohany reo Kananita ho anay, ba hialy amin'ereo?" 2 DRa hoy Yaveh: "Hanafiky i Joda. Ingo, fa nameko anereo gny fifeheza ty tany tihoky." 3 Reo lelahin'i Joda nizaka tamireo lelahin'i Simeona, rahalahin'ereo ho: "Miaakara miaraky aminay agny amigny faritaninay ze voatendry ho anay fa isika miaraky gny afaky mialy amireo Kananita. Handeha hiaraky amindrareo manahaky anizay agny amigny faritany ze voatendry ho andrareo izahay." Dra nagnaraky anereo gny fokon'i Simeona. 4 Nanafiky gny lelahin'i Joda, dra namen'i Yaveh anereo gny fandrese an'ireo Kananita vo reo Perezita. Namono lelahy ray aly tamin'ereo tagny Bezeka ereo. 5 Nahita an'i Adonia Bezeka tagny Bezeka ereo, dra nialy tamin'ereo dra nandresy reo Kananita vo reo Perezita. 6 Fa nienga i Adonia Bezeka, dra nezehin'ereo izy dra trasiny, dra nitapahin'ereo gny akihibe-tagnany vo gny akihibe-taombony. 7 Dra hoy i Adonia Bezeka: "Pazaka fitopolo, ze tapaky gny akihibe-tagnany vo gny akihibe-tombon'ereo, gny namory gny sakafon'ereo tao ambaninigny latabaso. Manahaky ze fa nataoko, dra sy izay avo koa gny nataon'Agnahary taminahy." Nandesin'ereo tagny Jerosalema izy, dra maty tagny. 8 Nialy tamigny tanan'i Jerosalema reo lelahin'i Joda lela-sabasy ereo dra nagnoro gny tana. 9 Tafaran'izay, nazoso hialy amireo Kananita ze nitoby, tagny amigny tany havoa, tany Negeva, vo tagny andrefanigny tendrombohisy mitandava reo lelahin'i Joda. 10 Nandroso nanohisy reo Kananita ze nipetraky tagny Hebrona i Joda (gny agnaran'i Hebrona teo aloha dra i Kiriata Arba), dra nandresy an'i Sesay, Ahimana, dra Talmay ereo. 11 Boak'egny gny nandroso nanohisy reo poninigny Debira reo lelahin'i Joda (gny agnaran'i Debira teo aloha dra i Kiriaty Sefera). 12 Hoy y Kaleba: "Na iza na iza manafiky an'i Kiriata Sefera dra mangalaky anizay, dra hameko anazy i Aksa, zanako apela, ba ho valiny." 13 Otniela, zanadahin'i Kenaza (zay lelahin'i Kaleba) namboasy an'i Debira, dra namen'i Kaleba anazy i Aksa, zanakapelany, ba ho valiny. 14 Sy ela dra avy tagny amin'i Otniela i Aksa, dra nandrisiky anazy hangataky amigny babany hagnome saka raiky anazy izy. Raha niala tamigny apondrany izy, dra nagnotany anazy Kaleba ho: "Ino gny azoko atao anao?" 15 Dra hoy izy taminazy: "Ameo so-drano zaho. Akory fa namenao anahy gny tany Negeva, dra ameo loharano avo koa zaho." Dra namen'i Kaleba anazy gny loharano agnabovo gny loharano ambany. 16 Gny taranaky gny rafozan-dahin'i Mosesy gny Kenita dra niakasy laha tagny amy Tananan-drofia niaraky tamy vahoakin'i Joda, nagnagny an'efisin'i Joda , zay tagny Negeva, ba hiay miaraky amy vahoakin'i Joda marinin'i Arada. 17 Gny lelahyn'i Joda nandeha niaraky tamin'ireo lelahin'i Simeona rahalahin'ereo dra nanafiky reo Kananita ze mony tagny Zefata izy reo dra niravan'ereo tateraky zay. Gny agnaranigny tana dra nitokavy ho Horma. 18 Nisamboriny vahoakin'i Joda avo koa i Gaza reo tany magnodidy anazy, Askelona vo gny tany magnodidy anazy, dra Ekrona vo gny tany magnodidy anazy. 19 Niaraky tamin'ereo vahoakin'i Joda i Yaveh dra nangalaky gny tany havoa ereo, nefa sy afaky nandroaky reo mponiny tany lemaky noho gny fanagnan'ereo kalesy vy. 20 Nomena an'i Kaleba i Hebrona (araky gny fa nizakan'i Mosesy), dra niroahiny tao reo zanaky telo lahin'i Anaka. 21 Nefa sy nandrosky reo Jebosita zay mponin'i Jerosalema gny vahoakin'i Benjamina.Ka dra mony niaraky tamy vahoakin'i Benjamina tao Jerosalema reo jebosita mandrak'androany. 22 Gny ankohonan'i Josefa dra nioma hanafiky an'i Betela, dra nomba anazy reo i Yaveh. 23 Nagniraky lelahy hisikilo an'i Betela ereo (gny tana zay nitokavy ho Lozy teo aloha). 24 Nahita lelahy niboaky gny tana reo mpisikilo, dra ho izy reo taminazy:''Ba asehoy anay ra, gny fomba hizosoa ao amy tana, dra ho soa fagnahy amindrareo zahay.'' 25 Dra nasehony anazy reo gny lala magnagny amy tana, ka dra nanafiky gny tana tamy lela-sabasy ereo, nefa nangan'ereo nandeha gny lelahy vo gny fianakaviany. 26 Laha teo dra nagnagny amy tanin'ireo Hetita gny lelahy ka nagnory tana dra nitokaviny ho Lozy zay, zay agnarany mandrak'androany. 27 Sy niroahin'ereo vahoakiny Manase reo vahoaky nitoesy tagny amy tananan'i Beta Sana vo reo zana-bohiny, na Tanasa vo reo zana-bohiny, na reo zay mony tagny Dora vo reo zana-bohiny, na reo ze mony tao Ibleama vo rewo zana-bohiny , na reo zay mony tagny Megido vo reo zana-bohiny, satria fa tapa-hevisy gny hitoesy amin'izay tany zay reo Kananita. 28 Fa gny lasa natazaky i Israely, dra niteren'ereo hanompo anazy reo tamy asa fatrasy reo Kananita, nefa sy bo nandroaky anazy reo tateraky ereo. 29 Sy niroahin'i Efraima reo Kananita ze nony tagny Gezera, dra nony tagny Gezera teo amin'ereo hatragny reo Kananita. 30 Sy niroahin'i Zebolona gny vahoaky nipetraky tagny Kitrona, na gny vahoaky nipetraky tagny Nahalola, dra nitoby teo amin'ereo hatragny reo Kananita, nefa niteren'i Zebolona hanopo anereo tamigny asa fatrasy reo Kananita. 31 Sy niroahin'i Asera gny vahoaky nitoby tagny Ako, na gny vahoaky nitoby tagny Sidona, na reo ze nitoby tagny Alaba, Akziba, Helba, Afika, na Rehoba. 32 Dra nitoby teo amireo Kananita gny fokon'i Asera (reo ze fa nitoby tao amigny tany), akory sy nandroaky anereo ereo. 33 Sy niroahinigny fokon'i Naftaly reo ze nitoby tagny Beta Semesa, na reo ze nitoby tagny Beta Anata. Dra nitoby teo amireo Kananita gny fokon'i Naftaly (gny vahoaky ze fa nitoby tamizay tany zay). Na izay aza, nitere tagnatinigny asa fatrasy ho an'i Naftaly reo ponin'i Beta Semesa vo Beta Anata. 34 Niteren'ireo Amorita hitoby agny amigny tany havoa gny fokon'i Dana, dra sy hangany nizoso tagny amigny lemaky ereo. 35 Dra nony tao atendombihis'i Heresa, tagny Aijalona, dra tagny Salbima reo Amorita, nefa gny maramila maherinigny akohonan'i Josefa nandresy anereo, dra nitaterahin'ereo hanopo anazy amigny havoan'i Akrabima agny Sela niakasy hatragny amigny tany havoa gny sisi-tanin'ireo Amorita.