Toko 1

1 Taminigny tao faharo nazakan'i Dariosa pazaka, taminigny faheninigny vola, taminigny andro voalohanigny vola, dra avy taminigny alalanigny tanan'i Hagay paminany teo amin'i Zerobabela governoran'i Joda, zanadahin'i Sealtiela, dra teo amin'i Josoa pisombe zanadahin'i Jozadaka gny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: 2 "Yaveh toponigny maro mizaka anizao: Zao gny nizakan'ireo vahoaky reo: 'Sy fotoa ahaviasika na hagnoregnasika tragno ho an'i Yaveh zao.'" 3 Boak'eo dra avy taminigny alalanigny tanan'i Hagay paminany gny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: 4 "Fotoa honegnandrareo ao aminigny tragno vitandrareo ra zao, raha toaka bo rava zay tragno zay? 5 Ko amizao Yaveh Toponigny maro mizaka anizao: Diniho reo fombandrareo! 6 Namafy voa marobe handrareo, fa niziza vikasy keliky; nihina handrareo nefa sy afa-po; nisitro handrareo fa sy mamo. Nignisy akazo handrareo fa sy afaky nagnafana gny vatandrareo, dra gny pikarama dra handray vola hatao ao agnaty kitapo feno laoky fosiny avo! 7 Zao gny zakan'i Yaveh taponigny maro: "Diniho reo fombandrareo! 8 Mekara agny an-tendrombohisy, mindesa hazo, dra ahoregno gny tragnoko; dra hifaly ao amizay zaho, dra hamem-boninahisy Zaho!__Hoy i Yaveh." 9 "Mitalia gny maro handrareo, kanefa ingo! tragno kely gny nandesindrareo, akory nisofiko zay!Nagnino?" nizaka i Yaveh taponigny maro. "Akory gny tragnoko dra rava, raha toa ka miasa ho anigny tragnony aby gny sirairay amindrareo. 10 Noho zay gny lalisy dra hihazo gny andro sy hoandrareo, dra gny tany hihazo reo vokany. 11 Nitoka hai-tany teo aminigny tany vo teo amireo tendrombohisy, teo aminigny vary vo teo aminigny divay vaovao, teo aminigny dililo vo teo aminigny vokasy gny tany, teo aminigny olo vo teo amireo biby, dra teo amireo asanigny tagnandrareo aby Zaho!" 12 Dra Zerobabela zanadahin'i Sealtiela, vo i Josoa pisorom-be zanadahin'i Jozadaka, mindray amireo olo sisa tavela, dra nakato gny feon'i Yaveh Zagnaharin'ereo vo reo zakan'i Hagay paminany, akory Yaveh Zagnaharin'ereo gny nandefa anereo dra reo vahoaky dra natahosy gny tarehin'i Yaveh. 13 Dra i Hagay, gny pinday gny hafas'i Yaveh, dra nizaka gny hafas'i Yaveh taminigny vahoaky nanao anizahoky ho: "Mindray amindrareo Zaho!__Zay gny fagnambaran'i Yaveh!" 14 Ko nagnesiky gny fagnahin'i Zerobabela zanadahin'i Sealtiala, governoran'i Joda, vo gny fagnahin'i Josoa pisorombe zanadahin'i Jozadaka, dra gny fagnahin'ireo vahoaky sisa tavela aby i Yaveh, ba handeha ereo dra hiasa aminigny tragno'i Yaveh Toponigny maro, Zagnaharin'ereo 15 taminigny andro fahaefasy ambiropolonigny nazakan'i Doriosa pazaka.