Toko faha 2

1 Tamigny vola fahafito tamigny andro faharaiky amby ropolon'ny volana, dra avy tamigny alalan'i Hagay paminany gny zakan'i Yavehh, nanao ho: 2 ''Mizaka amin'ny Governoran'i Joda, dra i Zerobabela zanak'i Sealtiela, vo amigny pisoro be dra i Josoa zanak'i Jehozadaka, dra amigny sisan'ny vahoaky. Zakao ho: 3 ''Iza gny tavela amidrareo izay nahita ity tragno ity tamigny voninahiny taloha? Manaoakory gny fahitadrareo izay ankehitriny? Moa se sy manahaky gny sinosino eo amasodrareo izay? 4 Akehitriny, matazaha, dra Zerobabela!__izay gny fizakan'i Yaveh__dra matazaha, dra pisoro be dra iJosoa zanak'i Jehozadaka; dra matazaha, hadrareo vahoaky rehetra amigny tany!__izay gny fizakan'i Yaveh__dra miasa , fa momba adrareo zaho!__izay gny fizakan'i Yaveh topon'ny maro. 5 Izay gny fagneke izay naoriko tamidrareo raha niboaky tagny Egypta hadrareo, dra mitoboha ao amidrareo gny fagnahiko. Ka matahosy! 6 Fa izao gny zakan'i Yaveh topon'i maro : Aoagnatin'ny fotoa fohy dra hagnozongozogno gny lagnisy vo gny tany, gny ranomasina vo gny tany maiky draiky zaho! 7 Hahozongozoko gny firenena aby, dra minday ireo zava-sarobidy eto aminahy gny firenen-drehetra, dra hofenoko vaninahisy ity tragno ity, hoy Yaveh topon'ny maro. 8 Anahy gny volafosy vo gny volamena!__zay gny fagnambaran'i Yaveh taponigny maro. 9 Gny voninahisy ty tagno tihoky dra ho lahibe aminigny hoavy naho gny tany am-boalohany, hoy Yaveh taponigny maro, dra eto amity toera tihoky gny hagnomezako fedagna!__zay gny fagnambaran'iYaveh taponigny maro." 10 Taminigny andro fahaefasy ambiropolonigny vola fahasivy, taminigny tao faharo nazakan'i Dariosa, dra avy tamin'i Hagay paminany gny zakan'i Yaveh, nanao anizahoky ho: 11 "Zao gny zakan'i Yavehtoponigny maro: Magnotania reo pisoro mahakasiky gny lalana, dra zakao ho: 12 'Raha misy olo minday hena ze voatoka ho an'i Yaveh ao aminigny valonan'akazony, dra mikasiky mifo na hany, divay na dililo gny valonany, na ze karaza-kany, dra sy lasa masin ara zay?'" Namaly reo pisoro dra nanao anizahoky ho: "Aha". 13 Dra hoy Hagay: "Raha misy olo ze maloto aminigny faty mikasiky reo raha reo, sy avy maloto ra reo?" Namaly reo pisoro dra nanao anizahoky ho." 14 Dra namaly Hagay dra nanao anizahoky ho: "Dra manahaky anizay koa ty vahoaky ty vo ty firenena ty eo agnatrehako!__ zay gny fagnambaran'i Yaveh__dra manahaky anizay koa gny raha aby vitanigny tarehin'ereo: ze atolos'ereo honahy dra maloto. 15 Ko amizao, hevero ao asainao gny lasa dra hatramizao andro zao mihisy. Nelohanigny nanoboia gny vato ambinigny vato tao atepolin'i Yaveh, nanao akory vasa zay? Raha avy eo aminigny atotam-bary ropolo fatra handrareo, dra folo avo gny nisy, dra raha avy teo aminigny vata-divay ba handroaky dimapolo fatra handrareo, dra ropolo avo koa gny nisy. 17 Namely andrareo vo gny asanigny tagnandrareo aby taminigny vary vo gny maty fosiny Zaho, nefa bo sy nihery taminahy avo handrareo__zay gny fagnambaran'i Yaveh. 18 Hevero manomboky izao andro izao, hatramigny andro fahaefasy amby ropolon'ny volana fahasivy, hatramigny andro izay nametrahany gny fotosy gny tepolin'i Yaveh. Hevero izay! 19 Bo misy voa se ao amigny tragno fitehiriza? Sy namokasy gny divay, gny hazon'aviavy, gny apongaben-dagnisy, dra gny hazan'oliva! fa manomboky akehitriny dra hitahy adrareo zaho!'' 20 Dra avy fagnindrony tamin'i Hagay taminigny andro fahaefasy ambiropolonigny vola gny zakan'i Yaveh dra nanao anizahoky ho:" 21 Mizaka aminigny governoran'i Joda, dra i Zerobabela, dra zakao ho: "Hagnozongozo gny lagnisy vo gny tany Zaho. 22 Akory horavako gny seza fiandrianan'ireo fazaka dra hopotehiko gny herin'ireo fazakanigny firenena! Haravako reo Kalesy vo reo pitikisy anazy; ho lova reo sovala vo gny pitikisy anazy, gny sirairay lavo nahonigny mesa gny rahalahiny. 23 Amizay andro zay__zay gny fagnambaran'i Yaveh taponigny maro__dra halako handrareo, ry Zerobabela zanak'i Sealtiela, ho panopoko__zay gny fagnamabaran'i Yaveh. Hataoko manahaky gny perasy fanomboha-kase hanao, fa nifily anao zaho!__zay gny fagnambaran'i Yaveh taponigny maro!"'