Toko faha 3

1 Tafaran'ireo raha reo, dra nasondros'i Ahasoerosy pazaka i Hamana zanak'i Hamedota ao Agatita, dra napetrany ambonin'ireo manam-pahefa aby amboni'ireo manam-pahefa aby ze nindray taminazy gny toeram-pahefany. 2 Reo panopon'gny pazaka aby ze tao am-bavahadin'gny pazaka dra nandohaliky sady niankohoky tamin'i Hamana, arak'ize nibekon'gny pazaka hahin'ereo. Fe sy nandohaliky na hiankohoky taminazy i Mordekay. 3 Dra ho reo panopon'gny pazaka ze teo am-bavahadin'gny pazaka tamin'i Mordekay ho: "Nagnino hanao gny sy magneky gny lilin'gny pazaka?" 4 Niresaky taminazy isan'andro ereo. fe nanda gny hagnatateraky gny fangatahan'ereo izy. Koa dra niresaky tamin'i Hamana izy so hizaha no nizano manahaky gny zaha mahakasik'i Mordekay, fa izy dra fa nizaka tamin'ereo fa Jiosy izy. 5 Nofa hitan'i Hamana fa sy nandohaliky vo niakohoky taminazy i Mordekay dra feno hahoria izy. 6 Nanda gny hevisy hamono an'i Mordekay raiky avo izy, fa reo panopon'gny pazaka nizaka taminazy ho ia moa gny vahoakin'i Mordekay. Nagniry gny handripaky gny Jiosy aby i Hamana, gny vahoakin'i Mordekay, ze tao amin'gny fanzakan'i ahsoerosy manotolo. 7 Tamin'gny vola volohany (ze volan'i Nisana), tamin'gny faharo ambin'gny folo tao nanzakan'i Ahasoerosy, dra gny Pora--- zeho gny loka--- natoraky teo agnoloan'i Hamana, so hifiliana andro vo vola. Dra natorak'ereo ombiegny ombiegny gny loka mandra-pilasahan'izeho teo amin'gny vola faha roambin'gny folo (ze volan'gny Adara). 8 Dra ho Hamana tamin'i Ahasoerosy Pazaka ho: 'Misy vahoaky sasany miely sady miparitaky manera gny faritanin'gny fanzakaniha aby. Gny lalagnan'ereo dra hafa noho gny an'gny vahoaky sasany, vo ereo dra sy mbo mitandry gny lalagnan'gny pazaka, dra sy mahasoa gny pazaka gny fanenga andreo hizano. 9 Fa no sitraky gny pazaka, dra magnomeza beko so hamonoa andreo, dra handoa taleta volafosy ray aly eo an-tagnan'gny panao raharahan'gny pazaka zaho, so ho andesy ao amin'gny rakisy gny pazaka." 10 Dra nandramby persy fitombokase tamin'gny tagnany gny pazaka dra nomeny an'i Hamana zanadahin'i Hamedata Agnatita, fahavalon'ireo Jiosy. 11 Ho gny pazaka tamin'i Hamana ho: "Hitako fa nahery taminrareo vo gny vahoakinddrareo gny vola. Hoa hindrareo amin'ize hirindrareo zeho." 12 Dra voatoka tamin'gny andro fahatelo ambin'gny folo tamin'gny vola volohany reo pagnora-dalagnan'gny pazaka, vo gny lalagna aby ze nandilian'i hamana dra nisorata ho an'ireo governoram-paritanin'gny pazaka, reo ze teo amin'gny faritany aby, ho an'ireo governoran'gny olo sambihafa aby, vo ho an'gny manam-pahefan'gny vahoaky aby, isakin'gny faritany gny sora-tagnan'ereo, vo ho an'gny vahoaky aby isakin'gny fizakany aby. Dra nisorata tamin'gny agnaran'i Ahasoerosy pazaka zeho dra voatombokase tamin'gny perasiny. 13 Natolo-tagna tamin'gny alalan'ireo iraky tagny amin'gny faritanin'gny pazaka aby reo antontan-taratasy, so handripaky, hamonoa, vo hamoteha gny Jiosy aby, manomboky amin'gny tanora hatramin'gny antisy, vo gny ankizy vo gny apela, agnayin'gny andro raiky--- amin'gny andro faha-telo ambin'gny folo amin'gny vola faharo amin'gny folo (zay volan'i Adara) ---dra bo handrobagna gny haren'ereo. 14 Nahy talagna isaky gny faritany gny dika amin'gny taratasy. Dra napahafatary gny vahoaky aby isaky gny faritany fa tokony hiomanan'ereo ho amin'izeho andro zeho. 15 Dra niboaky reo iraky dra nizara malaky gny lilin'gny pazaka. Fa voazara tao amin'gny ferova fatrasin'gny Sosana vo koa gny lalagna. Nitoboky bo hino i Hamana vo gny pazaka, fe tao agnaty korota gny tanan'gny Sosana.