Toko faha 2

1 Tafaran'ireo raha reo, nofa nitony gny hahorian'i Ahasoerosy pazaka, dra nieriserisy an'i Vsty vo ze fa nahiny izy. Nieriseretiny koa gny lily ze nandesiny nisara anazy. 2 Dra ho ereo zatovo lahin'gny pazaka ze nanopo anazy ho: "Aoky hisy fitaliava tovovavy soa tarehy viriziny ho an'gny pazaka. 3 Aoky gny pazka hanendry gny manam-pahefa amin'gny faritany aby amin'gny fanzakany, so hanango reo tovovavy soa tarehy viriziny aby ho agny an-tragnon'apela agny amin'gny ferova fatrasy agny Sosana.Aoky ereo hapetraky ao amban'gny fiahian'i Hegay, sindranolahin'gny pazaka, ze miandraikisy gny apela, dra aoky izy hagnome andreo reo fikoloa gny tarehin'ereo. 4 Aoky gny tovovavy ze mahafaly gny pazaka ho lasa pazaka vavy ep amin'gny toeran'i Vasty." Dra nahafaly gny pazaka zeho toro-hevisy zeho, ka dra nitaterahiny arak'izeho. 5 Dra nisy Jiosy raiky tao amin'gny ferova fatrasin'i Sosana ze nitokavy ho Mordekay zanadahin'i Jaira zanadahin'i Simey zanadahin'i KIsy, zay taranak'i Benjamina. 6 Nandesy boaky tagny Jerosalema nindray tamin'ireo sesitany mbamin'ireo ze nala nindray tamin'i Jekonia, pazakan'i Joda, ze niboaboin'i Nebokadnezara pazakan'i Babylona izy. 7 Izy gny niteza an'i Hadasa, ze ahy ho, Estera, zanakay apelan'gny dadatoany, akory sy nana ndre ra ndre reny izy. Soa tarehy gny tovovavy sady manam-bika maha-te-ho tia. Dra nirambesin'i Mordekay manahaky gy zanany apela izy. 8 Nofa nambara gny beko vo gny lilin'gny pazaka, dra tovovavy maro gny nandesy tagny amin'gny ferova fatrasin'i Sosana. Napetraky teo ambany fiahian'i Hegay ereo. Dra nandesy tao an-dapan'gny pazaka koa i Estera dra napetraky tao ambany fiahian'i Hegay, gny piandraikisy gny apela. 9 Dra nahafaly anazy gny tovovavy, dra nahita sitraky taminazy izy. Avy hatragny dra nomeny reo fikoloa tarehy vo gny anzara sakafony izy. Dra nanendry panopovavy fito boaky tao an-dapan'gny pazaka ho anazy izy, dra nafindrany tao amin'gny toerany soa indrindra tao an-tragnon'ireo apela izy mbamin'ireo panopovavy. 10 Sy nizakan'i Estera tamin'ia na ia ze firene na reo havany, akory fa nanarin'i Mordekay izy bo sy hizaka. 11 Isan'andro dra mivezivezy manoloa gny kianza eo ivelan'gny tragnon'ireo apela i Mordekay, so hahafatarany gny mahakasik'i Estera, vo mahakasiky ze hahy aminazy. 12 Nofa avy gny anzaran'gny tovovavy kiraikiraiky ba ho ao amin'i Ahasoerosy pazaka--- arak'ireo lily amam-pisipiky ho an'ireo apeka, dra sy maiansy mahafeno fikarakara hasaom-baya mandrisy gny ro amby folo vola gny tovovavy kiraikiraiky, enim-bola mindray amin'gny menaky miora, vo enim-bola koa mindray amin'ireo raha magnisy vo reo fikoloa tarehy--- 13 nofa nadeha nagnagny amin'gny pazala gny tovovay raiky, dra nome anazy ze iaby nilany tao an-tragnon'ireo apela, so ho anazy ho andesy ao an-dapa. 14 Gny hariva dra hilisy ao agnattiny izy, vo gny maraindray koa dra hihery ao an-tragno faharon'ireo apela izy, dra gnyan-tragno ferovan'i Sasegaza, sinandrolahin'gny pazaka, ze niandraikisy gny vadisindrano. Dra sy hihery agny amin'gny pazaka sasy izy no sy fa nahazo fifaliam-be tamin'apela, dra nitoka anazy ndraiky. 15 NOfa avy gny fotoan'i Estera (zanaky apelan'i Abihaila, rahalahin-dran'i Mordekay, ze fa nandramby anazy sahaly gny zanaky apela) hilirany tao amin'gny pazaka, dra sy nangataky ndre ino ndre ino izy, ankoas'ize natolos'i Hegay sindranolahin'gny pazaka, ze niandraikisy reo apela, avo. Dra nahazo fankasitraha tamin'ize iaby nahita anazy i Estera. 16 Dra nandesiny tagny amin'i Ahasoerosy pazaka ho ao amin'gny toeram-ponegnan'gny pazaka tamin'gny vola faha folo i Estera, ze volan'i Tebeta, tamin'gny fahafito tao nanzakany. 17 Dra tian'gny pazaka mihoasy noho reo apela aby i Estera dra nahazo faneke vo fankasitraha teo agnatrehany izy, mihoasy noho reo viriziny aby. Noho zeho dra nisatrohiny satro-boninahisy teo amin'gny lohany dra nahiny pazakavavy solon'i Vasty izy. 18 Dra nagnome fanasa lahibe ho an'ireo manam-pahefa iaby vo reo panopony aby gny pazaka, "fanasan'i Estera," dra nomeny fahafaha tamin'gny fandoavan-ketra reo faritany. Dra nagnome fagnomeza tamin'gny fahalalahan-tagnan'gny pazaka koa izy. 19 Dra nofa tafavory fagnindrony re viriziny, dra nitoboky teo am-bavahadin'gny pazaka i Mordekay. 20 Bo sy nizaka tamin'ia na ia mahakasiky reo havany vo gny fireneny i Estera, arak'ize nagnanaran'i Mordekay anazy. Dra nagnaraky hatragny gny toro-hevis'i Mordekay izy, arak'ize fa nahiny tamy izy nitezany. 21 Tamin'izeho andro zeho, no nitoboky teo am-bavahadin'gny pazaka i Mordekay, dra soregna sady nitalia hagnisy rasy an' Ahsoerosy pazaka, gny ro tamin'ireo sindranolahy, dra Bigtana vo Taresy, ze niamby gny vavahady. 22 Nofa fatan'i Mordekay gny raha nisy, dra nitatarany tamin'i Estera pazakavavy, dra Estera koa niresaky tamin'gny pazaka tamin'gny agnaran'i Mordekay. 23 Voahadihady sady voamary gny tatisy, dra nahanto tamin'gny hazo fanantona izy mirahalahy. Nisorata tao agnatin'gny Bokin'gny Tatara teo agnatrehan'gny pazaka zeho tatara zeho.