Toko voalohany

1 Tamin'gny andron'i Ahasoerosy (Ahasoerosy gny nanzaka hatragny India dra hatragny Etiopia, nagneniky gny faritany 127), 2 tamin'izeho andro zeho dra nitoboky teo amin'gny seza fiandrianany tao amin'gny ferova fatrasin'gny Sosana i Ahasoerosy pazaka. 3 Tamin'gny tao fahatelo nanzakany, dra nanao fanasa ho an'ireo manam-pahefa vo reo panopony aby izy. Gny tafik'i Persia vo Media, reo lelahy manan-kaza, vo reo governoran'ireo faritany dra teo amin'gn fagnatrehany. 4 Napiharihary gny haren'gny famirapiratan'gny fanzakany vo gny hazan'gny voninahisin'gny fahalabiazany nandrisy gny andro maro, nandrisy gny 180 andro izy. 5 Vo nofa tapisy reho andro reho, dra nanao firavoravoa nandrisy gny fito andro gny pazaka. Nahy ho an'gny olo aby teo amin'gny ferova fatrasin'i Sosana zeho, hatramin'gny lahibe loasy dra hatramin'gny madiniky loasy. Nahy teo an-kianzan'gny zaridain'gny lapan'gny pazaka zeho. 6 Gny kianzan'gny zariday dra voahengo tamin'gny lamba vita amin'gny landihazo fosy vo volompoarasy. tamin'gny kofehin-drongony fosy madiniky vo volomparasy, nihanto tamin'gny mason-drozo volafosy hatregny amin'gny andrin'gny marbra. Nisy farafara volamena vo volafosy teo amin'gny filaharan'gny lapivato porfira, marbra, hara, vo rarivato miloko. 7 Naroso tamin'gny kapoaky volamena gny raha finomy. Gny kapoaky kiraikiraiky dra sy manam-paharo dra maro vatany gny divaim-panzaka nohon'gny fahalalaln-tagnan'gny pazaka. 8 Gny raha finomy dra nandesy niboaky ho fitandrova gny lily ho: "Sy misy faneritere." Nagnome beko gny piasa aby tao an-dapany gny pazaka so hanao se iaby irin'gny vahiny kiraikiraiky. 9 Dra nanao fanasa ho an'gny apela avo i Vasty pazaka vavy tao amin'gny lapan'i Ahasoerosy pazaka. 10 Tamin'gny andro fahafito, no nahasiaro faly gny fon'gny pazaka nohon'gny divay, dra nizaka tamin'i Mehomana, Bizta, Harbona, Bigta, Abagta, Zetara, vo Karkasa (reo manam-boninahisy fito nanopo teo agnoloany) izy, 11 so handay gny pazaka vavy Vasty ho eo agnoloany miaraky amin'gny satro-boninahiny. Tiany haseho amin'gny vahoaky vo reo manam-boninahisy gny hasoany, akory manaisy loasy gny tarehiny. 12 Fa nanda gny handeha araky gny zakan'gny pazaka ze nandesin'ireo manam-boninahisy teo aminazy i Vasty pazaka vavy. Bokeo dra ory fatrasy gny pazaka; nirehisy tao agnatiny gny hahoriany. 13 Noho zeho gny pazaka dra nifandiniky tamin'ireo lelahy ze fatasy fa hendry, ze mahafatasy gny andro ( fa zeho gny fahin'gny pazaka magnoloa an'ireo aby manam-pahaiza manoka amin'gny lalagna vo gny fisara). 14 Vo gny mariny anazy loasy dra i Rarsena, Setara, Admata, Tarsisy, Maresa, MArsena, vo Memokana, reo andria fiton'i Oersia vo Media. Afaky nifanerasera tamin'gny pazaka ereo, dra nita gny toera ambony tao amin'gny fanzaka. 15 "Araky gny fagnarahan-dala, ino gny tokony hahy amin'i Vasty pazaka vavy nohon'gny sy fagnekeny gny bekon'i Ahasoerosy pazaka, ze nandesin'ireo manam-boninahisy teo aminazy?" 16 Ho Memokana teo agnatrehan'gny pazaka vo reo manam-boninahisy ho: "Sy tamin'gny pazaka avo i Vasty pazaka vavy gny nanao fahadisoa, fa tamin'ireo manam-boninahisy vo reo vahoaky ze manera gny faritanin'i Ahasoerosy pazaka avo koa. 17 Fa gny raha nahin'gny pazaka vavy dra ho fatan'ireo apela aby. Hahavy andreo hamingavinga gny valin'ereo zeho. Hizka ereo ho: 'Nagnome lily i Ahsoerosy pazaka so ho anddesy eo agnoloany i Vasty pazaka vavy, fa nanda izy. 18 Mialohan'gny hiafaran'itiky andro tiky avo gny andriambavin'i Pesia vo Media ze nahare gny raha nahin'gny pazaka vavy dra hizaka manahaky anizeho amin'ireo manam-boninahisy gny pazaka koa. Dra hisy famingavinga vo hahoria be. 19 No ankasitrahin'gny pazaka zeho, dra aoky hisy lilim-panzaka hiboaky boaky aminazy agny, dra aoky ho voasorasy ao amin'gny lalagnan'i Persianina vo Medianina, ze sy azo foagna, fa Vasty dra mahazo magneo agnoloany sasy. Aoky homen'gny pazaka ho an'gny apela ze soa noho izy gny toera maha-pazaka vavy anazy. 20 Nofa voatory manera gny fanzaka midadasiky zeho lilin'gny pazaka zeho, dra hagnaza gny valiny aby gny apela aby, manomboky amin'gny lahibe loasy dra hatramin'gny madiniky loasy." 21 Dra sitraky gny pazaka vo gny andriany zeho toro-hevisy zeho, dra nanao araky ze nanoloran'i Memokana hevisy anazy gny pazaka. 22 Nandefa taratasy ho agny amin'gny faritanm-panzaka aby izy, ho an'ireo faritany aby araky sorany aby, vo ho an'gny firene kiraikiraiky araky gny fizakany aby. Nanao lily izy fa gny lelahy aby dra masi-mandily eo amin'gny tokatragnony. Nome araky gny fizakan'ireo vahoaky kiraikiraiky tao amin'gny fanzakany zeho lily zeho.