Toko faha 29

1 Tahoky gny zaka ze nandidian'i Yaveh an'i Mosesy ho zaka amigny vahoakin'Israely tagny amigny tany Moaba, zaka ze nagnapia gny fagneke ze nataony tamizay reo tao Horeba. 2 Tonokan'i Mosesy gny vahoak'Israely aby dra hoy izy tamin'ereo: "Fa hitandrareo ze nataon'i Yaveh tamin'i Farao teo anoloanigny masonao tagny amigny tany Egypta, dra tamireo panopony aby, vo tamigny taniny aby__ 3 reo fahoria lahibe ze hitanigny masonao, reo famatara, dra reo fahagaga lahibe. 4 Fa hatraminy amizao dra sy nagnome fo hahafatara, maso hahita, sofy hahareza ho andrareo Yaveh. 5 Efapolo tao gny nindesako andrareo tagny agnefisy, sy niala tamindrareo gny akazondrareo, dra sy niala teo atombokao gny kapanao. 6 Sy nihina mofo handrareo, sy nino divay na raha finomy mahamamo hafa, ba hahafatarandrareo fa zaho gny Yaveh zagnaharindrareo. 7 Raha avy tamity toera tihoky handrareo, dra niboaky ba hialy amisika, i Sihona, gny pazakan'i Hesbona, vo Oga, gny pazakan'i Basana, dra lavosika ereo. 8 Nalasika reo taniny dra namesika ho lovan'ireo Robenita, vo Gadita, dra ho anigny asasaky gny fokon'i Manase zay. 9 Noho zay tandremo reo zakanity fagneke tihoky dra atovy zay, ba hambiny amize hataondrareo aby handrareo. 10 Mizoro handrareo androany, handrareo aby, eo anoloan'i Yaveh zagnaharindrareo; reo lahibendrareo, reo fokondrareo, reo loholondrareo, dra reo manam-boninahisy__reo lelahin'i Israely aby, 11 reo zaza madiky, reo valindrareo, dra gny vahiny ze ao aminao ao amigny tobinao, na ze manapaky gny hazonao hatramize masaka gny ranonao. 12 Avy eto hanao ba hilisy amigny fagneken'i Yaveh zagnaharinao vo amigny fianiana ze hataon'i Yaveh zagnaharindrareo aminao amizao, 13 dra hahaavy anao ho vahoany Izy, dra Izy ho Zagnaharindrareo, arak'ize nizakany taminao, vo arak'izay nianianany tamigny razanao, tamin'i Abrahama, tamin'i Isaka, dra tamin'i Jakoba. 14 Fa sy amindrareo avo gny hanovako anizao fagneke vo fianiana zao__ dra amizay misangan'eo anoloan'i Yaveh zagnaharisika mindray amisika eto amizao__fa amireo ze sy mindray amisika eto amizao avo ko. 16 fatandrareo gny fomba nianianasika tagny amigny tany Egypta, dra gny fomba namakivakiasika reo firenena ze nandalovandrareo. 17 Fa hitanandrareo reo raha mapangelakelaky ereo: dra reo sapy hazo vo reo sapy vatony, volafosy vo volamena, ze teo amin'ereo. 18 Aoky sy hisy eo amindrareo na lelahy reo, na apela, na fianakavia, na foko ze mivily miala amin'i Yaveh zagnaharisika gny fony amizao, dra handeha hanopo gny zagnaharin'ireo firenena reo. Aoky sy hisy faka mamokasy raha mafaisy vo raha mahafaty eo amindrareo. 19 Ko raha ren'izay olo zay reo zakanty fagnozogna tihoky, dra hiso-drano gny vatany ao apony izy dra hanao anizahoky ho: 'Hana fedagna zaho, na dre mandeha araky gny herinigny foko aza.' Zay dra haharinga gny le mindray amigny maiky. 20 Dra sy hamely anazy Yaveh, fa koa, hirehisy amizay lelahy zay gny fahatezeran'i Yaveh vo gny hasarota-piarony, dra ho avy aminazy gny ozon'aby ze voasorasy agnatin'ity boky tihoky, dra ho fafan'i Yaveh sy ho eo ambany lagnisy gny agnarany. 21 Dra hatokan'i Yaveh ho egny ivelanigny fokon'Israely aby amigny loza izy, araky gny fagnozogna aby amigny fagneke ze voasorasy agnatin'ity bokiny lalana tihoky. 22 Gny taranaky ho avy, dra reo zanaky ze handimby andrareo, dra gny vahiny ze avy amigny tany lavisy, dra hizaka gny fa hitan'ereo gny areti-mandringa amity tany ty vo reo arety ze napahararin'i Yaveh anizay__ 23 Dra gny fa hitan'ereo fa avy solifara vo sira namafaza gny tany manotolo, ze sy namafaza na ino na ino na namoha voa, ze sy misy raha magniry, manahaky gny nahara an'i Sodoma vo Gomoro, Adma vo Jeboima, ze niravan'i yaveh tamigny fahasiahany vo fahoriany__ 24 dra hindray hizaka amigny firenena hafa aby ereo ho: "Nagnino gny nanao anizao tamity tany tihoky i Yaveh? Ino gny hevis'izao firehetanigny fahasiaha lahibe zao?' 25 Dra hizaka reo vahoaky ho: "Zao gny izy akory sy nagnaraky gny fagneken'i Yaveh, Agnaharin'ireo razambeny ereo, ze nataony tamin'ereo tamigny nindesany anereo niboaky gny tany Egypta, 26 dra akory ereo nandeha nanopo zagnahary hafa sady nekohoky tamizay ereo, dra reo zagnahary ze sy fatas'ereo dra sy nameny ho anereo akory. 27 Noho zay gny fahorian'Agnahary dra narehisy tamity tany tihoky, dra avy teo aminazy reo ozo aby ze voasorasy tamity boky ty. 28 Dra nofongoran'i Yaveh tamigny fahatezera, tamigny fahasiaha, dra tamigny fahasosora lahibe, sy ho amigny taniny ereo, dra nariany tagny amigny tany hafa, mandrak'androany." 29 Reo raha mivony dra an'i Yaveh zagnaharisika raiky avo; fa gny raha ambara koa dra natao ho asika vo reo taranasika mandrakizay, ba hahafahasika magnatateraky gny zakanity lalana aby ty.