Toko faha 13

1 Raha misy paminany na pagnonofy miseho eo amindrareo, dra manao famatara na fahagaga, 2 dra raha mitranga gny famatara na gny fahagaga, ze zakany amindrareo dra manao anizahoky ho: 'Andeso isika hagnoriky zagnahary hafa, ze sy bo fatandrareo, dra andeha toposika ereo,' 3 dra ka miteno gny zakanizay paminany zay, na zay pagnonofy zay; akory Yaveh zagnaharindrareo dra misapa andrareo raha tia an'i Yaveh zagnaharindrareo amigny fondrareo manotolo vo amigny fagnahindrareo manotolo handrareo. 4 Hagnara-dia an'i Yaveh zagnaharindrareo handrareo, hagnome voninahisy Anazy, hitandry reo didiny, vo hakato gny zakany, dra hidera anazy vo hifikisy aminazy. 5 Ho vono zay paminany na pagnonofy zay, akory izy dra nanohisy an'i Yaveh zagnaharindrareo, ze nindesan'andrareo niboaky boak'ao amigny tany Egypta, vo nagnafaky andrareo tagny amigny tany fagnandevoza. Tehitao andrareo ivelanigny lala ze nandidian'i Yaveh zagnaharindrareo ba handehanandrareo zay paminany zay. KO alao sy ho eo amindrareo gny rasy. 6 Reso mitovy mitovy amigny rahalahindrareo, gny zanaky gny renindrareo, na gny valy famihindrareo, na gny namandrareo ze tiandrareo manahaky gny vatandrareo, gny hitao moramora handrareo dra hizaka ho: 'Aoky isika handeha dra hanopo reo zagnahary hafa ze sy bo fatandrareo, na handrareo na reo razambendrareo__ 7 dra reo zagnaharin'ireo olo ze magnodidin'andrareo, agnilandrareo, na lavis'andrareo, boak'amizao totolo aby zao.' 8 Ka magneky na miteno anazy. Sy tokony hana famindra-po aminazy avo koa gny masondrareo, na hiatra anazy na hagnavony anazy. 9 Fa koa, tokony ho vonondrareo vatany izy; gny tagnandrareo gny ho voalohany hagnome anazy, dra boak'eo gny tagnanigny vahoaky aby. 10 Hitora bato hahafaty anazy handrareo, akory izy niezaky hitao andrareo hagnalavisy an'i Yaveh zagnaharindrareo, ze ninday andrareo hiala tao amigny tany Egypta, hiala tao amigny tany fanandevoza. 11 Handresy vo hatahosy gny Israely aby, dra sy hanohy hanao anizay karaza faharasia zay eo amindrareo sasy. 12 Raha mahare olo mizaka momba gny raiky amireo tanandrareo, ze namen'i Yaveh zagnaharindrareo ba hipetrahandrareo handrareo: 13 fa nisy piarabelo rasy fagnahy ilany niala teo amindrareo dra nitariky reo poniny teo amigny tanan'ereo ho: 'Handeha isika hanopo zagnahary hafa ze sy bo fatandrareo.' 14 Dra handiniky gny porofo, hanao fikaroha, dra hagnadihady laliky anizay handrareo.' Gny fa hitandrareo fa mary zay dra azo atoky fa natao teo amindrareo gny raha fahavetavetra manahaky anizay, dra hihesiky handrareo .amindrareo 15 Azo atoky fa hanafiky reo ponina ao amizay tana zay amigny lela-sabasy handrareo, hamotiky tateraky anizay vo gny olon'aby ao aminazy, miaraky amireo biby teza, amigny alalanigny lela-sabasy. 16 Hamory reo etan'aby voababo amize ho eo agnevonigny lala handrareo dra hagnoro gny tana, vo reo eta voababo aby__ho an'i Yaveh zagnaharindrareo. Ho tana haolo mandrakizay gny tana, dra sy hasanga sasy zay. 17 Sy tokony hisy hirekisy eo apelatagnandrareo reo raha ze natoka ho rava. Zay gny sy maisy atao, ba hisahasy amigny fahasiahany i Yaveh, hapiseho famindra-po amindrareo, vo hihasy andrareo, dra hapitombo isa andrareo, araky gny nianianany tamireo razambendrareo. 18 Hanao anizay Izy akory miteno gny feon'i Yaveh Zagnaharindrareo, ba hitandrema reo didiny aby ze handidiako andrareo amizao, vo ba hanova ze mary eo amason'i Yaveh zagnaharindrareo.