Toko faha 6

1 Dra navorin'i Davida nindray ndraiky gny lelahin'i Israely voafily aby, telo aly. 2 Niala i Davida dra nandeha nindray taminireo lelahiny aby ze niaraky taminazy nanomboky tagny Bala agny Joda ba hizaka gny fiaran'Agnahary, ze tonoka amigny agnara ho Yaveh toponigny maro, ze mitobyapedagna eo agnabonigny Kerobima boak'agny. 3 Natobin'ereo teo agnabo kalesy vaovao gny fiaran'Agnahary. Naboak'ereo tao amigny trognon'i Abinadaba, ze teo amigny havoa raiky zay. Oza vo Ahio, zanadahiny, gny nitari-dala gny kalesy vaovao. 4 Naboak'ereo tao atragnon'i Abinadaba teo amigny havoa gny kalesy vo gny fiaran'Agnahary teo agnabonigny. Ahio gny nandeha teo anoloanigny fiara. 5 Boak'eo i Davida vo gny akohonan'Israely aby nanomboky nisizaky teo agnatrehan'i Yaveh, nakalaza tamigny raha magneho vita tamigny hazo, lokanga, valiha, apongatapaky, korisa dra kipaso. 6 Gny fa avy eo amigny famoloan'i Nakona ereo, dra nezera gny agnomby, dra Oza nagnizisy gny tagnany ba hisariky gny fiaran'Agnahary, dra nihazo anizay izy. 7 Dra nirehisy tamin'i Oza gny hatezeran'i Yaveh. Namely anazy teo nohonigny fahotany zagnaharisika i Oza. 8 Nasiaky i Davida akory namely an'i Oza i Yaveh, dra nataony ho Perez-oza gny agnaranizay toera zay. Izay toera zay dra atao ho Perez-oza mandrak'androany. 9 Natahosy an'i Yaveh i Davida tamizay andro zay. Hoy izy ho: "Nagnino gny hahaavy gny fiaran'i Yaveh aminahy atiky?" 10 Ko sy nagniry gny hinday gny fiaran'Agnahary niaraky taminazy ho ao amigny tanan'i Davida izy. Fa koa, nanalaminy tao atragnon'i Obed-edoma gny Gitita zay. 11 Nizano tao atragnon'i Odeb-edoma gny Gitita nandrisy gny telo vola gny fiaran'i Yaveh. Noho zay dra nitahin'i Yaveh izy vo gny akohonany aby. 12 Dra nizaka tamin'i Davida pazaka ho: "Fa nitahy gny tragnon'i Obed-edoma vo gny raha aby ze anazy i Yaveh noho gny fiaran'Agnahary." Noho izay dra nandeha i Davida dra ninday gny fiaran'Agnahary niakasy boak'ao atragnon'i Obed-edoma tami-piravoravoa ho agny amigny tanan'i Davida. 13 Gny fa namindra inenina reo ze nilaza gny fiaran'Agnahary, dra nanao soron'agnomby raiky vo zanak'agnomby mifahy izy. 14 Nisizaky teo agnatrehan'i Yaveh tamigny heriny aby i Davida; efoda zamaly fosy madiniky avo gny nanovany. 15 Noho zay dra nandesin'i Davida vo gny akohonan'Israely aby niakasy niaraky tamigny horakoraky vo gny feon'azomara gny fiaran'i Yaveh. 16 Dra gny fa avy tao atagnan'i Davida gny fiaran'i Yaveh, dra nitaza teo am-batrangarakely i Mikala, zanakapelan'i Saoly. Nahita an'i Davida pazaka nidikodikosy vo nisizaky teo agnatrehan'i Yaveh izy. Boak'eo dra nanao sinosino anazy tao apony izy. 17 Napidirin'ereo gny fiaran'i Yaveh dra natobiny teo amigny toerany zay, teo agnevonigny lay ze fa naboarin'i Davida ho an'izay. Boak'eo i Davida nanolosy fanatisy oroa vo fagnati-pihava teo agnatrehan'i Yaveh. 18 Gny fa vitan'i Davida gny fagnatisy oroa vo gny fagnati-pihavana, dra nison-drano gny vahoaky tamigny agnaran'i Yaveh toponigny maro izy. 19 Ko dra nizara mofo, teti-kena, dra mofomamy misy voaloboky tamigny vahoaky aby, gny Israely manotolo, tamigny lelahy vo gny apela izy. Dra lasa gny olon'aby samby nihery tagny atragnony aby. 20 Dra nihery ba hiso-drano gny akohonany i Davida. Mikala, gny zanakapelan'i Saoly, dra niboaky ba hisena an'i Davida dra nizaka ho: "Endrey gny voninahisy gny pazakan'Israely amizao, ze agnarany gny lambany teo amason'ireo andevo apela anisan'ireo panopony, manahaky gny raiky amireo pizaka rasy ze lany hagnasy magnary gny lambany!" 21 Davida namaly an'i Mikala ho: "Nataoko teo agnatrehan'i Yaveh zay, ze nifily anahy ho agnabonigny ranao vo ho agnabonigny akohonany aby, ze nanendry anahy ho pitariky eo amigny vahoakin'i Yaveh, eo amin'Israely. Eo agnatrehan'i Yaveh gny hiravoravoako! 22 Bo sy ho mendri-kaza noho zay aza zaho, dra afa-baraka eo amasoko avo zaho. Kanefa amigny alanigny andevo apela ze nizakanao reo, gny hagnomezam-boninahisy anahy." 23 Noho izay i Mikala, zanakapelan'i Saoly, dra sy nanagnanaky hatramigny andro nahafatesany.