Toko 1

1 Paoly , Apostoly raiky an'i Kristy Jesosy tamin'gny Sitrapon'Agnahary, vo Timoty rahalahisika, ho agny fiangonan'Agnahary ze ao amin'gny Korinto, dra ho an'ereo mpino manerana gny farisy Akaia aby. 2 Ho amindrareo seky gny fahasoava dra gny fiadana laha tamin'Agnahary Rasika vo Topo Jesosy Kristy. 3 Ho dera seky gny Zagnahary vo gny Ran'gny Toposika Jesosy Kristy. Izy gny Ran'gny famindram-po iaby vo Zagnahary gny fampionogna aby. 4 Zagnahary dra mampiono asika amin'gny fahoriasika mampiono reo ze ao agnaty fahoria. Isika dra mampiono reo hafa tahaky gny fampionogna ze nampiasan'Agnahary ampiono asika. 5 Fa tahaky gny hitomboan'gny fizalian'i Kristy nohon'gny aminay, gny hitomboan'gny fampionogna anay koa amy alalan'i Kristy . 6 Fa raha nampahoria zahay, zay dra ho agny fampionogna vo famozea andrareo. Dra raha nampionona andrareo. Gny fampionogna andrareo dra mandaisy gny fa manam-pahareta hizara reo fizalia ze mitovy amin'gny fizalianay koa. 7 Fa gny fahatokisanay momba andrareo dra azo atoky , satria zahay dra mahafatasy fa andrareo koa dra mizara reo fizalia, andrareo koa dra mizara fampionogna. 8 Fa sy tianay andrareo sy ahafatasy , ry rahalahy, gny amn'ireo olana nahazo anay tagny Asia. Zahay dra nivesariny tateraky mihoasin'izay tokony ho zakanay, maro loasy dra sy nanatena gny hiay ela sasy zahay. 9 Teo aminay vatany gny fagnahia ho maty. Fa zay gny nahavy anay sy hametraky gny tokinay eo amin'gny vatanay avo , fa dra amin'Agnaharay ze mampisanga gny maty. 10 Nagnavosy anay tamy loza mahafaty zay Izy,dra bo hagnavosy draiky . Zahay dra nametraky gny tokinay taminazy fa bo hagnafaky anay draiky Izy. 11 Izy dra hanao anizay satria andrareo koa dra magnapy anay amin'gny alalan'gny vavakindrareo. Dra maro laha teo gny hagnome fisaora amy agnarany noho gny tombom-pahasoava nome anay tamin'gny alalan'ireo vavaky gny maro. 12 Zahay dra mirehareha amin'izao: fisangana vavolombelo gny amy feon'gny fieriseretanay. Fa tamin'gny fikasa malio vo fahasoram-po ze avy amin'Agnahary ze nindesanay gny vatanay ao amin'izao totolo zao. Zahay dra nahavita anizay aby zay dra gny ankamaroany niaraky tamindrareo- sy tamin'gny fahendren'izao totolo zao, fa tamin'gny fahasoavan'Agnahary. 13 Zahay dra sy nanorasy raha sy ho voavaky na ho azondrareo. Zaho dra manatena fa, 14 satria andrareo nahazo gny momba anay amin'gny ampahany, zahay dra ho aton'gny reharehandrareo amy andron'i Toposika Jesosy, tahaky andrareo ho atony hireharehanay. 15 satria natoky gny momba anizay zaho, dra e ho agny amindrareo aloha, ba hahafahandrareo mahazo tombony amin'gny fisiliha ro. 16 Nioma gny hagnety andrareo gny fa tegny amin'gny lalako ho agny Makedonia zaho. Dra laha teo dra bo nagniry hagnety andrareo draiky zaho tamin'gny liako laha tagny Makedonia, dra gny ba hagnaterandrareo anahy tegny amy lalako ho agny Jodia . 17 Gny fa nieriserisy manahaky anizao zaho, nisalasala se zaho? Nagnoma gny raha reo araky gny nofo se zaho, ba izakako ''Eka,eka'' vo ''Haha, haha''amin'gny fotoa raiky avo/ 18 Fa satria Zagnahary dra mahatoky , isika dra sy afaky gny hizaka dre ''Eka''dre ''haha.'' 19 Fa gny Zanak'Agnahary, Jesosy Kristy, ze nitorian'i Sylvanosy, Timoty dra zaho tamindrareo, dra sy ''Eka'' dre ''haha''. Fa Izy dra nizaka avo ho ''eka''. 20 Satria gny fampanatenan'Agnahary aby dra ''Eka''avo koa ao aminazy. Dra amin'gny alalany koa isika dra hizaka ho:''Ameny''ho agny voninahisin'Agnahary. 21 Dra Zagnary ze magnamafy anay amindrareo ao amin'i Kristy, dra Izy gny nagniraky asika. 22 Izy dra nagnisy tombo-kase tamisika dra nagnome gny Fanahy ho ao am-posika ho atok'izay bo ho omeny asika afara. 23 Fa nitoka an'Agnahary zaho, hisanga vavolombelo ho anahy ze atony sy nahaviako tao Korito ba hamindrako fo amindrareo. 24 Zay dra sy sagnatria noho zahay miezaky gny mamehy ze tokony ho finoandrareo. Fa dra, zahay dra miara-miasa amindrareo amin'gny fifaliandrareo, satria andrareo misanga ao amin'gny finoandrareo.