toko faha 31

1 Dra reo Filistina nialy nanohisy an'i Israely. Dra gny lelahin'Isarely nienga teo alohanigny Filistiny dra lavo maty teo aminigny tendrombohis'i Gilboa. 2 Reo Filistina nagnitriky mariny an'i Saoly vo reo zanadahiny. Nivonon'ireo Filistina i Jonatana, Abinadaba , dra i Malkisoa, zanadahiny. 3 nihaheza teo agnatrehan'i Saoly gny aly, dra reo pandefa zanasipiky nahavoa anazy. Tao agnatinigny fatahora fatrasy izy nohonigny amin'ereo. 4 Dra hoy i Saoly taminigny pinday gny feliany: "Aboaho gny mesanao dra trabaho amizay zaho. Raha sy zay, reo sy voa fora reo gny ho avy dra hagnararaosy anahy." Fa sy nanao anizay gny pinday gny feliany, akory natahosy fatrasy izy. Ko nalan'i Saoly gny sabany dra nezera tambon'izay izy. 5 Gny fa hitanigny pinday gny felia fa maty i Saoly, dra nezera tagnabonigny sabany manahaky anizay koa izy dra maty nindray taminazy. 6 Dra maty i Saoly, reo zanany telo lahy, dra gny pinday felia__ reo lelahy reo dra nindray maty taminigny andro igny avo. 7 Gny fa hitanigny lelahin'Israely ze tegny apitanigny lohasaka, vo reo ze tegny andaf'i Jordana, fa nienga gny lelahin'Israely, dra maty i Saoly vo reo zanadahiny, dra nagnenga gny tanany vo nienga ereo, dra avy reo Filistina dra nino teo amireo. 8 Dra gny marainigny, gny fa avy angalaky reo faty reo gny Filistina, gny nahita reo an'i Saoly vo reo zanadany telo lahy lavo teo aminigny tendrombohisy Gilboa. 9 Nitapahinereo gny lohany vo nalany gny felia, dra nandefa reo pinday hafasy nanera reo tanin'ireo Filistina ba hinday gny vaovao agny aminigny tepoly sapin'ereo vo gny aminigny vahoaky ereo. 10 Natobin'ereo tao aminigny tepolin'i Astarta gny felia, dra gny vatany nifaheziny teo aminigny mandanigny tanan'i Beti-sana. 11 Gny fa nahare ze nataon'ireo Filistina tamin'i Saoly gny ponon'i Jabesy Gileada, 12 dra nisanga reo lelahy pialy aby dra nandeha gny hariva manotolo dra nangalaky fatin'i Saoly vo gny fatin'ireo zanadahiny teo aminigny mandan'i Beta-sana. Nagnagny Jabesa ereo dra noroany teo reo. 13 DRa nalan'ereo gny tolareo boak'eo dra naleviny tambaninigny hazo tamarika tao Jabesy, dra nifaly hany nandrisy gny fito andro ereo.