Toko faha 30

1 Dra gny fa avy tagny Ziklaga i Davida vo reo olony taminigny andro fahatelo, dra nanafiky teo amigny Negeva vo teo amin'i Ziklaga reo Amalekita. Nanafiky an'i Ziklagaereo, dra apela vo gny olon' aby ze tao aminizay, na masaiky na lahibe. Sy namono na iza na iza izy reo, fa ninday anazy reo raha nandeha taminigny lalany. 3 Gny fa nagnagny aminigny tana i Davida vo reo olony, dra fa ma zay, vo reo valiny apela dra nalany ho babo. 4 Boak'eo dra napiakapeo i Davida so reo olo nindray taminazy vo nitomagny mandrapahasy nisianigny hery hitomagniany sasy. 5 Voababo reo valin'i Davida ro; Ahinoama jezaralita, dra Abigaila valin'i Nabala Karmelita. 6 Ory tateraky i Davida akory nizaka momba gny hitoraha vato anazy gny vahoaky, akory malailay ara-pagnahy gny vahoaky aby, gny olo sirairay naha gny amireo zanadahiny vo reo anakapelany; fa Davida nagnatazaky gny vatany tamin'i Yaveh, Zagnahariny. 7 Hoy i Davida tamin'i Abiatara zanak'i Ahimeleka, gny pisoro: "Mengavy aminao zaho, Andeso aminahy gny efoda." Dra nandesin'i Abiatara teo amin'i Davida gny efoda. 8 Nangataky torolala tamin'i Yaveh i Davida, nanao anizahoky ho: "Raha magnezik'io atoko io zaho, ho azoko ra ereo?" Dra Yaveh namaly anazy: " Hitrifo, fa ka atoka fa ho azonao vatany ereo, vo ka atoka fa hagnery gny raha aby hanao." 9 Dra nandeha i Davida, izy vo reo enizato lahy ze nindray taminazy; dra avy tagny aminigny reniranon'i Besora ereo, ze nizano reo ze tara tagny afara. 10 Fa nanohy gny fagnezeha i Davida, izy vo reo efazato lahy; fa gny rozato nizano tao afara, ze tena osa dra sy afaky nandeha eo amigny lohasakandriak'i Besora. 11 Nahita Egyptiana raiky tegny agnahisy ereo dra ninday anazy tagny amin'i Davida; namen'ereo mofo izy, dra nihina; namen'ereo rano ho nomy izy; 12 dra namen'ereo reo apahamofo mamin'aviavy vo sapam-boaloboky ro izy. Gny fa nihina izy , dra nahazo hery,akory sy nihina mofo na nino rano natrisy gny telo andro vo telo hariva izy. 13 Hoy i Davida taminazy: " An'iza moa hanao? Boak'eza hanao?" Dra hoy izy: "Tovolahin'i Egypta zaho, panoponao Amalekita raiky; nagnenga anahy gny topoko akory narary telo andro zaho zay. 14 Nanafiky an'i Negevan'i Keretita zahay, vo zay an'i Joda, dra Negevan'i Kaleba, dra noroanay i Zaklaga." 15 Hoy i Davida taminazy: "Hinday anahy hizoso agny aminigny atoko panafiky ra hanao?" Hoy gny Egyptiana: "Miania aminahy amin'Agnahary ba sy hamonoanao anahy na hamadihanao anahy eo apelatagnanigny topoko, dra hinday anao hizoso amizay atoko panafiky zay zaho." 16 Gny fa ninday an'i Davida nizoso gny Egyptiana, dra niparitaky teo aminigny tany aby reo panafiky, nihina vo nino vo nisizaky noho reo babo aby ze nalan'ereo taminigny tanin'ireo Filistina dra taminigny tanin'i Joda. 17 Nanafiky anereo i Davida nanomboky gny hariva dra hatraminigny harivanigny andro magnaraky. Sy nisy na olo raiky aza tafenga afasy reo tovolahy efazato, ze nitikisy rameva dra nienga. 18 Dra nahafihery i Davida ze nalan'ireo Amalekita aby; dra voavos'i Davida reo valiny ro. 19 Sy nisy raha sy apy, na kely na lahibe,na reo zanadahiny na reo zanak'apelany aby, na reo babo, na gny raha aby ze nibaboin'ireo panafiky honazy reo. Naherin'i Davida gny raha aby. 20 Nalan'i Davida reo agnondry aman'osy aby vo reo agnomby, ze nandesinireo olon'aloha gny biby teza hafa. Hoy ereo ho: "Reo gny babon'i Davida." 21 Boak'agny amireo olo rozato ze tena osa raha hagnaraky anazy i Davida,reo ze nataon'ireo hafa nizano tagny aminigny reniranon'i Besora. Reolelahy reo dra nandrosa ba hihao amin'i Davida vo reo vahoaky nindray taminazy. Gny fa avy teo amireo olo reo i Davida, dra niarahaba anereo izy. 22 Reo olo rasy fagnahy vo reo namana sy misy italiava anazy teo am'ireo izay fa nandeha nidray tamin'i Davida nizaka ho:'' Satria sy nandeha nindray tamisika ireo lelahy ireo, dra sy hagnome anazy ireo babo izay fa azosika sika. Raha sy hoe afaky mangalaky gny valiny vo ireo zanany ireo lelahy kiraikiraiky, dra nitariky anazy ireo, dra nandeha.'' 23 Dra hay i Davida: ''Sy tokony hanao izay, amin'izay fa namen'i Yaveh asika, handrareo ry rahalahiko. fa narovany sika dra fa natolony teo an-tagnasika ireo panafiky izay avy manohisy asika. 24 Iza gny hiteno anao amin'izay tranga izay? fa gny fizara dra ho an'izay mandeha amigny aly, vo ho an'ny olo izay mandigny gny atana avo koa; fa hizara mitovy izy ireo. '' 25 Dra toy izay gny tamin'izay andro izay dra hatramin'izao, satria nataon'i Davida ho didy vo lalana ho an'ny Israely izay. 26 Gnifa avy tamigny Ziklaga i Davida, dra nandefa gny gnilany taminereo babo ho an'ereo loholon'i joda, ho an'ereo namany ze, nanao ho: ''Igniho, inty misy fano meza ho anao aby amign'ilay babo aby amign'ereo fahavalon'i Yaveh.'' 27 Nandefa gny gnilany tamigny amign'ereo loholona ze agny betela ihagny dra ze, dra ho an'ereo ze tagny ramodagny asimo, vo ho an'ereo ze agny aroera,vo ho an'ereo ze agny sifmota dra ho an'ereo ze agny estemoa. 29 Nandefa gny ilany tagny amireo oloholo ze agny Rakala, vo reo ze agny aminigny tanan'i Jeramelita, dra reo ze agny aminigny tanan'ireo Kenita, 30 dra ho an'ireo ze agny Horma, vo reo ze agny Korsana, dra ho an'ireo ze agny Ataky, 31 vo reo ze agny Hebrona, dra amireo toeran'aby ze nandehanan'i Davida vo reo olo matetiky izy.