Toko faha 25

1 Dra maty i Samoela. Nindray nivory gny Israely aby vo nandala anazy, dra nalevin'ereo tagny atragnony tagny Rama izy. Dra nandeha i Davida vo nizoso nagnagny agnefisy Parana. 2 Nisy lelahy raiky tagny Maona, zay tagny Karmela gny Fanagnany. Tena manandraha ralelahy. Nana agnondry telo arivo vo osy arivo izy. 3 Nagnety gny agnondriny tagny Karmela izy. Nabala gny agnaranigny ralelahy, dra gny agnaranigny valiny dra i Abigaila. Naragnisay gny apela vo soa endriky. Fa gny lelahy koa masiaky sady rasy tamigny fitondrany. Taranaky gny avan'i Kaleba izy. 4 Ren'i Davida tagny agnefisy fa nagnety gny agnondriny i Nabala. 5 Ko dra nandefa tovolahy folo izy. Dra hoy Davida tamireo lelahy: "Mekara agny Karmela, mandehana agny amin'i Nabala, dra miarahaba anazy amigny agnarako. 6 Zakaondrareo aminazy ho: 'Miveloma agnaty fagnambina. Fedagna anie honao dra fedagna anie hoanigny akohonanao, vo fedagna anie ho ani'ze hanagnanao 7 Reko fa mana pagnety maro hanao. Fa nindray taminay reo perakandronao,vo sy nagnisy rasy anazy reo zahay, vo sy nisy na ino na ino sy apy taminereo fony tagny Karmela. 8 Agnotanio gny tovolahinao, dra ho zakan'ereo aminao. Dra angao reo tovolahiko hahita eo imasonao, fa sy maisy avy zahay amigny andro fety. Ba omeo re na ino na ino hanagnanao eo atagnanao honireo panoponao vo hin'i Davida zanadahinao."' 9 Gny fa avy gny tovolahin'i Davida, dra nizakan'ereo tamin'i Nabala ho an'i Davida avokoa zao aby zao, boak'eo dra nandigny ereo. 10 Namaly reo panopoan'i Davida i Nadala nanao anizahoky ho: "Iza moa i Davida zao, dra iza zay zanadahin'i Jese ? Nisy panopo maro zay nisandala taminigny topon'ereo tamizay andro zay. 11 Tokony hangalaky gny mofoko vo gny ranoko dra gny henako ze fa nivonoko ho anigny pihetiko zaha, dra hagnome anizay ho anigny olo ze sy fataso akory ho avy eza?" 12 Dra nihery vo nandeha noly gny tovolahin'i Davida, dra nizaka anizay aby voazaka taminazy. 13 Dra hoy Davida tamireo olony: "Apetaho gny mesanigny olo sirairay." Dra nametaky gny sabany avo koa i Davida. Lelahy teo amigny efazato teo gny nagnaraky an'i Davida, dra rozato gny nizano teo agnilanigny eta. 14 Fa nizaka tamin'i Abigaila, valin'i Nabala, gny raiky tamireo olo, nanao anizahoky ho: "Nandefa iraky boak'agny agnefisy ba hiarahaba gny toponay i Davida, dra nisirasirany ereo. 15 Kanefa tena soa taminay vatany gny olo. Fa sy nisy nazo anay vo sy nisy apy taminay raha bo nandeha nindray tamin'ereo koa zahay fony tagny amireo saka. 16 Manda ho anay ereo na andro na hariva, nandrisy anizy nindresanay tamereo niarakandro zay. 17 Noho zay fataro zay vo hevero ze hataondrareo, fa misy rasy kasay hatao amigny toponay, vo gny havanay. Dra gny rasy fagnahy vatany izy hany ka sy misy raiky mizaka anazy." 18 Boak'eo Abigaila nangalaky mofa rozato malaky, divay ro tavoangy, agnondry voavarosy dimy, fatra-dango maiky dimy, mifo voaloboky zato, vo apepan'aviavy rozato, dra natobiny teo agnabon'ireo bariky reo. 19 Dra hoy izy tzmigny tovolahiny: "Mandehana eo alohako, dra hagnaraky anao zaho boak'eo." Saiky sy nizaka tamin'i Nabala valiny izy. 20 Gny fa nitikisy gny borikiny izy dra nizoso agnilanigny havoa, Davida vo reo olo nizoso nagnegny aminazy, vo nifakahita tamin'ereo izy. 21 Dra nizaka Davida ho: '' dra zavapoa gny niambenako izay rehetra nanagna' io lelahy io tagny agnefisy, fa sy nisy na ino na ino levo izay rehrtra anazy, dra nivaliny rasy gny soa nataoko anazy. 22 Hanao manahak'ian'izay aminahy anie Zagnahary, ry Davida, dra mihoasy aza,raha magnenga na dra lelahy raiky amireo zay anazy zaho mandra maraindray." 23 Gny fa nahita an'i Abigaila i Davida, dra nizasomalaky boak'eo amigny borikiny vo nandohaliky sady niondriky vo napekohoky gny vatany teo amigny tany teo agnatrehan'i Davida. 24 Nandohaliky teo amigny tombony izy vo nanao anizahoky ho: "Hominahy raiky avo, ry topoko, gny fahameloha. Angao re gny panoponao ba hizaka aminao, vo mitenoa reo zakanigny panoponao 25 Aoky sy hagnety an'io Nabala, lelahy rasy fagnahy io gny topoko, fa araky gny agnarany, dra manahaky anizao avo koa. Nabala gny agnarany, vo miaraky aminazy hmy hamola.Fa zaho panoponao dra sy nahita reo tovolahinigny topoko, zay nalefanao. 26 Amizao, ry topoko, raha bo velo koa i Yaveh, vo raha bo velo koa hanao, akory narovan'i Yaveh tamigny fandasahan'dio, vo tamigny famalinigny vatanao tamigny tagnanao avo hanao, dra aoky reo fahavalonao, vo reo ze mety hanao rasy anao amigny topoko, hanahaky an'i Nabala. 27 Dra aoky ty fagnomeza ze fa nandesinigny panoponao tamigny topoko tihoky ba hatolosy ho anireo tovolahy ze mignaraky gny topoko. 28 Ba avelao re gny fahadisoanigny panoponao, fa hananga fonegna azo atoky ho anigny topoko vatany i Yaveh, akory mialy gny alin'i Yaveh gny topoko; vo gny rasy dra sy ho hita egny aminao raha bo velo koa hanao. 29 Dre misanga hagneziky ba hanaisosy gny hanao aza reo lelahy, dra fa ho fehazin'i Yaveh Zagnaharinao amigny fatoranigny velo gny ainigny topoko; vo hariany gny ain'ireo fahavalonao, eo amigny fosinigny asamotaly. 30 Dra hataon'i Yaveh amigny topoko reo aby napanatenany anao, araky gny nanendreny anao ho pinday eo amigny Israely. 31 Sy ho eta-mavesasy honao___ gny nandasahanao lio sy manasigny, na nohonigny nagnandramanigny topoko hagnavosy gny vatany. Fa gny fa hanao soa ho anigny topoko i Yaveh, dra sarovy gny panoponao." 32 Dra hoy i Davida tamin'i Abigaila: "Isaora anie Yaveh, zagnaharin'i Israely, Izy gny nandefa aminahy anio. 33 Ho tahy gny fandresenao, vo ho tahy hanao, akory fa narovanao tamigny fandasahan'dio vo famalia faty gny vatako tamigny tagnako avo zaho! 34 Fa raha gny marina, raha bo velo koa i Yavrh, Zagnaharin'Israely, Izy gny niaro anahy sy handrasy anao, raha sy nandeha malaky hihao aminahy hanao, dra sy ho nisy nianga hi an'i Nabala afa-sy zaza lelahy madiniky raiky gny maray." 35 Ko dra nitakasy za nandesiny honazy aby amigny tagnany i Davida, hoy izy taminazy: "Mandehana miada agny amigny havanao; ingo, fa niteno gny feonao zaho, vo fa nagneky anao." 36 Dra nihery tagny amin'i Nabala i Abigaila; ingo, nanao fanasa tao atragnony izy, manahaky gny fanasanigny pazaka; vo gny fanigny pazaka faly tao agnatiny, akory mamo tateraky izy. Dra sy nizaka na ino na ino izy mandra-parainigny andro. 37 Nony maray , gny fa nisava gny divain'i Nabala, dra nizakanigny valiny tamigny reo raha reo, dra nilofoky tao agnatinigny fony, vo azarany manahaky gny vato izy. 38 Dra folo andro taty afara dra namely an'i Nabala i Yaveh dra maty izy. 39 Gny fa ren'i Davida fa maty i Nabala, dra hoy izy: "Isaora anie Yaveh, gny nangala gny fanirasira anahy boak'amigny tagnan'i Nabala, vo niaro gny panopony tamigny rasy. nahery gny rasy nataon'i Nabala teo amigny lohany avo izy." Boak'eo Davida nigniraky vo nizaka tamin'i Abigaila, ba hangalaky anazy ho valy. 40 Gny fa avy tagny amin'i Abigaila tagny Karmela reo panopon'i Davida,dra nizaka taminazy ereo vo nanao anizahoky ho: "Nandefa anay hotiky aminao i Davida ba hangalak'anao ho valy." 41 Dra nisangan'izy napekohoky gny vatany tamigny tany,vo nanao anizahoky ho: "Ingo, gny panopo vavinao dra panopo hanasa gny tomboky gny panoponigny top[oko." 42 Dra nisanga malaky i Abigaila, dra nitikisy gny boriky nindray tamireo panopo vavy dimy ze nagnaraky anazy; dra nagnaraky reo irak'i Davida izy dra lasa valiny. 43 Dra nalan'i Davida ho valy avo koa Ahinoama Jezirela; dra samby lasa valiny ereo ro. 44 Dra koa, Saoly nanolosy an'i Makala zanany apela, valin'i Davida, ho An'i Palty zanadahin'i Laisa, zay boak'agny Galima.