Toko faha 24

1 Gny fa nihery avy nagnitrik'anireo Filistina i Saoly, dra nizaka taminazy ho: " Agny agnefis'i En-jedy i Davida." 2 Boak'eo i Saoly dra nangalaky lelahy telo arivo voafaty boak'amin'Israely aby dra nandeha nitalia an'i Davida vo reo lelahy tegny amigny vatolapin'ireo Osi-Dia. 3 Nagneo amigny valan'agnondry tegny an-dala izy, ze nisy zohy raiky. Nidisy tao ba hanao maloto i Saoly. Dra Davida vo reo lelahiny dra nitoby lavisy tafarany ao amigny zohy. 4 Hoy reo lelahin'i Davida taminazy ho: "Tihoky gny andro ze nizakan'i Yaveh gny fa nizaka taminao Izy ho: ' Hatoloso eo apelatagnanao reo fahavalonao, ba hanovanao ze tianao hatao aminazy."' Boak'eo Davida nisanga dra nandaly moramora dra nanapaky gny moronigny akazo lavan'i Saoly. 5 Gny fa afak'anizay dra napahory anazy gny fon'i Davida akory nanapaky gny moronigny akazo lavan'i Saoly izy. 6 Hoy izy tamireo lelahiny ho: "Yaveh anie handrara gny hanovako zao raha zao amigny topoko, gny voahosos'i Yaveh, dra gny hanizirako gny tagnako aminazy, raha mahita fa voahosos'i Yaveh izy." 7 Dra nizaka fatrasy an'ireo lelahy tamireo zaka reo Davida, dra sy nagnenga anazy reo hamely an'i Saoly. Nisanga i Saoly, nagnenga gny zohy, dra nandeha tamigny lalany. 8 Gny fa afaky zay, dra nisangan'avo koa i Davida, nagnenga gny zahy, dra nitoka an'i Saoly ho: "Ry pazaka topoko." Gny fa nagnety anazy boak'ao afaren'i Saoly, dra napekohoky gny tavany tamigny tany i Davida dra naneho fagnazan'anazy. Hoy i Davida tamin'i Saoly ho: "Nagnino hanao gny miteno reo lelahy ze manao ho: ' Ingo, te hanao rasy anao i Davida?' 10 Amizao hitanigny masonao gny fomba nanobian'i Yaveh anao teo apelatagnako tamisika tao azohy. Gny ilany nizaka taminahy ba hamono anao, fa namindra fo taminao zaho. Hoy zaho ho: 'Sy hagnizisy gny tagnako aminigny topoko zaho; akory voahosos'i Yaveh izy.' 11 Ingo, ry rako, atio gny moro-tombokak'akazo lavanao eo apelatagnako. Fa gny atony nanapahako gny moro-tombonak'azoko lavanao vo sy namonoako anao, dra ba ho fatasao vo hitanao fa sy misy rasy na fivadihan'ato apela-tagnako, dra sy nanota taminao zaho, na mizaha gny aiko ba hahafaty anahy aza hanao. 12 Yaveh anie hisara anahy vo hanao, dra Yaveh anie hamaly faty anahy aminao, fa gny tagnako dra sy tokony hanohisy anao. 13 Araky gny zakanigny ohabolanigny ntaolo ho: ' Avy amigny rasy fagnahy gny hevianigny faharasia.' Fa sy hanohisy anao gny tagnako. 14 Hon'iza gny niboahanigny pazakan'Israely? Iza gny ezehinao? Amboa maty! Parasy! 15 Yaveh anie ho pisara vo hagnome fisaran'anahy vo hanao, dra hagnety amizay, dra hisolo vava anahy vo hagnenga anahy hienga amigny tagnanao." 16 Gny fa avy nizaka reo zaka reo tamin'i Saoly i Davida, dra hoy i Saoly ho: "Feonao ra zao, ry Davida zanako?" Nanandrasy gny feony i Saoly dra nitomagny. 17 Hoy izy tamin'i Davida ho: "Marina vatany hanao mihoasy anahy. Akory namaly soa anahy hanao, gny fa namaly rasy anao zaho. 18 Zinakanao amizao gny fomba nanovanao soa taminahy, akory sy namono anahy hanao raha nataon'i Yaveh teo atagnanao gny aiko. 19 Fa raha misy lelahy mahita gny fahavalony, dra handefa anazy apedagna ra izy? Yaveh anie hamaly sao anao amizay vitanao fa ho pazaka vatany hanao dra hapetraky eo apelategnanao gny fazakan' Israely. 21 Miania aminahy amin'i Yaveh fa sy hamongosy reo taranaky mandimby anahy hanao, dra sy hamotiky gny agnarako hiala amigny fian-drako." 22 Noho zay dra nanao fiania tamin'i Saoly i Davida. Boak'eo dra nandeha noly i Saoly, fa i Davida vi reo lelahiny koa nandeha niakasy tagny amigny ferova fatrasy.