Toko 1

1 Petera, apostolon'i Jesosy kristy, ho an'ireo zanakapelany, reo ze voafily, manera an'i Ponto, Galitia, Kapadokia, Asia, dra Bitynia. 2 Zay dra araky gny fatasy zagnahary ray aloha, voatokan'ny fagnahy ho fakatoava vo ho famafaza gny lion'i Jesosy Kristy. Ho amindrareo anie gny fahasoava, dra hitombo anie gny fiadagnandrareo. 3 Ho tahiny Zagnahary vo baban'i Jesosy Kristy toposika. Tamigny famindra_pony, gny nagnomezany asika fahaterahana vaovao ho an'ny fahatokisan'ny lova. Izay lova zay dra tamigny alalan'ny fisanganan'i Jesosy Kristy tamigny maty. 4 Zay dra ho an'ny lova zay sy ho maty, sy ho sola, dra sy ho levo. Zay dra voatoka ho andrareo agny an-dagnisy. 5 Handrareo dra arovan'ny herin'i Zagnahary amigny alalan'ny finoa, ho an'ny famozena zay fa vonona ho zaka amigny fotoa farany. 6 Tena falifaly momba izay handrareo, na dre taliavindrareo aza gny hahasiaro malahelo amigny ola maro samy hafa amizao. 7 Zay dra ho an'ny fagnaporofoa gny finoandrareo, zay sarobidy loasy nohonigny volamena zay sola, na dre noroa tamigny afo aza. Miboaky zay ba ho hita gny vakany gny finoandrareo amigny fiderana, vaninahisy, dra haza amigny hiboahan'i Jesosy Kristy. 8 Sy nahita anazy handrareo, nefa tia anazy. Sy mahita anazy handrareo amizao, kanefa mino anazy dra tena falifaly amigny fifalia sy hay zaka, mahafinarisy. 9 Resindrareo amizao gny vokany gny finoandrareo, dra gny famozena gny fagnahindrareo. 10 Reo paminany dra nikaroky vo nagnotany soa gny momba izay famozena izay, gny momba gny fahasoava izay ho andrareo. 11 Izy reo dra nitalia gny hahafatasy gny momban'ny ho iza vo ombia gny fagnahin'i Kristy ao amin'ereo gny nizaka tamin'ereo. Izay dra niseho manahaky gny zinakany anazy reo taloha momba reo fizalian'i Kristy vo gny vaninahisy magnoriky izay. 12 Nizaka tamin'ereo zay ba sy hanopo gny vatany ereo, fa handrareo, aby nizaka anio raha io voazaka tamindrareo amizao izy reo tamigny alalan'ireo izay nitory gny filazasara tamindrareo tamigny alalan'i fagnahy masy nalefa avy agny an-dagnisy--Gny raha tian'ireo azely ho fatasy. 13 Noho izay omano gny saindrareo. Mahognona tegna.Manobia fitikia amigny fahasoava zay handesy eo amindrareo amigny hisehoan'i Jesosy Kristy. 14 Amigny maha-zanaky pakato, aza mapifagnaraky gny tegnandrareo am'ireo fagniria izay narahindrareo tamigny bo sy nahay andrareo. 15 Fa manahaky gny raiky izay nitoka andrareo ho masina, handrareo, avo koa, aoka ho masy amigny fitondra-tegnandrareo aby. 16 Fa voasorasy ho: "Aoka ho masy, satria masina zaho." 17 Dra gny mitoka gny raiky zay mizaka sy misy fagnavakavaha araky gny asan'olo kiraikiraiky aby ho: "Ray" handrareo, dra handany gny fotoan'androndrareo amigny fanehoha fagnaza. 18 Fatasindrareo fa sy avy tamigny volafosyna volamena mety levo gny nagnavotany andrareo tamigny fitondra-tegna mola izay nianarandrareo tamigny razandrareo. 19 Fa koa, navota tamigny lio sarobidin'i Kristy handrareo, zay manahaky gny zanak'agnondry sy misy kilema dre raiky. 20 Voafily talohan'ny nanangana an'izao totolo izao Kristy, fa amizao dra tamin'ireo fotoa farany gny nizaka anazy tamindrareo. 21 Amigny alalan'ny gny hiniandrareo anazy tamigny maty vo tam'ireo nameny vaninahisy ba ho ao amin'i Zagnahary gny finoa vo gny fahatokiandrareo. 22 Nagnaligno gny fagnahindrareo tamigny fakatoava gny fahamarina handrareo. Izay dra ho an'ny fitiava ara_pirahalahia malio; noho izay mifakatiava fatrasy amigny fo. [ fagnamariha: reo dika-teny sasany dra mivaky ho: ''nagnalio gny fagnahindrareo tamigny fakatoava gny fahamarinandrareo tamigny alalan'i fagnahy handrareo"] 23 Nateraky ndraiky handrereo, sy avy amigny voa mety maty, fa avy amigny zakan'i Zagnahary velo vo mitoboky. 24 Fa ''gny nofo aby dra manahaky gny ahisy, dra gny voninahiny aby dra manahaky gny vonikazon'ny ahisy. Maiky gny ahisy, dra malazo gny raviny, 25 Fa gny zakan'ny tompo dra mitoboky mandrakizay.'' Izay gny vaovao mahafaly zay zinaka tamindrareo.