Toko volohany 1

1 Nanomboky amy fiandohant zay fa renay,ze fa hitanay tamin'ereo masonay,ze fa natianay ,dra ze fa nikasihan'gny tagnany-zay dra momba gny Zaka fiaigna. 2 Manahaky anizay avo koa ,gny fiaigna dra nampahafatary ,dra fa hitanay zay,dra misanga vavolombelo amin'izay zahay. Zahay dra manambrara amindrareo gny fiaigna mandrakizay,ze tao amin'gny Ray,dra ze fa nampahafatary anay. 3 Ze fa hitanay vo renay dra ambaranay amindrareo avo koa,ba hanagnandrareo fifandraisa aminay avo koa. Gny fifandraisa misy eo aminay dra amin'gny Ray vo amin'gny Zanany, Jesosy Kristy. 4 Manahaky anizay zvo koa, manorasy reo raha reo ho andrareo zahay ba ho tateraky gny fifaliasika . [ Fanamarigna: Reo dika-zaka taloha gn'ilany dra mivaky manahaky izao:''Dra manorasy reo raha reo zahay ba ho tateraky gny fifaliandrareo.''] 5 Zao gny hafasy ze renay laha taminazy dra ambaranay amindrareo: Zagnahary dra fahazava,dra ao Aminazy dra sy misy hezy mihizy. 6 Raha mizaka isika fa mana fifandraisa Aminazy dra mandeha ao agnatin'gny Hezy dra mavandy isika dra sy manao gny mary. 7 Kanefa fa raha mandeha ao amin'gny fahazava isika tahaky Anazy ao amin'gny fahazava,dra mana fifandraisa amin'gny kirairaiky aby isika,dra gny lion'i Jesosy Zanany gny magnalio asika amin'gny fahota aby. 8 Raha mizaka isika fa sy manam-pahota,dra mamitaky gny vatasika isika,dra gny fahamarigna dra sy ao amisika. 9 Nefa raha miaiky reo fahotasika isika,Izy dra mahatoky vo mary amin'gny famelana reo fahotasika dra magnalio asika amy sy fahamarigna iaby. 10 Raha mizaka isika fa sy bo nanota,dra manao Anazy ho mpavandy, dra sy ao amisika gny zakany.