Toko faha 3

1 Ankehitriny, ry malala, manoratra ho anareo ity taratasy faharoa ity iaho ho fampatsiarovana andôsina hamporisihina ny saignareo madio, 2 mba hahatsiarovanao ireo jaka nijakain'ny mpaminany masina tagny taloha sy ny didin'ny Tompo sy Mpamonjy antsena ijay nomen'ireo apostolinareo. 3 Fantaro aloha ijao, fa ny mpaniratsira die ho avy amin'ny andro farany. Areo die hagneso ary handeha araka ny filàjan-dreo manokagna. 4 Areo die hijaka hoe: "Aja ny fampanantenagna ny amin'ny fiveregnany? Fa hatramin'ijay nahafaty ireo rajambe, die tsy niova ny raha abiaby, eka fa hatramin'ny fiantombohan'ijao tontolo ijao aja.'' 5 Areo die minia magnadigno fa ny lagnitre sy ny tany die nisy avy tamin'ny rano ary tamin'ny alalan'ny rano, fotôgna ela, 6 nohon'ny didin'Andriamanitra, ary tamin'ny alalan'ireo raha ireo, no nandravana ny tontolo tamin'ijany fotôgna ijany, tamin'ny tondra-drano. 7 Fa ankehitriny ny lagnitre sy ny tany die natokagna ho an'ny afo amin'ny alalan'io didy io mandy. Areo die vôtokagna ho amin'ny andron'ny fitsarana sy ny fandringanagna ny olo ratsy fagnahy. 8 Ôka tsy ho adignonareo, ry malala, fa ny indraika andro amin'ny Tompo die hôtrin'ny arivo taogna, ary ny arivo taogna hôtrin'ny indraika andro. 9 Ny Tompo die tsy ela amin'ny fagnantanterahana ireo fampagnantenany, araka ijay lajain'ny saragny ho fahelany. Fa koja, Ijy die maharitre aminareo. Tsy tiany hisy ho very anareo, fa mba ho tonga amin'ny fibebahana ny abiaby. 10 Na ijany aja, ho avy hotrin'ny mpangalatra ny andron'ny Tompo: Ny lagnitre die hanjavogna miaraka amin'ny feo mahare. Ny raha abiaby die ho main'ny afo, ary tany sy ireo asa ao amin'ajy die hambara. (Fagnamarihana: Ireo dikan-teny saragne die mivaky hôtran'ijao: ''Ny raha abiaby die ho main'ny afo, ary ny tany sy ireo asa ao amin'ajy die ho dorana abiakoa.") 11 Koa laha ho levogna hôtran'ijany ijao raha abiaby ijao, die tokony ho olona manao akory anareo? 12 Tokony hiaigna amin'ny fahamasignana sy ny fiaignana araka an'Andriamanitra anareo. Tokony hagnantegna ary hampahalaky ny fiavian'ny andron'Andriamanaitra anareo. Amin'ijany andro ijany, ny lagnitra die ho levon'ny afo, ary ny raha abiaby die hiempo amin'ny hafanana be. 13 Fa araka ny fampagnatenany, die mandigny ny lagnitra vaovao sy tany vaovao antsena, ijay hitoeran'ny fahamarignana 14 Noho ijany, ry malala, satria magnategna an'ijany raha ijany anareo, manôva ny tsara indrindra aby agny aminareo mba tsy hisy pentigna sy tsy hanan-tsiny eo ankatrehany am-piadanagna. 15 Ary mandy koa, eritrereto ny faharetan'ny Tompontsena amin'ny famonjena, hôtran'ny nosoratan'i Paoly rahalahy malalantsena taminareo, araka ny fahendrena ijay nomena an'ajy. 16 Paoly die mivoria an'ijany raha ijany ao amin'ny taratasiny abiaby, ijay misy raha sarotre takarina. Olo tsy misy fahalalana ary tsy miorina no magnova iregny raha iregny hôtran'ny hanaovany ireo soratra masina hafa mandy koa, ka mahatonga fahaverejagna ho an'ny tegnany 17 Noho ijany, ry malala, satria fantatrareo ijany raha ijany, die tandremo ny tegnanareo mba tsy ho voafandriky ny fitakin'ny olo ratsy fagnahy ka ho very ny fahamarinanareo. 18 Fa mitomboa amin'ny fahasoavana sy fahalalana ny Tompontsena sy Jesôsy Kristy Mpamonjy antsena. Ho an'ajy anie ny voninahitra ankehitriny ary mandrakijay. Amena!