Toko faha 2

1 Ny mpaminagny sandoka die avy teo amin'ny olo, ary ny mpampianatra sandoka mandy koa die ho avy eo aminareo. Hitondra mangingigna sain-diso mamotika ijy ireo, ary handà an'ny Tompo ijay nividy anajy ireo. Ijy ireo die mitondra fahapotehana malaky amin'ijy ireo. 2 Maro ny hagnaraka ny fahakevokevohan'ijy ireo, ary amin'ny alalan'ireny no hijakana ratsy ny lalagny ny fahamarinana. 3 Amin'ny firenena no hagnararôtany anareo miaraka amin'ny jaka mamitaka. Tsy ho ela ny fagnamelohana an'ijy ireo; tsy mandry ny fahapotehan'ijy ireo. 4 Fa Andriamanitra tsy amindra fo amin'ireo anjely ijay nagnota. Fa koja nameny hômin'ny vilagny tany ijy ireo ba ho vôtagna amin'ny amin'ny gadran'ny fahamejignana mandrapeven'ny fitsarana.(Fagnamarihana: Ny dika teny saragny taloha die mivaky hôtran'ny jao: ''Ba hifihejina ao amin'ny lavaky ny fahamijegnana mandra-peven'ny fitsarana.'') 5 Ary hiany koa, tsy nagnavela an'ijao totonlo ijao taloha ijy. Fa koja, namonjy an'i Noah, ijay mpitory ny fahamarinana, miaraka amin'ny fito hafa, laha efa nitondraka ny safodrano tamin'ny ratsy fagnahy teto amin'ijao totonlo ijao ijy. 6 Andriamanitra mandy koa die nagnano ireo tanànan'i Sodoma sy Gomora ho lakevogna ary nagnameloka anajy ireo ho amin'ny fahapotehana, ho hôtran'ny ohatra amin'ijay hitranga amin'ny ratsy fagnahy. 7 Fa i Lota marina, ijay nampijaliana tamin'ny fitondran-tegnan'ireo olo tsy ara-dalàna tamin'ny fahakevokevohana, die nivonjen'Andriamanitra. 8 Fa ijany lelahy marina ijany, ijay niaigna niaraka tamin'ijy ireo isan'andro, fa die fadiranovana tamin'ny fagnahin'ny fahamarinany noho ijy hitany sy regniny. 9 Fantatry ny Tompo ny fomba hamonjena ireo olo tsara fagnahy amin'ireo fitsapana, sy fomba hitanana ireo olo tsy marina ho amin'ny fagnafejana amin'ny andron'ny fitsaràna. 10 Marina indrindra ijany hôn'ireo ijay manohy amin'ny fagniriena ratsin'ny nofo sy magnano tsinotsinona ny fahefana. Sahy sy mitompoteny fatratra ijy ireo. Ijy ireo die tsy matahotra hijaka ratsy ireo be voninahitra. 11 Ireo anjely die managna hery sy fahefana lehibe, fa ijy ireo die tsy mitondra fitsaràna maniratsira manohitra anajy ireo amin'ny Tompo. 12 Fa ireo biby tsy mana-saigna ireo die natao ho samborina sy potehina. Tsy fantan'ijy ireo ijay tsiratsirain'ijy ireo. Ho potika ijy ireo. 13 Handray ny voka-dratsin'ny raha ratsy namboariny ijy ireo. Mieritreritra ijy ireo fa ny tsy fihafena mandritry ny andro die fahafinaretana. Ijy ireo die ba pentipentigna sy tigny. Mahafinaritra anajy ireo ny asa famitahan'ijy ireo laha efa mihinagna miaraka aminareo. (Fagnamarihana: Ireo dika-teny saragny die mivaky hôtran'ny jao: ''Mahafinaritra anajy ireo ny asan'ijy ireo laha efa mihinagna miaraka aminareo amin'ny rahanim-pifakatiavana.'') 14 Adalam-biavy mijangajanga ijy ireo; tsy afa-po amin'ny fahotana ijy ireo. Mitarika fagnahy tsy mety maty hômin'ny fanôvandratsy ijy ireo, ary managna fo vôofagna amin'ny fagnirena ijy ireo. Janaky ny fagnojognana ijy ireo! 15 Niala tamin'ny lalagna mahitsy ijy ireo. Lasa nivily lalagna ijy ireo, ary nagnaraka ny lalagn'i Balama janak'i Beora, ijay tia ny tambin'ny tsy fahamarignana. (Fagnamarihana: ireo dika-teny saragny die mivaky hôtran'ny jao: ''Balama, janak'i Bosora.'') 16 Fa nahajo jaka ijy nohon'ny fandikan-dalàna manokagna. Nisy biriky môgna nijaka tamin'ny feon'olombelogna nanajanogna ny môlan'ny paminagny. 17 Ireo olo ireo die hôtran'ny lohataogna tsy misy rano. Hôtran'ny rahogna indôsin'ny tafio-drivotra ijy ireo. Natokagna hônajy ireo ny hejigna matevigna. 18 Mijaka tsy ampiheverana ijy ireo. Mangnetagna ny olo amin'ny alalan'ny filan'ny nofo ijy ireo. Ijy ireo die magnentagna ny olo ijay miejaka milefa ireo je miaigna agnaty ny fahadisôna. 19 Ijy ireo die mampagnantegna fahafahana hôndreo, kanefa ijy tegnany die andevon'ny fahalotôna. Fa ny olo die andevon'ijay manontolo maharesy anajy. 20 Na ija na ija afaka amin'ireo fahalotôn'ijao tontolo ijao amin'ny alalan'ny fahalalana ny Tompo sy Jesôsy Kristy Mpamonjy, ary aviteo miverigna amin'ny fahalotôna ndraike koa, die hanjary ratsy nohon'ny toe-javatra vôlohany ny toe-javatra farany. 21 Tsara kokoa hôndreo ny tsy mahafantatra ny lalàn'ny fahamarinana nohon'ny mahafantatra anijany die hivadika amin'ny didy masigna natolotra andreo. 22 Marina hôndreo itoy ohabolagna toy hoe: ''Ny amboa no miverigna amin'ny loane. Ny kiso efa nandro miverigna mihosim-potake.''