Toko 1

1 Ijay hatramin'ny fiandohana- ijay efa regninay, ijay efa hitanay tamin'ireo masonay, ijay efa nojerenay, ary ijay efa nokasihan'ny tagnanay- ijany die momba ny Tenin'ny fiaignana. 2 Hôtran'ijany mandy koa, ny fiaignana die nampahafantarina, ary efa hitanay ijany, ka mitsangagna vavolombelogna amin'ijany ahay . Ahay die magnambara aminareo ny fiaignana mandrakijay, ijay tao amin'ny Ray, ary ijay nampahafantarina anay 3 Ijay efa hitanay sy regninay die atoronay aminareo mandy koa, mba hanagnanareo fifandraisana aminay mandy koa. Ny fifandraisana misy eo aminay die amin'ny Ray sy amin'ny Janagny, Jesôsy Kristy. 4 Hôtran'ijany mandy koa, manoratre ireo raha ireo ho anareo ahay mba ho tanterake ny fifaliantsena. [Fagnamarihana: Ireo dikan-teny taloha saragne die mivaky hôtran'ijao:" Ary manoratre ireo raha ireo ahay mba ho tanterake ny fifalianareo.''] 5 tamin'Aje ka atoronay anareo: Andriamanitra die fahajavana, ary ao amin'Ajy die tsy misy menjigna mihintsy. 6 Laha milaja antsena fa managna fifandraisana amin'Aje ary mandeha ao anatin'ny menjigna, die mivandy antsena ary tsy magnano ny marina. 7 Kanefa laha mandeha ao amin'ny fahajavana antsena hôtran'Aje ao amin'ny fahajavana, die managna fifandraisana amin'ny kiraidraike aby antsena, ary ny ràn'ny Jesosy Janagne no manadio antsena amin'ny fahotana abiaby. 8 Laha milaja antsena fa tsy manam-pahotana, die mamitake ny tegnantsena antsena, ary ny fahamarinana die tsy ao amintsena. 9 Nefa laha magneke ireo fahotantsena antsena, Ijy die mahatoky sy marina amin'ny famelana ireo fahotantsena ary magnadio antsena amin'ny tsy fahamarinana abiaby. 10 Laha milaja antsena fa tsy mbola nagnota, die magnano an'Aje ho mpivandy, ary tsy ao amintsena ny jakany.