Toko faha 3

1 Nisy fariseo raiky angiagny hoe Nikodemosy,mpitariky Jiosy. 2 Nagnantogny an'i Jesosy tamign'andro hariva io lelà io da nizaka taminazy hoe: "Raby, lalanay fa mpampianatry izay avy amin'Andriamanitra Anao,satria tsy misy mahavita e famantaragny marobe aninao io Raha tsy miaraky amin'Andriamanitra." 3 Da Namaly anazy Jesosy nagnano hoe: "Zakaiko aminao marina, da marina tokôtry, fa Raha tsy hateraky indraiky gn'olo, da tsy nahita gne fanjakan'Andriamanitra izy." 4 Nikodemosy nizaka taminazy hoe: "Ame fomba Akognaia gne hahateraky gne olo raiky Raha efa antitry izy? Tsy afaky hitsofiky fagnindroiny antrokin'i endriny izy da hateraky, sa afaky avao?" 5 Namaly Jesosy hoe: "Zakaiko aminao marina,da marina tokôtry, fa Raha tsy hateraky tame rano sy gne Fagnahy e zanak'olo, da tsy afaky hiditry ame fanjakan'Andriamanitra izy. 6 Izay aterak'e nofo da nofo, da izay aterak'e Fagnahy da fagnahy. 7 Ka Gaga ame raha nozakaiko anao hoe: 'Tsy maintsy hateraky indraiky anareo.' 8 Gne rivotry mitsoky ndre aia andehanany; regninao e feony, fa tsy lalanao e nevisany na gnandehanany. Akô izany avakoa gnaterak'e Fagnahy." 9 Namaly Nikodemosy da nizaka taminazy hoe: "Akognaia gne fomba hahatanterahan'izany Raha izany?" 10 Jesosy namaly da nizaka taminazy hoe: "Mpampianatry an'Israely me anao, da mbola tsy azonao avao izany Raha zany? 11 Zakaiko aminao, marina, da marina tokôtry, fa e raha lalanay gne resahanay, sady anay magnambara gne momba e raha Hitanay. F'izy mbola tsy magneky e fagnambaranay anareo. 12 Raha nagnambara taminareo e raha tety an-tany Iao da tsy hinoanareo, ame fomba akognaia gne hatokianareo Ana raha hitantara aminareo gne raha misy an-dagnitry agny Iao? 13 Tsy nisy niakatry an-dagnitry afa-tsy Ilay nizoso avy tagny, da Gne zanak'Olo izany. 14 Da akô e nanandratan'i Mosesy e bibilava tame tany foagny, gne, gne tsy maintsy hanandratagny gne Zanak'olo, 15 mba hanagny fiainagny mandrakizay gne rehetra mino Anazy. 16 Fa Tena tian'Andriamanitra izao tontolo izao, da nomeny e Zanany lahy tokagny, mba tsy ho very izay rehetry mino Anazy fa hanagny fiainagny mandrakizay. 17 Fa Andriamanitra tsy nagniraky gne Zanany lelà ho am'izao tontolo izao mba hagnameloky izao tontolo izao, fa hamonjy izao tontolo izao amign'alalany. 18 Gne mino Anazy da tsy heloigny, fa gne tsy mino kosa da efa voaheloky sahady satria tsy mino gn'agnaran' e zanaky là raiky sy tokan'Andriamanitra. 19 Izao gn'antony gne fitsaràgny: Tonga teto amin'izao tontolo izao gne vahazavagny, f'izy naleony gne olombelo gne hizigny toy izay gne mazava 20 satria ratsy gne asa nataony. Fa gne olo magnano ratsy da mankahala gne mazava sady tsy magnantogny an'izany mba tsy ho hita miharihary gne asany. 21 F'izy, gne magnano e marigny da magnantogny gne mazava mba ho hita tsara fa gne asany da natao arakin'Andriamanitra. 22 Tafaran'izay, da nandeha te Jodia Jesosy miaraky amin-dreo mpianatriny. Nipetraky fotoagny vitsy tao niaraky tamindreo Izy da nambôtry batisa. 23 Da I Jaona avakoa nagnano batisa ta Ainona akekin'i Saleima satria maro gne rano tagny. Nagnantogny anazy e fokonolo da naigny batisa, 24 fa tsy mbola nalefa t'andragno mizigny Jaona. 25 Avy teo da nisy fifamaliagny tamin'e sasany amin'e mpianatr'i Jaona sy Jiosy raiky momba gne andro fisasagny. 26 Nagnantogny an'i Jaona indreo da nizaka taminazy hoe: "Raby, Gne raiky niaraky taminao t'ampitan'e ranon'i Joridana, e nambaranao, indro, magnano batisa izy, da magnantogny anazy avakoa indreo aby." 27 Da namaly I Jaona hoe: "Tsy afaky mandray ndre ino ndre ino gne olo raiky Raha tsy nomegny anazy avy t'an-dangnitry izany. 28 Anareo avao da efa afaky gne vavolombelogny ame Zakaiko hoe: 'Tsy Ilay Kristy iao,' f'izy: ' Nirahigny talohany.' 29 Gne ampekarigny da an'e mpgnakatry. Da gne sakezan'e mpagnakatry, izay mitsangagny da miteno anazy, da mifaly be nohon'e gn'aminy faharegnesany gne feon'e mpampakatry. Izany, ary, gne mameno gn'afaliako. 30 Tsy maintsy mitombo Izy, fa iao kosa tsy maintsy mihegny. 31 Izy izay avy agny amboniny da ambonin'e raha marobe. Izy izay avy eto an-tany da avy eto an-tany da miresaky momba gn'eto an-tany. Ze avy an-dagnitry da ambonin'e raha marobe. 32 Izy da magnambara gne momba gne raha hitany sady reny, f'izy da tsy misy mandray gne fagnambarany. 33 Ze nandray gne fagnambarany kosa da nagnamafy fa marigny Andriamanitra. 34 Fa gne raiky nirahin'Andriamanitry da nizaka gne gne zakan'Andriamanitry. Satria tsy nasiany fetry gne fagnomezagny gne Fagnahy. 35 Gne Ray tia gne zanaky lahy tokagny sady nametraky gne raha agnaby tam-pelatagnany. 36 Izay mino gne zanaky lahy da managny fiainagny mandrakizay, fa izay tsy mankato gne zanaky lahy kosa da tsy hahita fiainagny, fa hipetrahan'e havigniran'Andriamanitry."