Toko faha 2

1 Telo andro tafara taty, da nisy fampakaram-bady ta Kanà a Galilia, da tao i endriny Jesosy. 2 Jesosy miaraky amindreo pianatriny da nasaigny tame fampakaram-bady. 3 Rehefa lany e divay, da nizaka tamin'azy i endriny Jesosy hoe: "Tsy managny divay indreo. 4 Da nanamaly anazy i Jesosy hoe: "Raviavy, nagnino me anao raha mande amina aty? Mbola tsy avy e fotoako." 5 Da hoy i endriny tamindreo mpanompo hoe: "Ndre da ino ndre da ino zakainy aminareo, da anio izany." 6 Da nisy siny vato enina tami-gneo izay fampesaigny ame gn'andro fisasan'ny Jiosy, mahavy roy hatramin' e telo metatry agnaby. 7 Hoy Jesosy tamindreo hoe: "Fenoy rano gne siny." Da nofenoin-dreo hatramin'e molotrony. 8 Avy teo da hoy Izy tamindreo mpanompo hoe: "Manovoza amin'zany da indeso ame tompon'andraikitrin' e fikarakaragny." da notanterain-dreo zany. 9 Nandraman'e tompon'andraikitrin' e fikarakaragny e rano nivadiky divay, f'izy tsy nahafantatry e niavian'zany izy (fa gne mpanompo nanovo e rano da nahafantatry). Avy teo da nangaiky e mpampakatry Izy da nizaka tamin'azy hoe: "Gne olo agnaby 10 da manolotry gne divay tsara aloa zay vô gne divay moramora rehefa mamo indreo. Fa anareo kosa nitahiry gne divay tsara mandrak'ankehitriny." 11 Izany gne famantaragny voloany nanin'i Jesosy ta Kanà a Galilia, da nagnabôky gne voninahitriny Izy, da nino A'nazy indreo mpianany. 13 Da efa mariny gne Pasky gne Jiosy, da niakatry ta Jerosalema Jesosy. 14 Nahita mpivarotry aomby, ondry da voromailala tagnatin'e tempoly Izy, da nidoboky tao avakoa indreo mpanakalo vola. 15 Noho izany da nambôtry karavasy izy da nandrôky andreo hizotso gne tempoly, na gn'ondry na aomby. Nandraraky gne volan-dreo mpanakalo vola Izy sady nagnongagny gne latabatrin-dreo. 16 Da nizaka izy tamindreo mpivarotry voromamanga hoe: "Indeso lavitry an'ity toeragny ity e raha aby io. Aoka zay gne fagnamboaranareo toeragny fivarotagny gne tragnon'i Abako." 17 Da tadidin'e mpianatriny fa vôsoratry hoe: "Gne firehetako gn'ame tragnonao gn'andevogny ana." 18 Avy teo da namaly indreo lohandohan'e mpisorogny Jiosy ka nizaka tamin'Azy hoe: "Ino gne famantaragny abôkinao anay, mahavy anao magnano anio raha io? 19 Jesosy namaly hoe: "Arodagny ity tempoly ity,fa ho atsangako agnatin'e telo andro avao izany. 20 Da hoy gne mpanapaky jiosy hoe: "Enina amby efapolo taona gne nagnorenagny an'ity tempoly ity, da anao gne hahatsangagny an'azy agnatin'e telo andro? 21 kanefa, momba gne tempolin'e tegnany gne niresahiny. 22 Tafaran'e nitsanganany tame maty, da tadidin' e mpianatriny fa nizaka an'izany izy, da nino gne Soratra Masina sy gne teny nozakain'i Jesosy indreo . 23 Da rehefa ta Jerosalema Izy tamign'andro firavoravoan'e Paska, da maro gne nino gn'agnarany rehefa nahita gne famantaragny maro nataony. 24 F'izy i Jesosy da tsy nahatoky andreo noho Izy nahafantatry tsara an'azy agnaby, 25 satria tsy nila na ia na ia hagnambara amin'e momba gn'olo Izy, noho Izy nahafantatry gne agnatin'olo.