Toko faha 3

1 E ry Galatiana Mola! Ia gne namosavy anareo? Tamasonareo mitsy gne nagnaboahagny an'i Jesosy Kristy voafantsiky. 2 Iao avao gne raha tiako ianaragny aminareo: Nandray gne Fagnahy tamign'asan'e lalàgny sa tamin'e finoagny izay regninareo anareo? 3 Mola tokôtry me anareo? Niatomboky tamin'e Fagnahy anareo, da hiafaragny amin'e nofo amin'izao? 4 Fa raha tena zava-pôgny tokôtry ary izany, da efa niaritry raha maro tamin'e tsy misy dikany anareo? 5 izy gne magnome gne fagnà anareo sady magnano asa mahagaga aminareo me da magnano izany amign'asan'e lalàgny, sa amin'e fitenomagny amin'e finoagny? 6 Ako i Abrahama "nino an'Andriamanitry sady nisaigny ho fahamarinagny izany," 7 da akô izany, fantaro, fa indreo izay amin'e finoagny da zanak'i Abrahama. 8 Gne Soratry Masigny, nahita mialoha fa Andriamanitry hagnamarigny indreo Jentilisa amin'e finoagny, da nitory gne filazantsara mialoha tamin'i Abrahama, nizaka hoe: "Avy aminao gne hitahiagny gne firenegny rehetra." 9 Koa, indreo izay amin'e finoagny da voatahy miaraky amin'i Abrahama, izay olon'e finoagny. 10 Indreo izay miankigny amign'asan'e lalagny da ambanin'e ozogny; fa voasoratry hoe: "Voaozogny izay rehetry tsy magneky gne raha rehetra voasoratry agnatin'e bokin'e lalàgny, sady magnano anizany." 11 Amin'izao fotoagny zao da mazava fa tsy misy olo izay hamarinigny agnatrehan'Andrimanitry amign'alalan'e lalàgny, satria gne marina da ho velogny amin'e finoagny. 12 Fa gne lalàgny da tsy araky gne finoagny, f'izy, "Gne olo izay magnano gne asan'e lalàgny da tsy maintsy velogny amin'io." 13 Kristy nagnavotry antsika tamin'e ozon'e lalàgny tamin'e nahatongavany ho ozogny ho antsika___fa voasoratry hoe: "Voaozogny agnaby izay mihantogny amin'e hazo"_ 14 mba ho avy amin'e Jentilisa gne fitahian'Abrahama ao amin'i Kristy Jesosy, mba ho amin'e finoagny gne ahazoantsika izay fampagnantenan'e Fanahy. 15 E rahalà, avelay iao hizaka araky gne fanin'olo. Ao amin'e fifagnarahagny ataon'e olo, tsy misy afaky magnafoagny na magnampy izay ao, refa tafapetraky gne lalàgny izany. 16 Sady gne fampagnantenagny da nizakainy tamin'i Abrahama izy amin'e taranakiny. Tsy mizaka izany hoe: "ho an'e taranaky," manondro olo maro, f'izy olo raiky avao," "ho an'e taranakinao," da i Kristy. 17 Da izao gne tiako ho zakaigny: "Gne lalàgny, izay avy telo-polo sy efa-jato taogny tafara taty, da tsy hahafoagny gne fagnekegny izay efa napetrak'Andriamanitry mialoha. 18 Fa raha avy amin'e lalàgny gne lova, da tsy avy amin'e fampagnantenagny koa izany. Fa Andriamanitry nagnome izany an'i Abrahama tamign'alalan'e fampagnantenagny. 19 Ino, zany, gne tanjon'e lalàgny? Nasiagny izany noho gne fandikan-dalàgny, mandra-piavian'e taranak'i Abrahama eo amin'izay nanaovagny gne fampagnantenagny. Gne lalàgny da nanin'e mpagnalalagny raiky ho manan-kery tamign'alalany gnanjely. 20 Gne mpagnalalagny da midika olo mihoatry gne raiky, kanefa Andriamanitra da raiky. 21 Gne lalàgny me gne manohitry gne fampagnantenan'Andriamanitry? Sagnatrian'izany! Fa raha nisy lalàgny nomegny izay afaky magnome fiainagny, da avy tamin'e lalàgny tokôtry gne fahamarinagny. 22 Fa gne Soratry Masigny nagnagadra gne raha agnaby ambanin'e fahotagny. Nagnano izany Andriamanitry mba hagnomezagny ho andreo mino gne fampagnantenagny gne hagnavotagny antsika amign'alalan'e finoagny an'i Jesosy Kristy. 23 Talohan'ny gne nahatongavan'e finoagny, antsika da nitazomigny ho babo tambanin'e lalàgny, nigadraigny mandra-pisehoan'gne finoagny. 24 Avy eo gne lalàgny da lasa mpiambigny antsika nandra-piavian'i Kristy, mba ho voamarigny amin'e finoagny antsika. 25 Fa iao da avy izany finoagny izany, ka tsy eo ambanin'e mpiambigny mitsy antsika. 26 Fa anareo agnaby da zanak'Andriamanitra ao amin'e finoagny an'i Kristy Jesosy. 27 Fa maro aminareo izay nanigny batisa tao amin'i Kristy, gne nandray an'i Kristy. 28 Sady tsy misy mitsy gne Jiosy na Grika, gne andevo na olon'afaky, gne lelà na gne viavy, fa raiky avao anareo ao amin'i Kristy. 29 Ka raha an'i Kristy anareo, da taranak'i Abrahama, sady mpandova araky gne fampanantenagny anareo.