Toko faha 2

1 Efatry ambin'ny folo taogny taty afara da niakatry ta Jerosalema indraiky iao niaraky tamin'i Barnabasy, da nitondra an'i Titosy niaraky tamina. 2 Niakatry tagny nohon'e fagnambaragny raiky iao da nametraky tamindreo e filazantsara izay toriko ame Jentilisa. Niresaky mitokagny tame noeritreretigny ho manandanja iao, mba azahoagny antoky fa tsy niazakazaky na efa niazakazaky very maigny iao. 3 Fa ndre i Titosy, izay niaraky tamina izay Grika, da nodridrigny hoforagny. 4 Niditry mangingigny io rahalà sandoky io mba hitsikilo e fahafahagny anagnanay ao amin'i Kristy Jesosy. Nagniry e hagnandevo anay indreo, 5 fa tsy nety nagneky an'izany ndre ho fotoagny kidikidy iay, mba hipetrahan'e fahamarinan'e Filazantsara aminareo. 6 Fa e noheverigny ho manan-ndanja(ndre ino ndre ino indreo da tsy mampagnino ana, Andriamanitry da tsy miangatry) _ zakaiko,indreo, izay heverigny ho manan-danja da tsy nagnampy ndre ino ndre ino tamina. 7 Mifanohitry amin'izany, hitandreo fa nagnankinagny e Filazantsara ho ndreo tsy voafora iao, akò e nagnankinan'i Petera e Filazantsara ame voafora. 8 Fa Andriamanitry, izay niasa tao amin'i Petera ho ame maha-apostoly ho an'izay voafora, da niasa tamina tatoa avakoa ho an'e Jentilisa. 9 I Jakoba, Kefasy, da Jaona, izay fantatry fa agnisan'e nagnorigny e Fiangonagny, refa nahalala e fahasoavagny izay omegny ana, da nagnome e tagna ankavanan'e fiombonagny ho anay am'i Barabasy indreo. Nanindreo izany mba ahafahanay mandea ame Jentilisa agny, sady mba ahafahandreo mandea ame voafora. 10 Nangataky fotsiny indreo mba ahatsiarovanay e mahantra, da e raha tiako aniko tokôtry. 11 Fa refa avy tagny Antioka i Kefasy, da nanohitry anazy t'amasony iao satria voazaka fa diso izy. 12 Talohan'e nevisan'io lelà sasany avy lata amin'i Jakoba io, da miaraky misakafo ame Jentilisa eo mintsy i Kefasy. Fa raha avy io lelà maromaro io, da nijanogny izy sady nisitaky lavitry e jentilisa. Nalia e olo nitàky famoragny izy. 13 E sisa tame Jiosy koa moa da niaraky tam'izany fiatsarambelatsihy izany. Ndre i Barnabasy aza da voavily lalagny niaraky tamindreo tame fiatsaram-belatsihindreo. 14 Fa refa hitako fa tsy magnaraky fahamarinan'e filazantsara e fitondran-tegnandreo, da nizaka tamin'i Kefasy ankatrefandreo iao hoe: "Raha Jiosy anao ka miaigny ako e Jentilisa fa tsy ako e Jiosy, akoignaia e ahafahanao handetry e jentilisa hiaigny ako e Jiosy?" 15 Fa antsika da Jiosy tame alalan'e fahaterahagny fa tsy mpanota jentilisa; 16 fantatsika anefa fa tsy misy olo hamarinin'e asan'e lalàgny fa ame alalan'e finoagny an'i Kristy Jesosy. Antsika avakoa da avy ame finoagny an'i Jesosy Kristy mba ho hamarinigny ame finoagny an'i Kristy fa tsy ame asan'e lalàgny. Fa tsy hisy nofo hohamarinigny ame asan'e lalàgny. 17 Fa raha mitady hohamarinigny ao amin'i Kristy antsika, antsika avakoa, da hita fa mpanota, sa mandrisiky ame fahotagny i Kristy? Avy da diso izany! 18 Fa raha manangagny indraiky e raha efa noravako taloha iao, da magnaporofo e tegnako ho mpandika lalàgny iao zay. 19 Fa tame lalàgny e nahafatesako ame lalàgny, mba ho velogny ho amin'Andriamanitry iao. 20 Nofantsihagny niaraky tamin'i Kristy iao. Tsy iao sanaky e velogny, fa i Kristy e velogny agnatiko atoa. E fianagny iaignako amin'izao fotoagny izao da iaignako ame finoagny e Zanak'Andriamanitry, izay tia anà sady nanolotry e tegnany ho anà. 21 Tsy agniliky e fahasoavan'Andriamanitry iao, fa raha azo ame lalàgny e fahamarinagny, da tsy misy dikany e nahafatesan'i kristy!