Toko 1

1 Paoly, Apostoly, tsy apostoly avy tame olo na tame alalan'e olo, fa avy tamin'i Jesosy Kristy izy ame Andriamanitry Abatsika, izay nanangagny Anazy tame maty, 2 da e rahala agnaby miaraky amina, da ho an'e Fiangonagny Galatianina. 3 Fahasoavagny ho aminareo sady fiadanagny avy amin'Andriamanitry Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo , 4 izay nagnome gne tegnany ho an'e fahotantsika mba hagnafahagny antsika amin'izao andron'e faharatsiagny izao , araky gne sitrapon'Andriamanitry izy ame Raintsika , 5 ho an'Azy anie gne voninahitry mandrakizay doria. Amena. 6 Gaga iao raha hoe niala nalaky tamin'e nangaiky anareo tame fahasoavan'i Kristy anareo.Gaga iao fa mitodiky ho ame filazantsara hafa anareo. 7 Tsy midika izany fa misy filazantsara hafa ndre da eo izany , fa misy olo maromaro izay magnakorotagny anareo sady te hagnova gne filazantsaran'i Kristy. 8 Fa ndre iay , ndre gn'anjely avy agny an-dagnitry aza gne hitory Filazantsara hafa aminareo noho izay nitorianay taminareo, da lonoky izy ho voahozogny. 9 Araky gne nozakainay taloha , da amin'izao fotoagny izao iao magnambara indraiky hoe : " Raha misy olo magnambara aminareo Filazantsara hafa noho izay azonareo da lonoky izy ho voahozogny ." 10 Sa, iao amin'izao fotoagny izao mitady gne fagneken'olo sa Andriamanitry ? Sa iao gne mitady izay hampifaly gn'olo ? Raha mbola manohy miezaky gne hampifaly olo iao , da tsy mpanompon'i Kristy . 11 Ô rahalàko , fa tiako Ho fantatrareo , fa gne Filazantsara izay nambarako da tsy filazantsaran'olombelogny. 12 Tsy tamign'olo gne nazahoako an'izany, na nampianarigny anà izany . Kanefa , izany da fagnambaran'i Kristy Jesosy taminà. 13 Fa anareo naharegny gne fiaignako taloha tame fomba fivavahagny Jiosy , izy ame nagnenjehako gne fiangonan'Andriamanitry mihoatry gne tokony ho izy sady gne fiezahako handrava an'izany. 14 Nandroso tame fivavahan'eJiosy iao nihoatry e maro tame nitovy taogny taminà, da e raiky firenegny taminà da akô izany e fomba nitazomako mafy e fomban-drazako . 15 Kanefa Andriamanitry , izay nanokagny anà latan-trokin'iendriko, sady nangaiky anà tame gn'alalan'e fahasoavagny , 16 refa faly gne hagnaboaky gne Zanany lahy taminà, mba ahafahako magnambara an'Azy agny ame jentilisa , da tsy nisaigny araky gne nofotry izy ame rà iao . 17 Tsy niakatry tagny Jerosalema ho amindreo izay efa lasa apostoly talohako iao . Fa , nandeha tagny Arabia sady avy eo da nimpody tagny damaskosy iao. 18 Da telo taogny tafara taty da niakatry tagny Jerosalema mba hifankafantatry tamin'i Kefasy iao sady nijanogny niaraky tamin'azy nandritry gne dimy ambin'ny folo andro . 19 Fa I Jakoba avao gne hitako tamin'e Apostoly ,da igny rahalàn'i Tompo igny. 20 Da ao ame raha saratako ho anareo, da nagnome toky anareo iao eo egnatrehan'Andriamanitry, fa tsy mavandy iao . 21 Avy teo iao da nandeha tagny ame faritr'i Syria sy Kilikia. 22 Tsy mbola fantatry teo amin'e fiangonan'i Jodia izay ao amin'i Kristy iao. 23 Regnindreo fotsiny gne voazaka hoe : " Igny lelà izay nagnenjiky antsika taloha amin'izao fotoagny izao igny da nagnambara gne finoagny izay niezahany nopotehigny taloha." 24 Noho izany indreo da nidera an'Andriamanitry nohon'e aminà.