Toko faha 24

1 Gnan'i Yaveh gny tany, voho ze magnome gn'azy, gny tontolo zao, ndraiky gny raha iaby mipetraky ao. 2 Fa mnametraky any zay tam-boninigny riaky ie voho namboariny tam-boniny gny ony. 3 Ia ro hiakatra egny amign'ny vohits'i Yaveh? Ia ro hijoro ao ami-gny fipetrahany gny masy? 4 Ie mana tagna malio ndraiky fo tsy misy loto; tsy nanam-pery voho lainga, voho tsy nanao fampagnantena mba hamereverea. 5 Ahazo fitahia baka amign'i Yaveh ie voho ha tò baka ami-gny Ndranagnahary gny fandomba azy. 6 Manahaky an'izay ze taranakiny ze mila azy, voho gny mila gny tarehin-Dranagnaharin'i Jakoba. Sela 7 Atrakao gny lohanareo, nareo ry vavahady misondrota, varavara mandrakizay, mba hilirany gny Mpanjakan'ny voninahitsy! 8 Ia mpanjaka gny voninahitsy? Yaveh, mahery ndraiky mahefa, Yaveh, mahery ami-gny aly. 9 Ataovo agnabo gny lohanareo, nareo vavahady; misondrota ry varavara mandrakizay, mba hilirany gny Mpanjakany gny voninahitsy! 10 Ia moa Mpanjakany gny voninahitsy zao? Yaveh ro tompony gny maro, Ie ro Mpanjakan'ny voninahitsy. Sela