Toko 1

1 Toy gny fiandohan'ny filazantsaran'i Jesosy Kristy, gny Anakin-Dranagnahary. 2 Araky zay voasoratsy ao amin'Isaia mpaminany hoe:' Ingo, Zaho magniraky gny irako hialoha Gnanao, gny raiky hamboatsy gny lalanao. 3 Misy feo re mikaiky mare agny agn'efitsy hoe:" Ataovy vonona gny lalan'ny Tompo; ataovy mahitsy gny lala handehanany." 4 Avy Jaona , nanao batisa tagny agn'efitsy voho gny nitory gny batisan'ny fibebaha ho amin'ny famelan-keloky noho gny ota. 5 Gny tanin'i Jodia iaby voho gny olo iaby ao Jerosalema la avy namonjy gnazy. Nataony batisa tao amin'ny onin'i Jordana rozy, lafa niaiky gny fahotany. 6 Jaona la nignisy siky volon-drameva voho nanao fehikibo holitsy teo am-balahany, ka galala voho gny tantely remby ro nihaniny. 7 nagnambara ie hoe:" Misy ho avy magnaraky gnahy zay mahery mandilatsy gnahy, sady tsy mendriky ahy ndra la gny hamaha gny feh-kapany aza. 8 Zaho nanao batisa gnanareo tamin'ny rano, fa Ie koa hanao batisa gnanareo amin'ny Fagnahy Masy." 9 Tamin'ireo andro niavian'i Jesosy bakagny nazareta tao Galilia ro nitranga io, sady nataon'i Jaona batisa tao amin'ny onin'i Jordana Ie. 10 Laha vao niboaky gny rano Jesosy , la hitany nisokatsy gny lagnitsy sady nizotso teo aminy manahaky gny voromahilala gny Fagnahy. 11 Sady nisy feo bakagny an-dagnitsy nanao hoe:" Iha ro Anako malalako . Iha ro sitrako." 12 Bakeo la nataonin'ny Fagnahy ho agny agn'efitsy Jesosy. 13 Efapolo andro Ie ro tagny agn'efitsy, nalan'ny satana fagnahy. Nipetray niaraky tamin'ny bibilia Ie, voho nanompo Gnazy reo anjely. 14 Sady lafa voasambotsy Jaona , la avy tao Galilia nitory gny filazantsaran-Dranagnahary, 15 sady niresaky hoe:" Fa avy gny fotoa, voho fa mariniky gny fanjakan-Dranagnahary. Mibebaha la minoa gny filazantsara." 16 Lafa nandeha tegny amoron-dranomasin'i Galilia Ie, la nahajery gnan'i Simona voho Andrea rahalahin'i Simona nagnarato, fotony mpagnarato rozy. 17 Hoy Jesosy tamin-drozy hoe:" Avia , magnaraha Gnahy, fa ataoko mpagnarato olo nareo." 18 Teo eo la nagnenga gny harato rozy ka nagnaraky Gnazy. 19 Lafa nandeha lavidavitsy Jesosy, la nahita gnan'i Jakoba anak'i Zebedio voho Jaona rahalahiny; zay tao an-tsambokely namboatsy gny harato. 20 Nikaiky gnan-drozy Ie ka la nilaozany tao an-tsambokely avy hatragny Zebedio babany niaraky tamin'ireo mpikarama, ka nagnaraky Gnazy rozy. 21 Bakeo la avy tao Kapernaomy rozy, sady tamin'ny andro Sabata , la nilitsy tao amin'ny Synagoga Jesosy ka nampianatsy. 22 Tandregna tamin'ny fampianarany rozy, fotony nampianatsy gnan-drozy manahaky gny olo mana fahefa Ie fa tsy manahaky reo mpanora-dalagna. 23 Bakeo nisy johary raiky tao amin'ny synagogan-drozy zay nana fagnahy maloto nikoraky mare, 24 nanao hoe;" Ino ro hifandraisany aminao, ry Jesosy bakagny Nazareta? Avy hamotiky gnanay va Iha? Haiko hoe ia Iha. Iha zay Masin-Dranagnahary!" 25 Niresaky mare gny demonia Jesosy ka nanao hoe:" Mangina ka miboaha aminy!" 26 Sady gny fagnahy maloto nandova gnazy voho niboaky taminy ka nikaiky tamin'ny feo mahery. 27 Tandregna gny olo manontolo, ka nifagnontany rozy hoe:" Ino toy? Fampianara vaovao misy fahefa? Baikony ndra la reo fagnahy maloto aza ka la magnenky Gnazy rozy!" 28 Gny vaovao momba Gnazy la niparitaky tegny tao amin'ny farits'i Galilia ray manontolo. 29 Lafa baka niboaky gny synagoga , la avy tao an-tragnon'i Simona voho Andrea rozy, niaraky tamin'i jakoba voho Jaona. 30 Sady gny rafozam-bavin'i Simona nandry nararin'ny tazo , ka niresahin-drozy gnan'i Jesosy gny momba gnazy. 31 La namonjy Ie, ka nandramby gnazy tamin'ny tagnany, sady nagnary gnazy, la afaky gny tazony , voho nanomboky nanompo gnan-drozy ie. 32 Tamin'io hariva io, tafaran'ny filentehan'ny masoandro, la nandesin-drozy teo aminy zay narary iaby na misy demonia. 33 Tafavory niaraky teo am-baravagna gny tao an-tana iaby. 34 Nagnasitsana olo maro zay nararin'ny arety sambihafa Ie sady nandroaky demonia maro, fa tsy nengany hiresaky reo demonia fotony nahay Gnazy rozy. 35 Nifoha maray be Ie, laha mbo maiky gny andro; niala teo Ie ka nandeha tagny amin'ny toera mitoka sady reo Ie ro nivavaky. 36 Nila Gnazy Simona voho reo zay niaraky taminy. 37 Nahajery Gnazy rozy sady niresaky taminy hoe:' Mila Gnanao gny olo iaby." 38 Hoy Ie hoe:" Andeha tsika ho agny amin'ny toera hafa, agny ivelany ao amin'ireo tana magnodidy , mba hahafahako mitory safa agny koa. Fa io ro antony niboahako tatoy." 39 la nitety gnan'i Galilia manontolo Ie, nitory teny tao amin'ny Synagogan-drozy sady nandroaky demonia maro. 40 Nisy boka raiky avy taminy teo .Nitalaho taminy ie; nandohaliky teo Aminy voho niresaky taminy hoe:" laha sitrakao, la afaky magnalio gnahy Iha." 41 Onana gnazy, la naninjitsy gny tagnany Jesosy voho nikasiky gnazy, nanao taminy hoe:" 42 Niala taminy avy hatragny gny haboka, ka nalio ie. 43 Nampitandrina mare gnazy Jesosy ka nandefa gnazy. 44 Hoy Ie taminy hoe:" Tandremo tsy hivola na ino ino amin'ia nia iha, fa mandehana, aseho amin'ny mpisoro gny vatanao , ka manaova fagnatitsy noho gny fagnadiova gnanao araky gny nandidian'i Mosesy, mba ho fijoroa vavolombelo ho gnan-drozy." 45 Fa niboaky ie sady nanomboky nilaza tamin'ny olo iaby voho nampiely loatsy gny safa ka la tsy afaky nilitsy an-kalalaha atgny amin'ny tana iaby sasy Jesosy. Ka nipetraky tagny ivelany tagny amin'ny toera mitoka Ie ka namonjy Gnazy gny olo baka toera manontolo.