Toko faha 8

1 Lafa nijozotso bakegny an-tendrom-bohitsy Jesosy, la vahoaky maro ro nagnaraky Gnazy. 2 Ingo, nisy boka raiky namonjy Gnazy voho nitsaoky teo agnatrehany, nanao hoe:" Tompo laha sitrakao , la afaky magnalio ahy Iha." 3 Nagnatsotsa gny tagnany Jesosy voho nikasiky gnazy, nanao hoe:" Sitrako , Mahadiova." Eo no hoe la nalio tamin'ny fahabokany ie. 4 Hoy Jesosy taminy he:" Ao mba tsy hiresaky ino ino na amin'ia n'ia iha. Mandehana amin'ny lalanao, ka asehi amin'ny mpisoro gny vatanao voho atoloro gny fagnatitsy zay nodidib'i Mosesy, mba ho fijoroa vavolombelo amin-drozy." 5 Lafa nilitsy tao Kapernaomy Jesosy , la namonjy Gnzy gny kapiteny raiky voho nagnontany Gnazy, 6 nanao hoe:" Tompo, mandry ao an-tragno gny mpanompoko fa malemy voho ao agnatin'ny fahararia mare." 7 Hoy Jesosy taminy hoe:" Ho avy Aho voho hagnasitrana gnazy." 8 Namaly gny kapiteny nanao hoe:" Tompo, tsy mendriky ahy gny tokony hiliranao ao ambany tafon-tragnoko, resafo avao gny safa la ho janga gny mpanompoko. 9 Fa zaho avao koa la johary zay napetraky ao ambanyfahefa, voho manana miaramila zay fehiziko aho. Miresaky amin'ny raiky aho hoe:" Mandehana , la mandeha ie, voho amin'ny hafa raiky hoe:" Avia , la mamonjy ie, voho amin'y mpanompoko hoe:" Atoavo zao, la atony io." 10 Lafa jan'i Jesosy io, la tseriky Ie sady niresaky tamin'ireo ze nagnaraky Gnazy hoe:" Resahako marina aminareo, fa tsy mbo nahita olo nanam-pinoa manahaky gnan'io Aho teto Israely. 11 Resahako aminareo, fa maro gny agny antignana voho bakagny andrefa ro ho avy, voho rozy la hipetraky eo an-databo miaraky amin'i Abrahama, Isaka voho Jakoba, agny amin'ny fanjakan'ny lanitsy. 12 Fa reo anaky gny fanjakan'ny la hatoraky agny ivelan'ny hahiky lavitsy agny, zay hisy fitagnia voho fikitrohan-kihy." 13 Hoy Jesosy tamin'ny gny kapiteny hoe:" Mandehana! Araky gny ninoanao, la ao io hatao ho gnanao." Voho la janga tamin'io ora io tokoa gny mpanompono. 14 Lafa nilitsy tao an-tragnon'i Petera Jesosy, la nahajery gny rafozam-bavin'ni Petera niroro nararin'y tazo ie. 15 Nikasihin'i Jesosy gny tagnany, la niala taminy gny tazo. La nitsanga ie sady nanomboky nandroso sakafo Gnazy 16 Lafa avy gny hariva , la maro reo nofehezin'ny demony nandesiny gn'olo teo amin'i Jesosy. Nandroaky reo fagnahy tamin'ny safa Ie sady nagnasitsana reo iaby zay narary. 17 Manahaky gnan'io ro nahatanteraky zay nambaran'Isaia mpaminany, nanao hoe:" Ie tenany nangalaky gny faharatiantsika voho nanday gnan'ireo aretintsika." 18 Sady lafa jerin'i Jesosy reo foknolo nagnodidy Gnzy, la nagnome toromariky mba hiala ho egny ampitan'ny ranomasy Galilia Ie. 19 Bakeo gny mpanora-dalagna raiky namonjy Gnzy ka nanao hoe:" mpampianatsy, hagnaraky Gnanao aho na aia aia andehananao." 20 Hoy Jesosy taminy hoe:" Gny amboahaolo manan-davaky, voho reo voron'ny lanitsy mana akany, fa gny anak'olo tsy mana na aia aia ampandria gny lohany." 21 Raiky hafa tamin'ireo mpianatsy niresaky taminy hoe:" Tompo, engao aho aloha andeha voho andevy gny babako." 22 Fa hoy Jesosy taminy hoe:" Magnaraha Gnahy, voho gny engao gny maty andevy gny maty ao aminy manoka." 23 Lafa nilitsy tao amin'ny sambokely raiky Jesosy, la nagnaraky Gnzy tao agnatin'io reo mpianany. 24 Ingo, nisy tafio-drivotsy bevata nitranga teo amin'ny ranomasina, ka la rakotsy gny onja gny sambo. Fa ajon-droro Jesosy. 25 Nandeha teo Aminy reo mpianatsy voho namoha Gnazy, nanao hoe:" Vonjeo tsika, Tompo; ho maty tsika!" 26 Hoy Jesosy tamin-drozy hoe:" Nagnino nareo ro matahotsy, ry kely finoa?" La nitsanga Ie bakeo niresaky mare gny tsioky voho gny ranomasy.. La nisy fitonia bevata bakeo. 27 Tseriky reo johary voho niresaky hoe:" Ka karaza johary ino oy, fa ndra la gny tsioky voho gny ranomasy aza magnenky Gnzy?" 28 Lafa avy tegny ampita voho teo amin'ny tananan'ny Gadanaresa Jesosy, la nisy johary roe zay nifehezin'ny demonia nifanojiky Taminy. Rozy la noboaky bakagny amin'ireo lolo sady tena nahery loha, nohon'io la tsy nisy mpandeha afaky nandal io lala io. 29 Ingo, nikoraky mare rozy voho nanao hoe:" Moa mpiino rahay voho Iha, ry azakin-Dranagnahary? Avy eto va Iha hampihorohoro gnanay mialohan'ny fotoa voatondro?" 30 Sady nisy andian-koso maroa nihina teo, tsy de lavitsy gnan-drozy. 31 Mbo niangavy gnan'i Jesosy avao reo demonia voho nanao hoe:" Laha mandroaky gnanay Iha la alefaso ao agnatin'ireo andian-koso reo rahay." 32 Hoy Jesosy tamin-drozy hoe:" Mandehana!" Laniboaky reo demonia ka naeha tao amin'ireo koso; voho ingo, reo andiany iaby nilay nizotso gny tendrombohitsy mideza nagnagny an-dranomasy voho maty tao agnaty ranorozy. 33 Reo zae nikarakara reo koso la nilay voho nagnagny amin'ny tana rozy nitatitsy gny raha iaby, sady indrindra zay nintranga tamin'ireo johary zay nifehezin'ireo demonia. 34 Ingo, niboaky reo tao an-tana iaby mba hihaona amin'i Jesosy. Lafa hitan-drozy Ie, la nangataky Gnzy mba hagnenga gny faritanin-drozy.