Toko faha 24

1 Vo maraindry tamin'ny andro voalohan'ny herinandro, la nagnagny amin'ny fasana rozy, nanday reo raha-magnitsy zay nikarakaran-drozy. 2 Hitan-drozy nikodia lavitsy gny fasana gny vato. 3 Nilitsy tao rozy, nefa tsy nahita gny vatan'ny Tompo Jesosy. 4 Sady, laha sahiran-tsay mikasiky izay rozy, tampoky teo, la nisy johary roe nanao fitafia mamirapiratsy nitsanga teo agnilan'ireo. 5 Sady lafa feno tahotsy reo ampela la niankohoky tamin'ny tany, nivola tamin'ireo ampela rozy hoe: " Nagnino nareo ro mila gny velo atoy amin'ny maty? 6 Tsy ato ie, fa natsanga! Tadidio gny nivolagniny gnanareo tamy Ie mbo tagny Galilia, 7 nagnambara fa gny Anan'Olo la tsy maintsy hatolotsy ho eo an-tagnan'ny olo mpanota ka hofantsihy eo amin'ny hazo fijalia, sady amin'ny andro fahatelo la hitsanga ndraiky." 8 Reo ampela la nahatiaro reo volany, 9 Ka nimpoly bakagny amin'ny fasana sady nivola izay raha iaby izay tamin'ireo iraiky ambin'ny folo voho gny ambiny iaby. 10 Sady Mary Magdalena, Johana, Mary renin'i Jakoba, sady reo ampela hafa niaraky taminy la nitaitsy izay raha izay tamin'ireo apostoly. 11 Fa izay hafatsy izay la manahaky gny tsy nisy dikany tamin'ireo apostoly, ka tsy nino reo ampela rozy. 12 Nefa nitsanga Petara, la nilailay nagnegny amin'ny fasana, sady niondriky voho nagnenty tao, la nahajery reo lambam-paty nitoka. Sady Petera noly tagny an-tragnony, nagnontany tena gny amin'izay raha-nitranga. 13 Ndreo. gny roe tamin-drozy nandeha tamin'io ho agny amin'ny tana atao hoe Emaosy, zay enimpolo stadio miala an'ny Jerosalema. 14 Rozy la nifampiresaky mikasiky reo raha iaby zay nitranga. 15 Sady, laha niara-niresaky voho niara-nametraky fanontania rozy, la nagnotany voho nandeha niaraky tamin-drozy Jesosy. 16 Fa gny fijerin-drozy la nisakana mba tsy hahafantatsy Gnazy. 17 Jesosy nivola tamin-drozy hoe: " Ino ro resahanareo roe etoy am-pandehana?" La nijano rozy sady nalahelo endriky. 18 Gny raiky tamin-drozy, kinaiky hoe kleopasy, namaly Gnazy hoe: " Iha raiky va ro olo tao Jerosalema tsy nahay reo raha-nitranga tagny tamin'izay andro izay? 19 Jesosy nivola tamin-drozy hoe: " Raha ino?" Rozy namaly Gnazy hoe: " Reo raha mikasiky gnan'i Jesosy gny Nazarena, zay mpaminany, nahery tamin'ny asa voho gny safa teo agnatrehan-Dranagnahary voho gny olo iaby. 20 sady gny fomba nanoloran'ireo lohan'ny mpisoro voho reo mpanapakay Gnazy mba ho meloha ho maty voho gny namonoa Gnazy teo amin'ny hazo fijalia. 21 Nefa rahay nanantena fa Ie ro gny hanafaky gnan'Israely. Eny sady ankoatsy izay iaby izay, telo andro androany zao ro nitrangan'izay raha iaby izay. 22 Nefa koa, gny ampela sasany tamin'ny namanay la nahatreriky gnanay, zay tagny amin'ny fasana vo maraindray. 23 Lafa tsy nahajery gny vatany rozy, la niavy, nivola fa rozy koa la nahajery fahita anjely zay nilaza fa velo Ie. 24 Gny johary sasany zay niaraky tagnaminay la nandeha tagny amin'ny fasana, sady nahajery izay araky zay voalazan'ireo ampela. Nefa tsy nahajery Gnazy rozy." 25 Jesosy nivola tamin-drozy hoe: " Ry johary adala voho votsa say mino reo iaby voalazan'ny mpaminany! 26 Moa va tsy nila ho gnan'i Kristy gny nijaly tamin'iregny raha regny, ka hilitsy agny amin'ny voninahitsy?" 27 Sady nanomboky tamin'i Mosesy ka hatramin'ireo mpaminany iaby, la nadikan'i Jesosy tamin-drozy ao amin'ny Soratsy Masy gny mikasiky gny Vatany. 28 Nony nagnariny gny tana zay nandehanany rozy, la naneho fihetsika manahaky gny hoe handeha lavidavitsy jesosy. 29 Fa nanery Gnazy rozy, nivola hoe: " Mijano eto agnaminay, fa ho hariva zao sady fa hifara gny andro." Ka nilitsy mba hijano niaraky tamin-drozy Jesosy. 30 Sady, lafa nipetraky mba hiaraky hihina tamin-drozy Ie, la nangalaky gny mofo, nisaotsy izay, voho namaky izay, sady nagnome izay gnan-drozy. 31 Bakeo nisokatsy gny mason-drozy, ka nahafantatsy Gnazy, sady nanjavo teo imason-drozy Ie. 32 Rozy nifampiteny hoe: " Moa va gny fontsika tsy niredareda tao agnatitsika, laha nivola tamintsika tegny an-dala Ie, laha nanokatsy gny Soratsy Masy tamintsika Ie?" 33 Nitsanga rozy tamin'io ora io, ka nimpoly tagny Jerosalema. Nahajery reo iraiky ambin'ny folo niara-nivory rozy, voho reo zay niaraky tamin-drozy, 34 Nivola hoe: " Gny Tompo la nitsanga tokoa, sady niseho tamin'i Simona." 35 Ka nambaran-drozy zay raha nitranga tegny an-dala, voho gny fomba nisehoan'i Jesosy tamin-drozy tamin'ny fanapaha gny mofo. 36 Laha nivola izay raha izay rozy, la nijoro teo agnivon-drozy Jesosy vatany, sady nivola tamin-drozy hoe: " Fiadagna anie ho gnanareo." 37 Nefa taitsy voho raiki-tahotsy rozy, sady nihevitsy fa nahajery fa nahajery fagnahy. 38 Jesosy nivola tamin-drozy hoe: " Nagnino nareo ro matahotsy? Nagnino ro misy fagnontania ao am-ponareo? 39 Henteo gny tagnako voho gny tomboko, fa Zaho vatako toy. Kasiho Aho ka henteo. Fa gny fagnahy tsy mana nofo voho taola, araky gny ahitanareo Gnahy hoe mana." 40 Lafa nivola izay Ie, la nasehony tamin-drozy gny tagnany voho gny tombony. 41 Mbo tsy nino izay rozy nohon'ny hafalia, sady treriky rozy. Jesosy nivola gnan-drozy hoe: " Mana raha hohany va nareo?" 42 Nomen-drozy fia voatono ie, 43 ka nalany izay sady nihaniny teo agnatrehan-drozy. 44 Ie nivola tamin-drozy hoe: " Taminy Zaho niaraky tagnaminareo, la nivola tagnaminareo fa zay iaby voasoratsy tao amin'ny lalan'i Mosesy voho reo mpaminany sady reo Salamo la tsy maintsy ho tanteraky." 45 Sady nisokafany gny sain-drozy, mba hazoan-drozy gny Soratsy Masy. 46 Nivola gnan-drozy Ie hoe: " Zao ro voasoratsy, fa gny Kristy la hijaly, sady hitsanga amin'ny maty ndraiky amin'ny andro fahatelo. 47 Fibebaha voho famelan-keloky ro tokony ho toria amin'ny agnarany agny amin'ny firenena iaby, manomboky ao Jerosalema. 48 Nareo ro vavolombelon'iregny raha regny. 49 Ingo, halefako agnaminareo zay nampanantenain'ny Babako. Nefa mitoera ao an-tana mandra-pitafianareo gny hery bakagny ambony." 50 Sady Jesosy nitariky gnan-drozy mandra-pahavin-drozy tagny Betania. Nasandrany gny tagnany nitso-drano gnan-drozy Ie 51 sady lafa nitahy gnan-drozy ie la nagnenga gnan-drozy Ie sady lasa naakatry an-dagnitsy agny. 52 La nandrengy Gnazy rozy, sady nimpoly tagny Jerosalema tamin'ny fifalia bevata. 53 Nitohy nagnagny amin'ny tempoly rozy, nankalaza an-Dranagnahary.