Toko faha 25

1 Nivola tamin'i Mosesy teny an-tendrombohitr'i Sinay Yaveh, nanao hoe: 2 " Mivolagna amin'nyvahoakan'Israely sady ambarao amin-drozy hoe: ' Lafa magnagny amin'ny tany zay omeko anareo nareo, la ao mba hitandry gny Sabata ho an'i Yaveh gny tany. 3 Ao iha hamboly eo amin'ny gny baibonao agnatiny gny anin-tao, sady agnatiny gny enin-tao la ao iha handratsany gny tanim-boalobokinao sady hamoriany gny vokatsy. 4 Fa amin'ny tao fahafito, la ao ho tandroviny gny andro Sabatan'ny fitsahara manetriketriky ho an'ny tany, Sabata ho gnan'i Yaveh. Ao iha tsy hamboly egny amin'ny baibonao na handratsany gny tanim-boalobokinao. 5 Ao iha tsy hanao fijinjana voarindra amin'ny raha-bevata magniry ho gnazy, sady iha tsy hanao finjinja voarindra amin'ny voaloboky iaby zay mitombo eo amin'ny voalobokinao zay tsy voaratsa. Ho taom-potsahara manetriketriky ho an'ny tany izay. 6 Zay magniry eo amin'ny tany tsy niasa agnatiny gny taonan'ny Sabata ro ho sakafonao. Iha, reo mpanomponao lahy voho vavy, reo mpanompo karamainao sady reo vahinyzay mipetraky miaraky aminao ro ao hamory hany, 7 sady gny biby fihare voho reo bibi-dia ro ao hihina zay iaby vokarin'ny tany. 8 Ao iha hagnisaky Sabata fitonamin'ny tao, izay hoe, im-pito isaky gny fito tao, mba hisy Sabata fito gny tao, sivy amby efapolo tao gny fitambarany. La ao iha hitsoky anjomara mafy na aia na aia amin'ny andro fahafolon'ny vola fahafito. Amin'ny Andron'ny Fagnavota la ao iha hitsoky anjomara manera gny taninao iaby. Ao iha hanoha gny tao fahalimapolo ho gnan'i Yaveh sady hagnambara gny fahafana manera gny tany amin'ny mpininy iaby. Ho jobily ho gnanao izay, zay tsy maintsy hamerena reo fanasa voho reo andevo agny amin'ireo fianakaviany. 11 Ho jobily ho Gnanao gny fahalimam-polo tao. Ao iha tsy hamboly na handay finjinja voalamy. Mihinana zay iaby magniry ho gnazy, sady avorio reo voaloboky zay mitombo eo amin'ny tanim-boaloboky tsy voarantsa. 12 Fa jobily, zay ho masy ho gnanao izay. Ao iha hihina gny vokatsy zay mitiry ho azy ivelan'ireo baibo. 13 Ao hampimpoly gny kiraidraiky agny amin'ny zara-tany avao iha amin'izay taonan'ny jobily izay. 14 Laha mivarotsy tany amin'ny namanao iha na mivily tany bakamin'ny namanao, la ao nareo tsy hifamitaky na hifanao raty. 15 Laha mivily tany amin'ny namanao iha, diniho gny isan'ny tao voho gny vokatsy zay azo jinjainy zisiky iavian'ny jobily magnaraky. Ao avao koa gny namao mivarotsy gny tany handiniky izay. 16 Gny hamaroan'ny isan'ny tao Zisiky iavian'ny jobily manaraky manaraky ro hampitombo gny lanjan'ny tany, sady gny havitsian'ny isan'ny tao zisiky iavian'ny jobily manaraky ro hampihena gny lanja. Fotony gny isan'ny vokatsy ho vokarin'ny tany ho an'ny tompony vaovao la mifandraiky amin'ny isan'ny tao mialohan'ny jobily manaraky. 17 Ao nareo tsy hifamitaky na hifanao raty; fa koa; ao iha hagnome voninahitsy an-Dranagnaharinao, fa Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinao. 18 Noho izay la ao iha hankato reo liliko, hitandry reo lalako, sady hanantateraky gnan-drozy. La hipetraky ao amin'ny tany am-pilamina iha. 19 Hagnome gny vokany gny tany, sady hihina iha ka ho voky sady hipetraky agny ampilamina ao. 20 Mety hivola iha hoe: " Ino ro hohaninay agnatiny gny tao fahafito? Ingo, tsy afaky mamboly na mamory gny votrinay rahay." 21 Handily gny fitahiako Zaho mba ho avy aminareo amin'ny tao hafaeny, sady hamokatsy vokatsy ampy agnatiny gny telo tao izay. 22 Hamboly iha amin'ny tao fahavalo sady hanohy hihina bakamin'ny vokatsy gny tao teo aloha voho gny hany voatahiry. Ambara-piavian'ny fijinjany amin'ny tao fahasivy, la afaky hihina bakamin'ny vatsy voatahiry tamin'ny tao teo aloha iha. 23 Ao tsy hamily amin'ny tompo vaovao gny tany, fotony Gnahy gny tany.Vahiny iaby nareo sady mpinina mandalo eo amin'ny taniko. 24 Ao iha handiniky gny zon'ny fagnavotaho an'ny tany iaby zay azonao; ao iha hagnenga gny tany himpoly hovilin'ny fianakavianao zay niviliananao izay. 25 Laha avy mahantra gny Israelita namanao sady noho izay antony izay ro nivarotany gny sasany amin'ny fanagnany,la mety ho avy gny havany marikitsy mare sady hivily gny fanagna zay naviliny taminao. 26 Laha tsy manan-kava mba hanavotsy gny fanagnany gny johary raiky, nefa laha ambininy ei sady mana fahafaha hagnavotsy izay, 27 la hikajy gny tao hatramin'ny nivarota gny tany voho nanonera ndraiky gny fandanja tamin'ny olo zay nivarotany izay ie. La himpily agny amin'ny fanagnany avao ie. 28 Fa laha toa ka tsy afaky mampimpoly gny tany ho gnazy avao, ie la hinjanjy ho fanagnan'ny nivily izay hatramin'ny taon'ny jobily gny tany. Amin'ny taonan'ny jobily, la hampoly amin'ny johary zay nivarotsy izay gny tany, sady gny tena tompony himpoly amin'ny fanagnany. 29 Laha mivarotsy tragno agny amin'ny tana mimanda gny johary raiky, la mety hivily izay ndraiky agnatin'ny tao raiky manontolo ie afaran'ny nahalafo izay. Fa mandritra gny tao raiky manontolo la hana gny zon'ny fagnavota ie. 30 Laha tsy avotsy agnatin'ny tao raiky manontolo gny tragno, la ho fanagna mandrakizay ho an'ny olo zay nivily izay gny tragno ao amin'ny tana mimanda, ka hatramin'ny avorohotany fara mandimby. La tsy ho hampiliny izay tragno izay amin'ny taonan'ny jobily. 31 Fa reo tragnon'ireo vohitsy zay tsy misy manda magnodidy gnan-drozy la himpoly ha manahaky gny baibon'ny tany. Hagnavita an-droazy, sady tsy maintsy hampoly mandritsa gny taonan'ny jobily. 32 Na iazay aza, gny tragnon'ireo Levita ao an-tagnan-drozy la ho avotsy amin'ny fotoa iaby. 33 Laha tsy magnavotsy gny tragnozay naviliny gny raiky amin'ireo Levita, la tsy maintsy hampoly amin'ny taonan'ny jobily gny tragno zay naviliny tao an-tana nisy gnazy, fa fanagnan-drozy amin'ny vahoakan'Israely reo tragnon'ny tananan'ny Levita. 34 Fa reo baibo magnodidy gny tanany la tsy azo avily fotony fanagna raikits'ireo Levita izay. 35 Laha mahantra gny mpiray tanindraza aminao, ka tsy afaky mamokatsy ho gnazy sasyie, la ao iha hagnampy gnazy manahaky gny hanampianao vahinyna oloraiky zay mipetraky manahaky gny mpivahiny eo agnaminao. 36 Ka mangalaky tombony aminy na manama magnararaotsy gnazy amin'ny fomba iaby, fa manomeza voninahitsy gny Ndranagnaharinao mba ho afaky hiaina miaraky agnaminao reo rahalahinao. 37 Ka mampindran-drala gnazy sady mangalaky ana-bola aminy, na mivaritsy aminy gny haninao mba hahazoanao tombony. 38 Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinao, zay nanday gnanao niboaky gny tany Egypta, mba hahafahako magnome gnanao gny tany Kanana, sady hahavy Gnahy ho Ndranagnaharinao. 39 Laha lasa mahantra gny mpiray tanindraza agnaminao sady mivarotsy gny vatany agnaminao, ao iha tsy hampiasa gnazy manahaky gny andevo. 40 Ataovo manahaky gny mpanompo karamaina ie. Ao ie ho manahaky gny olo zay miay miaraky agnaminao amin'ny fotoa voafetsy. Hanompo hiaraky agnaminao hatramin'ny taonan'ny jobily ie. 41 Bakeo la hiala agnaminaoie, rozy voho reo anany miaraky aminy, sady himpoly agny amin'ny fianakaviany voho gny fananan-drainy ie. 42 Fa mpanompoko zay nandesiko niboaky gny tany Egypta rozy. Tsy hamily manahaky reo andevo rozy. 43 Ao nareo tsy handay gnazy amin-karatia, fa ao iha hagnome voninahitsy gny Ndranagnaharinao. 44 Laha gny amin'ireo andevo lahy voho vavy, zay azonao ala bakamin'ireo firenena zay mipitraky magnodidy gnanao, la afaky hivily andevo bakamin-drozy iha. 45 Afaky mivily andevo bakamin'ireo vahiny zay mipetraky eo agnaminao avao koa iha, la zay bakamin'ireo fianakavia zay miaraky agnaminao, aja zay teraky tao amin'ny taninao. Ho avy fanagnanao rozy. 46 Hamokatsy andevo manahaky izay ho lova ho gnan'ireo anakao afara, mba hotanjahy ho fanagna iha. Bakamin-drozy mandrakariva ro hiviliananao reo andevonao, fa ao iha tsy handay an-kery reo rahalahinao amin'ireo vahoakan'Israely. 47 Laha avy mpanan-karena gny vahiny na gny olo zay miay miaraky agnaminao amin'ny fotoa voafetra, sady laha lasa mahantra gny raiky amin'ny Israelita namanao ka mamarotsy gny vatany amin'izay vahiny izay, na amin'ny olo ao amin'ny fianakavian'ny vahiny, 48 Lafa voavily gny Israelita namanao, la afaky vily ndraiky ie. Hagnavotsy gnazy gny raiky ao amin'ny fiankaviany. 49 Mety ho rahalahin-drain'ny olo, na ana-drahalahin-drainy, ro magnavotsy gnazy, na olo zay longony maniky bakamin'ny fianakaviany. Na, laha avy mpanakan-karena ie, la afaky hagnavota gny vatany. 50 Ao rozy hifagnaraky amin'ny olo zay nivily gnazy; ao rozy hagnisa gny tao manomboky gny tao nahalafo gnazy tamin'ny mpivily gnazy ka hatramin'ny taonan'ny jobily. Ao gny vilin'ny fagnavota gnazy ho eretrerety miaraky amin'ny taham-bilin'ny mpanompo nokaramainy, ho an'ny isan'ny tao hanoizany miasa ho an'ny nivily gnazy. 51 Laha mbomisy tao maro zisiky iavian'ny taonan'ny jobily ie himpoly handoa sandam-bola manahaky gny vilin'ny fagnavota zay mifandanja amin'ny isan'ireo tao. 52 Laha toa ka tao vitsy monja sisa zisiky iavian'ny taonan'ny Jobily, la tsy maintsy mifanaraky amin'ny mpivily gnan-drozy hahita gny isan'ny tao sisa ambin'ny mialohan'ny taonan'ny Jobily, sady ao ie hagnefa ho an'ny fagnavotany mifagnaraky amin'ny isan-tao. 53 Hatao manahaky gny johary nokaramainy isan-taon ie. Ao ho azonao antoky fa tsy handay gnazy ami-kery vatany iha. 54 Laha tsy avotsy amin'izay ie, la ao ie hanompo hatramin'ny taonan'ny Jobily, ie voho reo anaky miaraky aminy. 55 Agnamiko la mpanompo gny vahoakan'Israely. Mpanompoko zay nandesiko niboaky gny tany Egypta rozy. Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinao."'