Toko faha 24

1 Nivola tamin'i Mosesy i Yaveh, nanao hoe: 2 " Baiko gny olon'Israely mba handay soliko tsy mifangaro vita tamin'ny oliva ho gnanao mba ampiasa amin'ny fanilo, mba hirehitsy mandrakizay gny jiro. 3 Arona la tsy maintsy magnenga gny jiro hirehitsy foana ao ivelan'ny lamba fa nakona eo agnatrehan'ny lilim-pagnekea ao amin'ny tragno-lay fihaogna, manomboky gny hariva zisiky faran'ny gn'andro. Ho lalagna maharitsy hatramin'ny avorohotan'ireo vahoakanareo izay. 4 Gny mpisorobe la tsy maintsy mitandry gny jiro hirehitsy foana eo agnatrehan'i Yaveh, reo jiro eo amin'ny fipetrahan-jiro volamena tsy misy fangarony. 5 Ao iha hangalaky koba manify sady hanendy mofo roe ambin'ny folo amin'izay. Tsy maintsy misy roe ampahafolon'ny efaha isaky gny mofo. 6 Bakeo la hizara izay ho andala roe, eny amin'ny andaa raiky, eo agnabon'ny latabatsy vita tamin'ny volamena tsy mifangaro. 7 Ao iha hametraky ditin-kazo magnitsy malio isak'ireo andala mofo ho fagnati-pahatiarova. Io ditin-kazo magnitsy io la ho oroa ho gnan'i Yaveh. 8 Isaky gny Sabat gny mpisoro abo la tsy maintsy mametraky mandrakariva gny mofo eo agnatrehan'i Yaveh ho an'ny olon'Israely, mba hofamantara gny fagnekena tsy manam-pahatapera. 9 Io fagnatitsy io la ho gnan'i Arona voho reo anany lahy, sady hohan-drozy eo amin'ny toera zay masy izay, fotony ampahany bakamin'ireo fagnatitsy natao tamin'ny bolo hognan'i Yaveh izay." 10 Sady nisy anak'ampelany Israelita raiky, zay Egyptiana ro babany, nandeha teo amin'ny vahoakan'Israely. Io anakilahin'ny ampela Israelita raiky tao amin'ny toby. 11 Nivola raty gny agnaran'i Yaveh voho nanozo an-Dranagnahary io anaky lahin'ny ampela Israelita io, ka nandesin'ny vahoaky teo amin'i Mosesy ie. Sebomita ro agnaran'ny reniny, anak'ampelan'i Dibry, bakamin'ny fokon'i Dana. 12 Notanjahin-drozy tao ami-ponja ie zisiky agnambaran'i Yaveh Ie vatany gny sitrapony amin-drozy. 13 La nivola tamin'i Mosesy Yaveh, nanao hoe: 14 Alao gny johary zay nanozo an-Dranagnahary tao ivelan'ny toby. Zay iaby mahare gnazy la tsy maintsy mametraky gny tagnan-drozy eo amin'ny lohany, sady ao gny fiangona raiky manontolo hitora-bato gnazy. 15 Ao iha hagnazava amin'ny olon' Israely sady hivola hoe: " Zay iaby manozo gny Ndranagnahariny la tsy maintsy magnenty gny helony. 16 Ie zay mivola raty gny agnaran'i Yaveh la tsy maintsy ho vinonony vatany. Tsy maintsy hitora-bato gnazy vatany gny fiangona iaby, na vahiny ie na tera-tany Israelita. Laha misy olo mivola raty gny agnaran'i Yaveh, la tsy maintsy vinonona ie. 17 Laha misy olo mamono olo hafa, la azo antoky fa tsy maintsy ho vinonony ie. 18 Laha misy olo mamono gny bibin'ny olo raiky hafa, la tsy maintsy manohitsy izay ie, ay solon'ny ay. 19 nLaha misy olo mandratsy gny mpiray tana aminy, la tsy maintsy atao aminy zay nataony tamin'ny mpiray tana aminy: 20 Fahatapaha solon'ny fahatapaha, maso solon'ny maso, nify solon'ny nify. Fotony nandratra olo ie la tsy maintsy atao aminy koa izay. 21 Zay iaby mamono biby raiky la tsy maintsy manonitsy izay, sady iaby mamono olo la tsy maintsy vonoe. 22 Ao iha hana lalagna mitovy ho an'ny vahiny voho gny tera-tany Israelita, fa Zaho ro Yaveh Ndranagnaharinao."' 23 Ka nivola tamin'ny olon'Israely i Mosesy, sady nandesin'ny olo niboaky tao ivelan'ny toby gny johary, gny nanozo gnan'i Yaveh. Notorahin-drozy tamin'ny vato rozy. Reo vahoakan'Israely la nanao arak'izay nandidian'i Yaveh gnan'i Mosesy.