Toko faha 1

1 Nikaiky gnan'i Mosesy i Yaveh ka nisafa tagnaminy bak'amin'ny tragno lay fihaogna, nanao hoe: 2 " Mivolagna amin'ny vahoakan'Israely ka volagno amin-drozy hoe: ' Laha misy olo agnaminareo mitondra fanatitsy ho gnan'i Yaveh, la mitondra raiky amin'ny bibinareo ho fagnatitrareo, na avy amin'ny omby na avy amin'ny andry aman'osy. 3 Laha fagnatitsy oroa bakamin'ny aomby gny fagnatitsy, la tsy maintsy lahy tsy misy kilema ro atolony. Hanolotsy izay eo amin'ny filira magnagny amin'ny tragnon-lay fihaogna ie, mba ho ankasitraha eo agnatrehan'i Yaveh izay. 4 Hametraky gny tanany eo amin'ny lohan'ny fagnatitsy oroa ie, sady la ho ankasitraha noho gny aminy izay mba ho fagnavota ho gnazy. 5 La ao ie hamono gny ombilahy eo agnoloan'i Yaveh. Reo anak'i Arona, reo mpisoro, la hanolotsy lio sady hanondraky izay eo amin'ny alitara zay eo amin'ny filira magnagny amin'ny lay fihaogna. 6 La ao ie hamolo gny fagnatitsy oroa sady hitetitetiky izay. 7 La handrehitsy bolo eo amin'ny alitara sady hanisy kata ka hampirehitsy gny bolo reo anak'i Arona. 8 Reo anak'i Arona, reo mpisoro, la hametraky hitandahatsy eo agnabon'ny kata zay fa mirehitsy eo agnabon'ny alitara. 9 Fa gny taovany vo gny feny la tsy maintsy ho sasany amin'ny rano. La hagnoro gny raha iaby eo amin'ny alitara ho fagnatitsy oroa gny mpisoro. Hiteraky hagnitsy malefaky ho Gnahy izay; ho fagnatitsy natao tamin'ny bolo ho Gnahy izay. 10 Laha bakamin'ny aondry aman'osy gny fagnatitsy ho amin'ny fagnatitsy oroa, la gny raiky amin'ireo aondry na raiky amin'ireo aosy, la tsy maintsy lahy tsy misy kilema ro atolony. 11 Ao hamono izay eo amin'ny lafy avaratsy gny alitara eo agnatrehan'i Yaveh ie. Reo anak'i Arona, reo mpisoro, la hanondraky gny lion'izay amin'ny lafin'ny alitara iaby. 12 La ao rozy hitetiteky izay, miaraky amin'ny lohany vo gny saborany, sady gny mpisoro la handahatsy reo eo amin'ny kata fa mirehitsy, zay eo agnabon'ny alitara, 13 nefa ao ho sasany amin'ny rano gny taovany vo gny feny. La hanolitsy gnazy manontolo gny mpisoro, sady handoro zay eo amin'ny alitara. zay ro fagnatitsy oroa, sady hiteraky hagnitsy malemy ho gnan'i Yaveh izay; ho fagnatitsy natao tamin'ny bolo ho Gnazy izay. 14 Laha fagnatitsy oroa voro gny fagnatitsy ho gnan'i Yaveh, la tsy maintsy manday na domoina na ana-boromailala ho fagnatitsy ie. 15 Tsy maintsy manday izay eo amin'ny alitara gny mpisoro, manola gny lohany, sady mandoro izay eo amin'ny alitara. Sady la araraky eo amin'ny alitara gny lion'izay. 16 Tsy maintsy ho ala gny takorobabon'izay vo gny raha ao agnatiny, sady hariany agnilan'ny alitara eo antignana izay, eo amin'ny toeran'ireo lavenoky. 17 Tsy maintsy hanokatsy izay bakeo amin'ny elany ie, nefa tsy azo zarainy ho roa izay. La handoro izay eo amin'ny alitara gny mpisoro, eo amin'ny kata fa mirehitsy. Ho fagnatitsy oroa izay, sady hiteraky hagnitsy malemy ho gnan'i Yaveh izay; ho fagnatitsy natao tamin'ny bolo ho Gnazy izay.