Toko faha 2

1 Laha misy manday fagnatitsy voa ho gnan'i Yaveh, la ao ho koba soa lisa gny fagnatitsy, sady handraraky diloilo eo amin'izay vo hametraky ditin-kazo magnitsy eo amin'izay ie. 2 Handay gny fagnatitsy eo amin'ireo mpisoro anak'i Arona ie, la hangalaky koba soa lisa eran'ny tana miaraky amin'ny diloilo vo ditin-kazo magnitsy eo amin'izay gny mpisoro. La handoro gny fagnatitsy eo amin'ny alitara ho fanati-pahatiarova gny mpisoro. Hamoaky hagnitsy malemy ho gnan'i Yaveh izay; ho fagnatitsy natao tamin'ny bolo ho Gnazy . 3 Zay iaby tavela amin'ireo fagnatitsy hohany la ho gnan'i Arona vo reo anany lahy. Masy tokoa bakamin'ireo fagnatitsy ho gnan'i Yaveh natao tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh izay. 4 Laha manolotsy fagnatitsy voa tsy misy lalivay zay niketrehy tamin'ny laforo iha, la ao ho mofo malemy vita tamin'ny koba soa lisa miharo diloilo izay, na mofo mafy tsy misy lalivay, zay voahosotsy diloilo. 5 Laha nikinetriky tamin'ny lasitra vy pisaky gny fagnatitsy voa, la ao ho bakamin'ny koba soa lisa tsy misy lalivay zay miharo diloilo izay. 6 Hozarainao izay sady handrarahanao diloilo eo aminy. Zay ro fagnatitsy oroa. 7 Laha nandrahona tamin'ny lasitra gny fagnatitsy voa gnanao, la ao atao amin'ny koba soa lisa vo diloilo izay. 8 Ao hinday fagnatitsy voa natao tamin'ireo raha reo ho gnan'i Yaveh iha, sady izay la hatolotsy eo amin'ny mpisoro, zay handay izay eo amin'ny alitara. 9 Bakeo la hangalaky sasany amin'ny fagnatitsy voa ho fanati-pahatiarova gny mpisoro, sady hondoro izay eo amin'ny alitara ie. Ho fagnatitsy natao tamin'ny bolo izay, sady hahavy hagnitra ankasitrahana ho gnan'i Yaveh. 10 Zay ambin'ny fagnatitsy hohany la ho gnan'i Arona vo reo anany lahy. Masy la masy bakamin'ny fagnatitsy atao amin'ny bolo ho gnan'i Yaveh izay. 11 Tsy hisy fagnatitsy voa ho atolotrao ho gnan'i Yaveh ka hisy lalivay, fotony tsy tokony handoro masirasira, na tantely, ho fagnatitsy natao tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh iha. 12 Hanolotsy reo ho fagnatitsy voaloham-bokatsy ho gnan'i Yaveh iha, nefa tsy hampiasa hamoaky hagnitsy malemy eo amin'ny alitara reo. 13 Ao hagnome tsiro gny kiraidraiky amin'ny fagnatitsy voa amin'ny sira iha. Ao tsy ho halinonao mihitsy amin'ny fagnatitsy voa gny siran'ny fagneken-Dranagnaharinao. Manolora sira amin'ireo fagnatitrao iaby. 14 Laha manolotsy fagnatitsy voa amin'ny voaloham-bokatsy ho gnan'i Yaveh iha, la manolora voa vaovao zay natono tamin'ny bolo vo nopotehy ho sakafo bakeo. 15 La ao hanisy diloilo vo ditin-kazo magnitsy ao amin'izay iha. Izay ro fagnatitsy voa. 16 Sady hagnoro gny ampahan'ny voa voalisa vo diloilo sady ditin-kazo magnitsy ho fanati-pahatiarova gny mpisoro. Izay ro fagnatitsy natao tamin'ny bolo ho gnan'i Yaveh.